2013
Bonnie L. Oscarson
Mey 2013


Bonnie L. Oscarson

Filohan’ ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Bonnie L. Oscarson

Nandritra ny naha mpiasa azy tao amin’ny Tempolin’i Stockholm Suède nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’ny 2012, dia hitan’i Bonnie Lee Green Oscarson ny fahafoizan-tena nasehon’ireo Olomasin’ny Andro Farany avy any Suède, Norvège ary Lettonie mba hivavahana any amin’ny tranon’ny Tompo.

Tsy fantany anefa tamin’izany fa ireo lesona izay nianarany avy tamin’ireo mpikambana “tena manetry tena sy faran’izay mavitirika sy manolo-tena” ireo dia hanampy azy hifantoka amin’ny maha filohan’ny Zatovovavy maneran-tany azy.

“Satria maro ireo zatovovavy izay misafidy ny hanao asa fitoriana sy hiditra ny tempoly ao anatin’ny tena fahatanorany ankehitriny dia manantena aho fa hanampy azy hahatakatra ny fomba hanampiana azy ireo hiomana ny traikefa azoko tamin’ny niasa tany amin’ny tempoly,” hoy izy.

I Bonnie Lee Green dia naterak’i Theo James sy Jean S. Green tamin’ny Ôktôbra 1950 tany Salt Lake City. Rehefa nanapa-kevitra ny ray aman-dreniny fa tian’izy ireo hahita ny Fiangonana any ivelan’i Utah ny zanany dia nifindra tany Oklahoma, États-Unis i Bonnie izay sivy taona sy ny fianakaviany. Nipetraka fotoana kely tany Colorado sy Tennessee koa ilay fianakaviana talohan’ny nifindrany tany Missouri, izay nahitan’i Bonnie an’i Paul Kent Oscarson tany amin’ny toerana misy ny tempoly tao Far West, Missouri—toerana tena manan-danja satria samy manana razambe niaina tao amin’ny faritr’i Far West izy ireo.

Rehefa avy nianatra tao amin’ny Brigham Young University izy ireo dia nivady tao amin’ny Tempolin’ Salt Lake tamin’ny 19 Desambra 1969. Nisy zanaka fito tonga tao amin’ny fianakavian’izy ireo taty aoriana.

Vao 25 taona monja Rahavavy Oscarson tamin’ny fotoana niantsoana ny vadiny—izay nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Suède nanomboka tamin’ny 1965 ka hatramin’ny 1968—hitantana ny Misionan’i Göteborg Suède.

Rehefa niverina tany États-Unis ry Oscarson mianakavy dia nipetraka tany Missouri, New Jersey, Massachusetts, ary Texas izay niasan-drahalahy Oscarson tamin’ny naha filoha lefitry ny departemanta misahana ny famatsian’entana teo amin’ny faritra azy. Nahafaly an-drahavavy Oscarson toy ny ray aman-dreniny ny nipetraka tany amin’ny faritra izay vitsy ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Rahavavy Oscarson dia efa filohan’ny Zatovovavy in-telo, mpampianatra seminera vao maraina nandritra ny sivy taona ary mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara.