2013
Inona no atao hoe Tena Namana?
Aprily 2013


Ry Tanora, Mahereza

Inona no atao hoe Tena Namana?

Sary
Elaine S. Dalton

Niova ny famaritana ny hoe namana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mifandray be amin’ny alalan’ny teknôlôjia. Amin’izao fotoana izao dia mety hihevitra isika hoe manana “namana” maro. Marina izany: ankafizintsika ny fahafahana mahazo vaovao sy maharaka tsara izay zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny maro amin’ireo olona mifandray amintsika sy eo ihany koa ireo namana ankehitriny sy taloha sy ireo olona izay tsy mbola nihaona tamintsika akory aza izay antsointsika hoe namana.

Ao anatin’izao tontolon’ny serasera izao dia matetika ny teny hoe “namana” no ampiasaina mba hilazana olona afaka mifandray amintsika fa tsy olona izay mifandray amintsika. Afaka mandefa hafatra ho an’ireo “namanao” ianao, saingy izany dia tsy mitovy amin’ny hoe manana fifandraisana mivantana amin’ny olona iray.

Indraindray dia ny hananana namana no maha sahiran-tsaina antsika. Angamba isika tokony hifantoka amin’ny fahatongavana ho namana.

Misy famaritana maro ny amin’ny dikan’izany hoe lasa namana izany. Tsy ho adinoiko na oviana na oviana ny nahenoako ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay niresaka mikasika ny dikan’izany hoe ho namana izany sy ny hery mitaona mahery vaika entin’ireo namana eo amin’ny fiainantsika. Ny famaritana nomeny dia nisy fiantraikany maharitra teo amin’ny fiainako. Hoy izy hoe: “Ny namana dia olona manamora ny fiainanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”1 Amin’izay heviny izay, ny fikatsahana ny zavatra tsara indrindra any amin’ny olona iray hafa no tena mahatonga ny hoe tena finamanana marina. Izany dia midika hoe mametraka ny olon-kafa ho lohalaharana. Izany dia midika hoe ho marin-toetra tanteraka, sy marina ary madio ara-pitondrantena eo amin’ny zavatra atao rehetra. Angamba ilay teny hoe fanoloran-tena no manampy antsika hahatakatra ny tena dikan’ny hoe finamanana.

Fony 15 taona i Emi zanakay, dia nandray fanapahan-kevitra izy mikasika izay karazana namana tokony hotadiavina. Tsikaritro indray maraina fa nisokatra teo amin’ny Almà 48 ny Bokin’i Môrmônany. Nasiany marika ireo andininy izay mamariparitra ny Kapiteny Môrônia: “Ary i Môrônia dia lehilahy matanjaka sy mahery; lehilahin’ny fahatakaran-tsaina fanaperana izy. … Eny, ary izy dia lehilahy izay niorina mafy tao amin’ny finoana an’i Kristy” (andininy faha 11, 13). Tery an-tsisiny dia nasiana soratra hoe: “Te hiaraka amin’ny lehilahy sy hanambady lehilahy toa an’i Môrônia aho.” Rehefa nandinika an’i Emi aho, sy ny karazana zatovolahy izay nifandray taminy ary taty aoriana niaraka taminy rehefa feno 16 taona izy, dia nahita fa niezaka ny hanana ireo toetra ireo izy ary nanampy ny hafa niaina araka ny maha zanakalahin’Andriamanitra azy ireo sy mpihazona fisoronana, ary ho ray sy mpitarika amin’ny ho avy.

Ny tena namana marina dia mitaona ireo izay mifandray aminy “hiakatra ambonimbony kokoa [sy] ho tsaratsara kokoa.”2 Afaka mifanampy ianareo, indrindra indrindra ianareo zatovolahy, mba hiomana sy hanompo hanao asa fitoriana mendrika. Afaka mifanampy ianareo mba hijanona ho madio fitondrantena. Afaka manana fiantraikany mandrakizay, tsy eo amin’ny fiainan’ireo izay mifandray aminareo ihany akory ny fitaomanareo ho amin’ny tsara sy ny finamananareo, fa eo amin’ny taranaka maro izay hifandimby koa.

Nantsoin’ny Mpamonjy hoe Namany ireo Mpianany. Hoy Izy hoe:

“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

“Hianareo no sakaizako, raha manao izay andidiako anareo.

“Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:12–15; nasiana fanamafisana).

Rehefa miaina sy mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao dia hanintona ho any aminao ireo olona izay te ho namanao—fa tsy hoe olona mifandray aminao fotsiny ao amin’ny tambajotra iray fifaneraserana ao amin’ny Internet, fa ilay karazana namana izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny teniny sy ny ohatra nasehony. Rehefa miezaka ianao ny ho naman’ny hafa ary hamela ny fahazavanao hamirapiratra, dia hitondra fitahiana ho an’ireo izay mifandray aminao ny fitaomanao. Fantatro fa raha mifantoka amin’izay hahatongavanao ho namana ho an’ny hafa ianao, araka izay nofaritan’ireo mpaminany sy ireo ohatra ao amin’ny soratra masina, dia ho lasa sambatra ianao ary ho lasa mpitaona ho amin’ny tsara eo amin’izao tontolo izao ary indray andro any dia handray ilay fampanantenana feno voninahitra izay voalaza ao amin’ny soratra masina mikasika ny tena finamanana: “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ny voninahitra mandrakizay” (F&F 130:2).

Sary

Sary natao hanaingona © iStockphoto.com/Fonikum, ary nalain’i Les Nilsson

Fanamarihana

  1. Robert D. Hales, “This Is the Way; and There Is None Other Way,” ao amin’ny Brigham Young University Speeches of the Year, 1981–82 (1982), 67.

  2. Gordon B. Hinckley, “The Quest for Excellence,” Liahona, Sept. 1999, 8.