2013
Aza Miala!
Mey 2013


Aza Miala!

Miorena mafy. Aoka ianareo tsy ho azo hozongozonina. “Mijoroa amin’ny fahamarinana.” Mijoroa ho toy ny vavolombelona. Aoka ianareo ho fanevan’izao tontolo izao. Mitsangàna amin’ny toerana masina.

Sary

Mijoro eto amin’ny toerana masina aho androany hariva raha mijoro eto amin’ity polpitra ity eo anatrehan’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary ireo zanakavavin’Andriamanitra mendri-kaja izay tiako ity. Fotoana tena tsara hahatongavana eto an-tany izao ary fotoana tena tsara amin’ny maha-zatovovavy. Zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra nofinidy ianareo. Manantena aho fa takatrareo ny maha izy anareo ary akory ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra anareo. Tia anareo tsirairay Izy, ary toy izany koa aho.

Izaho dia manana sary sokitra ala-tahaka vita amin’ny halimo izay mampiseho zatovovavy iray antsoina hoe Kristina. Ilay sary sokitra any ifotony izay tena mitovy habe amin’i Kristina dia mitsangana eo amin’ny fefilohan-tseranana iray any Copenhagen, Danemark, ary napetraka teo izy mba hijereny ny ranomasina mankany Ziona. Tsy mora ny fanapahan-keviny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana sy handao ny fonenany ary hitanareo fa ilay rivotra manohitra dia mifofofofo mafy mankany aminy. Nijoro ho mafy orina izy teo am-panaovana zavatra tena sarotra iray izay fantany anefa fa marina. Napetrak’ireo taranany teo amin’io fefilohan-tseranana izany sary sokitra izany ho mari-panajana an’i Kristina satria ilay fanapahan-keviny tamin’izay andro izay dia nisy lanjany mandrakizay ho an’ireo taranaka maro.

Maneho anareo tsirairay io sary sokitr’i Kristina io ho ahy. Ianareo dia miatrika fanapahan-kevitra manan-danja maro toa an’i Kristina sy manao safidy isan’andro izay sarotra ny sasany, ary tsy hoe hamaritra fotsiny ny hoavinareo fa ny hoavin’ny taranaka maro koa. Ianareo koa dia miatrika ireo rivotra mahery vaikan’ny fanoherana, ny fitsapana, ny fanerena ataon’ny mitovy taona amin’ny tena ary ny fahalotoana ara-pitondrantena. Kanefa mbola mijoro tsy voahozongozona ianareo ary miaina ny filazantsara eo anatrehan’ireo fitsapana tsy tapaka ao anatin’ny fiaraha-monintsika. Tarihin’ny Fanahy Masina toa an’i Kristina ianareo. Mandray fanapahan-kevitra tsara ianareo. Mahatoky sy mendri-kaja ianareo.

Izaho dia tsy afaka mieritreritra torohevitra manan-danja kokoa avy amin’ny Ray any an-danitra be fitiavana iray noho ilay fangatahany antsika tsirairay mba “hitsangana … eo amin’ny toerana masina, ary tsy hoesorina.”1 Hoy Izy hoe: Miorena mafy. Aoka ianareo tsy ho azo hozongozonina.2 “Mijoroa amin’ny fahamarinana.”3 Mijoroa ho toy ny vavolombelona.4 Aoka ianareo ho fanevan’izao tontolo izao. Mitsangàna amin’ny toerana masina. Noho izany dia zavatra tsotra iray no hafatro ho anareo tsirairay:—“Aza miala.”

Voalohany, aza miala amin’ny fisafidianana ny tsara. Tsy misy fanapahan-kevitra kely ao anatin’izao andro farany izao. Tena manan-danja lehibe ny safidy ataonareo amin’izao fotoana izao. Ny fahafahana misafidy no fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny zanany. Tafiditra ao anatin’ilay drafitry ny fahasambarana izay nosafidiantsika sy ianao ary narovantsika sy ianao izany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Manàna fiainana izay ahafahana mihaino sy maheno ny Fanahy Masina ary dia hanampy anareo handray fanapahan-kevitra tsara izy. Raha ny marina dia hilaza aminareo “ny zava-drehetra tokony hataonareo” Izy.”5

