2013
Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika
Mey 2013


Niteny Tamintsika Izy ireo

Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Manondro ny pejy voalohan’ny lahateny ireo laharan’ny pejy voatanisa miaraka amin’ny hevitra.

Ho an’ny ankizy

  • Niresaka mikasika ny maha zava-dehibe ny fankatoavana sy ny fiterahan’ny tsy fankatoavana voka-dratsy mandrakariva ny Filoha Thomas S. Monson (pejy 89). Mieritrereta fotoana iray nankatoavanao ireo fitsipi-pifehezan’ny mpianakavy. Azonao lazaina ve ny mikasika ny fotoana iray nankatoavanao ireo lalàn’Andriamanitra? Inona no tsapanao rehefa nankatò?

  • Nitantara mikasika ny zazavavy kely iray izay namboly voatabia avy amin’ny voa bitika iray ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (pejy 18). Vakio na avereno tantaraina io tantara io rehefa miresaka momba ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fomba hahafahanao ho tonga tahaka ny Ray any an-danitra ny fianakaviana. Afaka mametraka tanjona hanao zavatra iray hampanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra ianao.

  • Niresaka mikasika ny zavatra mahatonga ny fianakaviana ho matanjaka ny Loholona Enrique R. Falabella ao amin’ny Fitopololahy (pejy 102). Nampianatra izy fa ny sasany amin’ireo teny manan-danja ampiasaina ao amin’ny fianakavianao dia ny hoe “tiako ianao,” “Misaotra betsaka,” ary “Mamela ahy.” Nanoro hevitra Rahavavy Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany mba hitenenana hoe “Tiako daholo ny momba anao rehetra.” (pejy 81). Jereo ny zavatra miseho rehefa mampiasa ireo teny ireo ao amin’ny fianakavianao ianao. Mahafaly azy ireo ve izany? Inona no tsapanao?

Ho an’ny Tanora

  • Nampianatra fitsipika efatra ny Filoha Thomas S. Monson mba hiomanana hanao asa fitoriana—tsy amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno ihany fa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana koa (pejy 66). Afaka mandalina ny lahateniny amin’ny fametrahana ao an-tsaina ity fanontaniana ity ianao manao hoe: Inona no azoko atao mba hahatonga ahy ho misiônera tsara kokoa amin’izao fotoana izao?

  • Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tsy maninona ny manana ahiahy sy fanontaniana, fa nampianatra koa izy hoe : “Hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa. … [Aoka ianareo] hiorim-paka amin’ny finoana izay tena anananareo” (pejy 93). Soraty ao amin’ny diarinao ny zavatra inoanao, ny fijoroanao ho vavolombelona, ary ireo traikefa ara-panahy niainanao. Soraty ihany koa ireo fanontaniana anananao ary tehirizo izy ireo mba hahafahanao mitady valiny rehefa mamaky ny soratra masina sy ity lahateny ity.

  • Maro tamin’ireo mpandahateny no niresaka mikasika ny fankatoavana sy ny fitahiana avy amin’izany. Ny Filoha Monson ohatra dia nampianatra hoe: “Tonga eo amintsika ny fahalalana ny fahamarinana sy ny valin’ireo fanontaniana lehibe ananantsika rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika” (pejy 89). Halalino ity lahateny ity mba hanipihana na hanoratana ireo fitahiana maro noho ny fankatoavana. Ny fahitana ireo fitahiana ireo dia afaka mitaona ny fanahinao hanohy hiaina amim-pahamarinana.

  • Maro tamin’ireo mpandahateny no nampianatra fa afaka manompo amin’ny fotoana rehetra ianao, fa tsy mandritra ireo tetik’asa fanaovana asa fanompoana ihany. Nampianatra hoe “Manompoa isan’andro” Rahalahy David L. Beck, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany. “Feno zavatra atao manodidina anareo.” Afaka mamaky ohatra vitsivitsy mikasika ny tanora manompo ny hafa ianao ao amin’ny lahatenin’ny Rahalahy Beck (pejy 55).

Ho an’ny Olon-dehibe

  • Maro tamin’ireo mpandahateny no nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Inona no azonao ianarana mikasika ny toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ny iraka nampanaovina Azy, ary ny asa fanompoany ao amin’ireo lahateny ao amin’ny pejy 22, 70, 96, 99, ary 109?

  • Mikasika ireo mpaminany sy ny fanambarana ny lohahevitry ny fandaharam-pianarana ho an’ny zatovo ho an’ny volana Mey. Raha mampianatra zatovo ao amin’ny Fiangonana ianao na manana zanaka zatovo, dia afaka mifanakalo hevitra miaraka amin’izy ireo momba ny fandaharam-pianarana sy ity fanontaniana ity: Nahoana no zava-dehibe ny mihaino sy manaraka ireo mpaminany velona? Halalino ity lahateny ity mba hitadiavana ireo faminaniana sy fampitandremana izay, raha henoina, dia hanampy antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

  • Mpandahateny maro no nifantoka tamin’ny fampatanjahana ny fianakaviana. Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ohatra dia nampianatra hoe “Misy ny fiadanana sy fahatoniana rehefa [ny Mpamonjy] no ivon’ny tokantranonao” (pejy 29). Mitadiava fomba maro hanomezana toerana ny Mpamonjy ho ivon’ny tokantranonao rehefa mandalina ny lahatenin’ny Loholona Scott ianao, torak’izany koa ireo lahateny ao amin’ny pejy 6, 81, 83, ary 102.