2013
Carol F. McConkie
Mey 2013


Carol F. McConkie

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidian’ ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Carol F. McConkie

Efa hatrany amin’ny fahakeliny i Carol Foley McConkie no “nanana faniriana ny handeha ho any amin’ny tempoly.” Nitantana ny zavatra nataony rehetra teo amin’ny fiainany izany tanjona izany.

Naterak’i Williams sy Joanne W. Foley tamin’ny Aprily 1952 tany Spokane, Washington, États-Unis izy. Mbola kely Rahavavy McConkie raha indro nandondona ny varavaran’ny ray aman-dreniny tany Wilmington, Delaware ny misiônera ary nampahafantatra ny fianakaviany ny filazantsara. Nanaiky haingana ireo fampianarana ny ray aman-dreniny na dia teo aza ny fanoherana sy ny tsy maintsy nanovana ny fomba fiainana.

Mbola zaza izy rehefa nandeha fiarandalamby namakivaky ny firenena mba hofehezina any amin’ny Tempolin’i Manti Utah ny fianakaviany.

“Tena tsara izany zavatra niainana izany,” hoy izy. “Tsaroako ny nanaovako akanjo fotsy sy ny dikan’izany ho an’ny fianakaviako. Tena nahatalanjona ny zavatra niainana tamin’izany ary na dia tena mbola kely aza aho dia tsaroako ny zavatra tsapako sy ireo fotsifotsy tsinjoko ary ny hatsaran’izany andro izany. Izany zavatra niainako izany no nanome ahy ilay faniriako voalohany hihazona foana ny tempoly ao anatin’ny fiainako.”

Lasa fanilo mitondra fanantenana ny tempoly tao anatin’ireo fotoam-pitsapana sy tamin’ny fotoanana nananany ny fianakaviany manokana.

Nihaona tamin’ny vadiny Oscar Walter McConkie III izy tamin’izy ireo nianatra tany amin’ny Oniversite Arizona State. Nahazo mari-pahaizana momba ny fampianarana ny teny Anglisy Rahavavy McConkie. Nivady tamin’ny 22 Desambra 1973 tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona izy ireo ary manan-janaka fito.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovovavy maneran-tany Rahavavy McConkie. Ireto ny ankamaroan’ny asa fanompoana efa nataony tao amin’ny Fiangonana: antso izay niompana tamin’ny fampianarana, filohan’ny Zatovovavin’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasy sy ny Kilongan’ny paroasy. Niara-nanompo tamin’ny vadiny izy rehefa nitantana ny Misionan’i San Jose Californie ny vadiny nanomboka tamin’ny 2005 ka hatramin’ny 2008.