Herinandro maromaro lasa izay dia izay indray aho vao nandeha niverina tany amin’ny lisea nianarako taloha tao anatin’ny taona maro. Nanatrika fihaonamben’ny tsatòka izay notanterahana tao amin’ny efitranoben’ny sekoly aho. Rehefa nidina niditra ny lalan-tsara aho dia nisy fahatsiarovana maro nanomboka nirotsaka tato an-tsaiko. Nitovy tsara ny zavatra tsapako tamin’izay sy ny zavatra tsapako rehefa handeha hianatra tao fony zatovovavy aho—nitebiteby, tsy natoky ny tena, saro-kenatra ary tena naniry ny hahay hiray tanteraka amin’ny hafa. Niditra ilay efitranobe aho. Nisy fahatsiarovan-javatra maro indray nirotsaka tao an-tsaiko. Fantatro tsara ny antsipirian-javatra rehetra tao amin’io efitranobe io. Ny hany niova dia—izaho.

Tamin’io andro io aho dia nanana fahafahana nijoro teny an-dampihazo toy ny nataoko im-betsaka tao amin’ny lisea tamin’ny naha solontenan’ny mpianatra ahy. Hitako tao anatin’ny mpanatrika tao aza ny sasany tamin’ireo mpiara-mianatra amiko taloha—ny sasany tamin’ireo olona niarahako! Saingy tamin’ity fotoana ity dia tsy nitarika fivoriana aho fa nanana fahafahana—tao amin’io efitranoben’ny liseako io—“hijoro ho vavolombelona”6 sy hizara ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Ry zatovovavy aoka ny fifandraisanareo amin’ny hafa ho toy ny tamin’ny 40 taona lasa toy izany ary tsy miova hatramin’izao, dia tsy ho menatra ianareo. Tsy mendrika ny hanaovana marimaritra iraisana ny fanerena mafy ataon’ny tanora mitovy taona amin’ny tena, na ny fahafahana miditra amin’ny vondrona iray, na ny fahazoana laza. Ny fitarihana amin’ny tsara asehonareo amin’ny zatovolahy dia hanampy azy ireo hitoetra ho mendrika ny hanana ny herin’ny fisoronany sy hanao fanekempihavanana any amin’ny tempoly ary hanao asa fitoriana. Ary iza no mahalala? Rehefa efapolo taona any aoriana any dia mety hisy iray amin’izy ireo hanatona anao mihitsy ao amin’ilay efitranoben’ny liseanao ary hisaotra anao noho ny fanampianao azy hitoetra ho mendrika mba hanatanterahany ny andraikiny ao amin’ny fisoronana mba hanaovany asa fitoriana amim-pahamendrehana. Ary iza no mahafantatra? Mety hahazo taratasy iray avy amin’ny iray amin’ny vadin’ireo zatovolahy ireo ianao, izay misaotra anao izy noho ny fitarihana amin’ny tsara nentinao teo amin’ny vadiny sy ny fianakaviana ho aorin’izy ireo tamin’ny fotoana nianaranao tany amin’ny lisea. Tena manan-danja ny safidy ataonareo. Tsy hoe hisy fiantraikany aminareo fotsiny ihany ny safidy ataonareo fa hisy fiantraikany amin’ny hafa koa. Manan-danja mandrakizay izy ireo. Aza miala!

Faharoa, aza miala amin’ny fanirianareo sy fanoloran-tenanareo hitoetra ho tsara toetra sy hadio ara-pitondrantena. Kolokoloy ny hatsaran-toetra. Ny fahadiovanareo manokana no iray amin’ireo loharanon-kery lehibe indrindra. Rehefa tonga teto an-tany ianareo dia nomena ny fanomezana sarobidin’ny vatana. Fehezin’ny sainao ny vatanao ary fanomezana masina izay entina hampiharana ny fahafahana misafidy izany. Fanomezana tsy azon’i Satana izany. Ary noho izany dia saika afantony any amin’ny vatanao daholo ny fanafihany rehetra. Tiany ianao hanambany sy hanimba ary hanararaotra ny vatanao. Ny tsy fahamaotinana, ny pôrnôgrafia, ny fahavetavetana, ny tombokavatsa sy ny tevika, ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny fiankinan-doha amin’ny karazan-javatra maro no ezaka lehibe atao mba hakana io fanomezana sarobidy io ary hanakanana anao tsy hampihatra ny fahafahanao misafidy. Nanontany i Paoly hoe, “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?”7

