2013
Ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-183 dia Nahitana ny Fanohanana ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany Vaovao
Mey 2013


Ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-183 dia Nahitana ny Fanohanana ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany Vaovao

“Nahatsapa zavatra tao am-pontsika isika,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fivoriana famaranana ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-183 tamin’ny 7 Aprily 2013, “ary lasa natanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ity asa masina ity rehefa nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo isika. Enga anie hotsaroantsika maharitra ny zavatra rentsika nandritra izay roa andro izay.”

Olona mihoatra ny 100.000 no nanatrika ireo fivoriana dimin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tao amin’ny Foiben’ny Fihaonambe ao Salt Lake City, Utah, États-Unis, ny 6 sy 7 Aprily. Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nijery sy nihaino izany tamin’ny alalan’ny fampitana izany tamin’ny fahitalavitra, zanabolana, radiô ary internet. Afaka nahazo ny fihaonambe tamin’ny fiteny 95 ny mpikambana tao anatin’ireo fampitana mivantana sy ireo horonan-tsary sy horonam-peo ary lahatsoratry ny fihaonambe tao amin’ny internet ao amin’ny LDS.org.

Nosokafan’ny Filoha Monson tamin’ny fanambarana ny fikasana hanorina tempoly any Cedar City, Utah, États-Unis sy Rio de Janeiro, Brésil ny fihaonambe isan-taona—izay mahatonga ny fitambaran’ny isan’ny tempoly nambara na eo an-dalan-pitsanganana ho 29. Tempoly141 amin’izao fotoana izao no miasa.

Nisy ny fanovana maro teo amin’ny mpitarika ny Fiangonana nandritra ny fivoriana Sabotsy tolakandro. Nisaorana ny olona rehetra tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ary nisaorana tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Walter F. González. Fitopololahin’ny Vondrom-paritra iraika amby dimampolo koa no nisaorana.

Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Ulisses Soares tao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy.

Notohanana ho fiadidiana vaovaon’ny Zatovovavy maneran-tany i Bonnie Lee Green Oscarson, filoha; Carol Foley McConkie, mpanolotsaina voalohany; ary Neill Foote Marriott, mpanolotsaina faharoa.

Notohanana koa ireo mpikambana telo vaovao ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy: Loholona Edward Dube avy any Zimbabwe; Loholona S. Gifford Nielsen avy any Sugar Land, Texas, États-Unis ary Loholona Arnulfo Valenzuela avy any Queretaro, Mexique. Notohanana koa ireo mpikambana dimy vaovao ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy.

I Elaine S. Dalton, izay filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha dia nanompo nandritra ny 11 taona tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, na tamin’ny naha mpanolotsaina na naha filoha azy izany, talohan’ny nisaorana azy tamin’ny volana Aprily.

Jereo ao amin’ny pejy 26 ny lisitra feno ahitana ireo fanohanana sy fisaorana.

Jereo ny tantaram-piainan’ireo mpitarika vaovao nantsoina ireo manomboka ao amin’ny pejy 139.