2013
Fomba Folo Ahafantarana hoe Niova Fo Ianao
Aprily 2013


Fomba Folo Ahafantarana hoe Niova Fo Ianao

Monina any Java, Indonezia i Tyler Orton.

Sary

Nianarako tao amin’ny fivorian’ny fisoronana fa iray amin’ireo tanjon’ny Fisoronana Aharôna ny manampy antsika “hiova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hiaina araka ny fampianarana hita ao.”1 Tsy fantatro loatra ny hevitry ny hoe “hiova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” Nanontaniako ireo ray aman-dreniko sy ireo zokiko iray tampo amiko ny hevitr’izy ireo mikasika izany ary niara-nandinika fomba maro izahay ahitana hoe efa miova fo ve ianao.

Mety misy fomba hafa, saingy ireto misy fomba 10 izay hitanay. Koa satria fivoarana maharitra mandritry ny androm-piainana manontolo izany hoe fiovam-po izany, dia tsy voatery isika hoe ho tonga lafatra amin’ireto lafiny tsirairay ireto ankehitriny, saingy afaka manampy antsika izy ireo hahafantatra hoe mivoatra ve isika sa tsia.

  1. Rehefa hoe niova fo ianao dia tsy vitan’ny hoe mahafantatra izay tokony hataonao fa maniry ihany koa ny hanao izay tsara. Tsy ampy ny hoe miala amin’ny fanaovana ny ratsy satria hoe matahotra ny ho tratra na ny ho voasazy. Rehefa tena niova fo marina ianao, dia tena maniry ny hisafidy ny tsara.

  2. Famantarana iray ahafantarana hoe efa miova fo ny hoe tsy manam-paniriana hanao ny ratsy intsony ianao. Ohatra lehibe amin’izany ireo Antia-Nefia-Lehia. Rehefa niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Kristy izy ireo dia “nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny (Môsià 21:31). Toa an’ireo Nefita izay nampianarin’i Benjamina Mpanjaka dia “tsy nanana fironana hanao ratsy intsony” izy ireo (Môsià 5:2). Lasa tena niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Kristy izy ireo ary tsy nahataona azy ireo ny fakam-panahin’i Satana.

    Sary

    Nandevina ny fiadiany ireo Lamanita niova fo mba hanehoana hoe ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony izy ireo dia ny hiaina ny filazantsara (jereo ny Almà 24).

  3. Rehefa niova fo ianao dia sahiran-tsaina kokoa mikasika izay fijerin’Andriamanitra anao toy izay ny fijerin’ny hafa. Any am-pianaranay any Indonezia dia mirona amin’ny fisotroana toaka be ireo mpianatra. Indraindray dia mety haka fanahy tokoa izany hoe mandeha mivoaka mifety izany rehefa manao izany ny olon-drehetra ary mandrabiraby anao, noho ianao tsy mandeha. Efa maro ireo fotoana nanasan’ny olona ny rahalahiko handeha hisotro sy hifety, saingy tsy nandeha mihitsy izy—nijoro tamin’izay ninoany izy. Sarotra izany, ary alina maro no nijanonany irery tao an-trano. Rehefa nifanao veloma ireo mpianatra tamin’izy afaka bacc, dia maro no nizara taminy fa nampiaiky azy ireo ny nahafahany nanohitra ny fitaoman’ny namana mpiara-mianatra ary hahatoky amin’ny fenitra arahiny. Nilaza izy ireo fa tena nidera azy noho izany. Tamin’ny alalan’ny fanoherany ny fitaoman’ny namana mpiara-mianatra no fomba nanehoany hoe niova fo izy.

  4. Rehefa miova fo ianao dia miezaka araka izay tratranao hiaina ny filazantsara mandrakariva—tsy isaky ny Alahady ihany na hoe rehefa mety, fa mandrakariva. Tsy miova arakaraka izay miaraka aminao na izay mety mijery anao ny fihetsika ataonao. Rehefa mitantara hatsikana mirefarefa amin’ny tany ireo namanao na te hijery horonan-tsary mamoa fady dia tsy mandeha ianao satria tsy misy mahita; fa mijoro kosa amin’izay zavatra inoanao.