Tempoly ny vatanao. Nahoana? Satria tsy hoe manana hery hampitoetra ao aminy ny fanahinao mandrakizay fotsiny izany fa ireo fanahy mandrakizain’ny hafa koa izay ho tafiditra ao anatin’ny fianakavianao mandrakizay. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Ny hery hanamboarana aina iray dia hery tena ambony.”8 Asa tena ambony ilay asa nomena anareo. Nomen’Andriamanitra fitokisana masina ianareo! Miomana ny ho renin’ireo taranaka ho avy ianareo atsy ho atsy. Aoka ianareo ho madio sy mendrika, ary hiambina ilay zavatra izay “soa sy sarobidy indrindra ambonin’ny zava-drehetra”—ny fahadiovanareo sy ny hasinareo.9 Ny torohevitra feno fahendrena omen’ny Ray any an-danitra anareo zanakavavy nofinidiny manokana dia ny hoe “mandeha … amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra.”10

Tena zava-dehibe ho an’ny tempoly ny hatsaran-toetra. Noho izany, fahatelo, aza miala amin’ny fahamendrehana hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina. Ny fanekempihavanana nataonareo tamin’ny batisa dia hampijanona anareo eo amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra sy hanome fifaliana anareo rehefa manavao izany isan-kerinandro ianareo amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonareo tamin’ny batisa ianareo dia hiova ianareo, hiova ny fomba fiakanjonareo ary tsy hitovy amin’ny an’izao tontolo izao ny fihetsikareo. Hanome fahafahana anareo mba hotarihan’ny Fanahy Masina ny fitandremana izany fanekempihavanana izany. Mitsangàna amin’ireo toerana masina, ary aza manakaiky tontolo na koa mozika, fampitam-baovao na ireo fikambanana izay mety hahatonga anao tsy hanana ny finamanan’ny Fanahy Masina.11 Ary rehefa mitandrina ny fanekempihavananareo ianareo dia hijanona mendrika sy ho vonona ny hiditra ny tempoly masin’ny Tompo.

Farany, aza miala amin’ilay fahalalanareo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ho anao sy ho ahy ny Sorompanavotana. Hery manome fahafahana manao zavatra sy manavotra izany. Raha toa ianareo ka mahatsapa ho tsy mendrika ny hitsangana eo amin’ny toerana masina dia aza lanjaina iray andro fanampiny intsony izany vesatra izany. Manao fahadisoana daholo isika rehetra eto an-tany. Matokia fa tena tia anareo ny Mpamonjy ka nataony izay ahafahanareo miova sy mibebaka raha manao fahadisoana ianareo. Tsy tian’i Satana ianareo hieritreritra hoe afaka miova.12 Hiezaka ny handresy lahatra anareo izy fa tsy misy fanantenana intsony. Lainga izany. Afaka miverina ianareo. Afaka mibebaka ianareo. Afaka ny ho madio sy masina ianareo noho ilay Sorompanavotan’ny Mpamonjy tsy manam-petra.

Mamela ahy ianareo hamarana amin’ny alalan’ny iray amin’ireo tantaram-pitiavana tsara indrindra notantaraina hatramin’izay. Mety hanontany ianareo hoe: “Inona no idiran’ny tantaram-pitiavana amin’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina?” Tena misy idiran’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina tokoa izany. Tantaran’ny zatovovavy iray antsoina hoe Rebeka izy ity.13

Araka ity tantara ity dia nasain’i Abrahama nitady tovovavy mendrika ho vadin’i Isaka zanany lahy ny mpanompony. Tsy maintsy ho olona iray izay mendrika ny hanao fanekempihavanan’ny fanambadiana izy—tsara toetra sy madio ary mendrika. Noho izany dia nandefa ny mpanompony hanao dia lavitra sy nampidi-doza tany amin’ny toerana iray nantsoina hoe Harana izy. Ny antony nandehanany tany dia mazava—mila mitady vehivavy masina ny lehilahy masina mba hitoetra eo anilan’izy ireo. Rehefa nanakaiky ilay tanànan’i Nahora ilay mpanompo dia nijanona teo amin’ny fantsakana iray izy mba hampisotro rano ny ramevany ary hivavaka mba ho voatarika any amin’ilay tovovavy mahafeno ny fepetra ary mba ho fantany fa izay manolo-tena ny haka rano ho azy sy ny ramevany 10 no izy. Efa nitaingina rameva aho izao ary ity no tena fantatro—misotro rano be dia be ny rameva!

