2013
Inona no Antony Ilantsika ny Bokin’i Môrmôna
Aprily 2013


Inona no Antony Ilantsika ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Ny Baiboly Masina, Ny Bokin’i Môrmôna

Sary nataon’i Bryan Beach; nalaina tamin’ny horonan-tsary iray © 2001 IRI

Mety hanontany anao ny olona sasantsasany hoe inona no antony ilantsika ny Bokin’i Môrmôna nefa efa ananantsika ny Baiboly. Raha ny marina dia nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa hitranga izany (jereo ny 2 Nefia 29:3). Misy antony maro mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho manan-danja amin’izao androntsika izao (jereo ohatra ny 2 Nefia 29:7–11). Ireto misy antony vitsivitsy fotsiny mahatonga azy io ho zava-dehibe.

Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy

Asehon’ny soratra masina amintsika ny fomba iray fampiasana vavolombelona maro hanorenana fahamarinana ato amin’ny Fiangonanan’i Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy vavolombelona iray hafa ankoatra ny Baiboly amin’ny maha vavolombelon’i Kristy azy. Ny Loholona Mark E. Petersen (1900–84) avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny indray mandeha hoe: “Ny antony voalohany ananantsika ny Bokin’i Môrmôna dia ny hoe amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra. (Jereo ny 2 Kor. 13:1.) Ananantsika ny Baiboly; ananantsika ihany koa ny Bokin’i Môrmôna. Mandrafitra rakitsoratra roa izy ireo—boky soratra masina roa—avy amin’ny vahoaka roa fahiny izay nifanalavitra be, izay samy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo.”1 Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nanampy hoe: “Tsy tokony ho adinointsika fa ny Tompo mihitsy no nanolotra ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona lehibe indrindra momba Azy.”2

Ny Fahafenoan’ny Filazantsara

Fantatsika fa “zavatra tsotra sy sarobidy … [no] nesorina tanatin[‘ny]” Baiboly tao anatin’ny vanim-potoana iray (1 Nefia 13:40). Manazava ny fotopampianaran’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna ary mamerina ny fahafenoan’ny filazantsara ho ety ambony tany indray (jereo ny 1 Nefia 13:38–41). Ny Bokin’i Môrmôna ohatra dia manampy antsika hahafantatra fa ny batisa dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanitrihana (jereo ny 3 Nefia 11:26) ary ny zaza madinika dia tsy ilaina atao batisa (jereo ny Môrônia 8:4–26).

Ivon’ny Fiangonana naverina tamin’ny Laoniny

Nijoro ho vavolombelona i Joseph Smith fa ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fivavahantsika.”3 Noho ny fahafantarantsika izany dia toa tsy fifanojoan-javatra raha toa ka tamin’ny 6 Aprily 1830 no nanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 11 andro monja taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna ho azon’ny tsirairay ho vidiana, tamin’ny 26 Marsa 1830. Tsy naorina ny Fiangonana raha tsy teo am-pelatanan’ireo mpikambana ho ao aminy ny vato ifaharany.

Fitahiana eo amin’ny Fiainantsika

Raha ny mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra i Joseph Smith hoe: “hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.”4 Manana hery izy io hanova fiainana—an’isan’izany ny anao sy ny an’ireo izay izaranao ny Bokin’i Môrmôna. Nanamarina ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa “Tena azo antoka fa misy fiantraikany eo amin’ny toetranao sy ny herinao ary ny herim-ponao ho vavolombelon’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Hankahery sy hitarika ary hanome fahatokiana ho anareo ny fotopampianarana sy ireo ohatra feno herim-po ao amin’ io boky io. … Ny fandalinana amim-bavaka ny Bokin’ i Môrmôna dia hanorina finoana an’ Andriamanitra Ray, sy ny Zanaka Malalany ary ny Filazantsarany. Hanorina ny finoanareo an’ireo mpaminanin’ Andriamanitra fahiny sy ankehitriny izany. … Afaka mampanatona anareo akaikikaiky kokoa an’ Andriamanitra izany boky izany mihoatra noho ireo boky hafa. Afaka manova ny fiainana ho amin’ ny tsaratsara kokoa izany.”5

Fanamarihana

  1. Mark E. Petersen, “Evidence of Things Not Seen,” Ensign, Mey 1978, 63.

  2. (The Teachings of Ezra Taft Benson, (1988), 204.

  3. Joseph Smith, ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  4. Joseph Smith, ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  5. Henry B. Eyring, “Vavolombelona iray,” Liahona, Nôv. 2011, 69–70.

Ireo Lesona Alahady

Ny Lohahevitra amin’ity Volana ity: Ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny Laoniny