  5. Sary

    Rehefa niova fo ianao dia tsara fanahy sy mangoraka kokoa eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa. Tsy mitsaratsara ianao na mitsikera na mifosafosa. Mahatakatra kokoa ny fahatsapan’ny hafa ianao ary zary lasa mandeha ho azy aminao ny mitady fomba hanompoana sy hanampiana. Rehefa mandeha eny an-dalantsara any an-tsekoly ianao ka latsaka ny bokin’ny olona iray dia tsy manontany tena akory ianao hoe inona no tokony hatao. Fa tonga dia mijanona ho azy ianao mba hanampy.

  6. Sary

    Rehefa niova fo ianao dia mitombo ny fanirianao hivavaka ary mahatsapa ianao fa tena mifandray amin’Andriamanitra rehefa mivavaka. Mahavita manokana fotoana hivavahana foana ianao na inona na inona zavatra tsapanao na inona na inona mitranga amin’ny fiainanao. Nilaza tamintsika ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe “Rehefa tsy te hivavaka isika dia tokony hivavaka mandra-pahatonga antsika ho te-hivavaka.”2

  7. Rehefa niova fo ianao dia miandrandra ny andro Alahady satria Sabata izany. Raha tokony hieritreritra ianao rehefa tonga ny Alahady hoe: “Andray, andro tsy hahafahako mandehandeha miaraka amin’ny namako indray ity na mandeha mijery sarimihetsika,” dia lasa mieritreritra hoe: “Mahafinaritra! Andro iray ity ahafahako manatrika any am-piangonana sy mifantoka amin’ny zavatry ny fanahy ary manokana fotoana miaraka amin’ny fianakaviako!”

    Sary
  8. Rehefa niova fo ianao dia mitandrina ny didy ary tsy mitady fialan-tsiny na manamarin-tena amin’ny tsy mety atao, na miezaka mitady antony hahafahana mandika ireo didy. Tsy miezaka manakisaka ireo fetra ianao fa mitandrina fotsiny ireo didy satria fantatrao fa izany no tsara indrindra.

  9. Sary

    Rehefa niova fo ianao dia miandrandra ny fotoana handoavanao ny fahafolonkarenanao. Raisinao ho toy ny tombontsoa manokana izany ary mahatsapa ianao fa tsy tena betsaka izany hoe 10 isan-jato izany, indrindra rehefa ampitahaina amin’ireo fitahiana sy fahafahampo izay azonao. Mahaleo lavitra noho ilay vola naloanao ireo fitahiana azo.

  10. Sary

    Rehefa lasa miova fo ianao dia manana faniriana mahery vaika hanampy ny hafa hahafantatra ny fahamarinana sy ny fahasambarana izay efa hitanao. Ohatra tsara avy amin’ny soratra masina ny nofin’i Lehia, izay nananany faniriana mahery vaika tokoa hizara tamin’ny ankohonany ilay voankazo fy avy amin’ilay hazon’aina. Rehefa nandray tamin’ilay voa izy dia tsy ny haka bebe kokoa ho an’ny tenany no tonga voalohany tao an-tsainy fa ny hitady ny ankohonany mba hahafahan’izy ireo ihany koa mandray amin’ilay voa sy hahatsapa fifaliana mitovy amin’izay tsapany (jereo ny 1 Nefia 8:12).

Raha fintinina dia fantatrao hoe lasa niova fo ianao rehefa manomboka miaina ilay lalàna ambonimbony kokoa, dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miaina ny fanahin’ny lalàna ianao sady miaina ihany koa ny tenin’ny lalàna. Miaina ny filazantsara ianao eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Miaina ny filazantsara amin’ny fahafenoany ianao, tsy hoe satria tsy maintsy manao izany fa satria te-hanao izany kosa. Olona faly kokoa ianao ary tsara fanahy kokoa, ary te ho tonga ilay olona izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavanao. Te ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ianao ary hanaraka ny ohatra nasehony. Rehefa lasa ho izany olona izany ianao dia tena efa niova fo tokoa.

Fanamarihana

  1. Manuel 2: Administration de l’ Église (2010), 8.1.3.

  2. Ezra Taft Benson, “Pray Always,” Liahona, Jona 1990, 4.

Sary natao hanaingoana © IRI; Mandevina ny Sabany ireo Antia-Nefia-Lehia, nataon’i Del Parson © IRI

Etsy ambony: sary natao hanaingoana © IRI; vola madinika © isStockphoto.com/Thinkstock; NY FAHITAN’I LEHIA NY HAZON’AINA, NATAON’I Robin Luch © IRI