Hitantsika ao amin’ny Genesisy fa tsy hoe nankeo amin’ny fantsakana fotsiny izy dia naka rano fa nanao izany “faingana,”14 na hoe mailamailaka nanatanteraka ilay asa. Dia nampanaovan’ilay mpanompo an’i Rebeka ireo fehin-tanana sy firavaka ary nanontany izy raha toa ka misy toerana azony ipetrahana ao amin’ny tranon-drainy. Azoko antoka fa nandaitra tokoa ny fanomezana ireo firavaka! Hoy ny soratra masina hoe: “Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ny tao an-tranon’ny reniny.”15 Tena mahery mihazakazaka mihitsy angamba i Rebeka!

Nolazain’ilay mpanompo tamin’ny fianakavian’i Rebeka ny tanjon’ilay dia lavitra nataony, dia nanaiky ny ho vadin’i Isaka i Rebeka. Naniry ny handeha hiaraka amin’i Rebeka ny ampitson’izany avy hatrany ilay mpanompo saingy niangavy azy ny fianakaviany mba hijanona hiaraka amin’izy ireo mandritra ny 10 andro aloha i Rebeka farafahakeliny. Avy eo dia nanontanian’izy ireo i Rebeka hoe inona no hataony dia tsotra ny valinteniny hoe “Handeha aho.”16 Moa ve tsy valinteny efa faheno izany ho an’ireo an’arivorivony izay namaly tamim-pahavononana hoe “handeha aho ary hanao”17 rehefa nanambara ny mpaminanintsika, Thomas S. Monson fa ny zatovolahy sy ny zatovovavy ankehitriny dia afaka manana fahafahana hanao asa fitoriana ao anatin’ny taona latsaka kely noho ny teo aloha?

Toy izao ny lesona tsara avy amin’izany tantara izany sy ny fiafarany: voaomana ary mendrika mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary ho lasa vadin’i Isaka ao anatin’ny fanekempihavanana i Rebeka. Tsy nila niandry sy nanoman-tena izy. Talohan’ny nandaozany ny fianakaviany dia nomena tsodrano izy, ary nampihetsi-po ahy ny teny tao anatin’izany satria nampanantenaina izy fa ho lasa “renin’olona alinalina.”18 Saingy ny ampahany tena tsara ao anatin’ity tantaram-pitiavana ity dia ny fotoana nahitan’i Rebeka voalohany an’i Isaka sy ny fotoana nahitan’i Isaka voalohany an’i Rebeka. Tsy voalaza ao anatin’ny Baiboly izany saingy mieritreritra aho fa tonga dia raiki-pitia izy ireo! Satria “ny hatsaran-toetra tia hatsaran-toetra; [ary] ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana.”19 Rehefa nivoaka hitsena an-dry zareo nanao dia lavitra i Isaka dia “nidina faingana niala tamin’ny rameva[ny] [i Rebeka].”20 Nilaza izany avy eo hoe, “Ary tia azy izy.”21 Eto aho vao misento!

Ho an’i Kristina sy Rebeka dia tsy mora ny fitsanganana teo amin’ny toerana masina. Tsy mora ny hoe tsy miala. Nifofofofo mafy ny rivotra, navesatra ny rano avy ao amin’ny fantsakana ary tena tsy mora ny nandao ny fonenany sy ny fiainany teo aloha izay nahazatra azy ireo. Saingy nanao safidy tsara izy ireo. Notarihan’ny Fanahy Masina izy ireo. Tsara toetra izy ireo, ary nanomana ny tenany mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina. Taranak’i Rebeka ny Mpamonjy. Moa ve fantany tamin’izany fa hitranga izany? Tsia! Moa ve manan-danja ny safidy ataonao ankehitriny? Eny!

Ry zatovovy, miankin-doha amin’ny safidy ataonareo, ny fahadiovanareo, ary ny fiainana mendrika anareo ny taranaka maro. Aza miala. Manana hoavy lehibe ianareo eo anoloanareo. Izao no fotoanareo! Tena mino aho fa afaka manova an’izao tontolo izao ny zatovovavy tsara toetra iray tarihin’ny Fanahy!

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Mpamonjy! Hiaraka aminareo Izy. Hanome anareo fahafahana hanao zavatra Izy. Ary “hanodidina anareo ny anjeli[ny] mba hanohana anareo”22 amin’ny fotoan-tsarotra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.