2013
Nodimandry tamin’ny faha 106 taonany ny Loholona Eldred G. Smith
Mey 2013


Nodimandry tamin’ny faha 106 taonany ny Loholona Eldred G. Smith

Nodimandry tao an-tranony tamin’ny 4 Aprily 2013 ny Loholona Eldred G. Smith, izay Patriarikan’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1979. 106 taona izy.

Ny Loholona Smith dia ninoana fa lehilahy be taona indrindra tao Utah ary niaina ela indrindra noho izay mety ho Manampahefana Ambony teo aloha.

Novangian’i Thomas S. Monson Filohan’ny Fiangonana ny Loholona Smith tamin’ny tsingerintaona farany nahaterahany tamin’ny 9 Janoary 2013. “Namako akaiky i Eldred Smith,” hoy ny Filoha Monson. “Niaraka nanao dia an-kilaometatra maro izahay. Tiako sy hajaiko io lehilahy io.”

Nantsoin’i George Albert Smith izay Filohan’ny Fiangonana tamin’izany ho Patriarika ny Fiangonana i Eldred G. Smith tamin’ny 10 Aprily 1947, ary izy no olona farany nihazona io toerana io. Nomena ny toerana amin’ny maha olona manam-boninahitra azy izy tamin’ny 1979. Io anjara fanompoana io dia niantomboka tamin’ny 1833 rehefa nantsoina hihazona izany i Joseph Smith Sr., rain’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Loholona Smith dia zafindohalik’i Hyrum rahalahin’ny Mpaminany.

Nandritra ny asa fanompoany tamin’ny naha Patriarikan’ny Fiangonana azy, dia nitety faritra maro teto amin’izao tontolo izao ny Loholona Smith ary nanome tsodranon’ny patriarika maro tany amin’ireo faritra izay tsy nisy patriarika. Tamin’ny 1966 dia niaraka nanao dia tamin’ny Loholona Monson izy izay mbola Loholona tamin’izany, nankany Australie sy Samoa mba hanome tsodranon’ny patriarika an’ireo mpikambana tany. Izay vao nisy patriarika mpiahy nitsidika an’i Samoa. Manana patriarika mipetraka ao anatin’ny tsatòka ny ankamaroan’ny tsatòka ankehitriny.

Samy nandray fitenenana nandritra ny fandevenana ny Loholona Smith ny Filoha Monson sy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Namaky taratasy fitsapana alahelo ho an’ny fianakaviana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Monson ary nanampy izao izy avy eo: “Namoy namana vetivety fotsiny aho.”

Niresaka momba ny anjara biriky nentin’ny Loholona Smith teo amin’ny famelombelomana ny tantaran’ny fianakaviany ny Loholona Ballard izay zafindohalik’i Hyrum Smith koa. “Mankalaza azy amin’ny maha Patriarikan’ny Fiangonana sy amin’ny maha patriarikan’ny fianakaviambenay azy isika,” hoy izy. Fantany koa hoy izy raha nanohy, fa tsapan’ny Loholona Smith fa ny fianakaviany no zava-bitany lehibe indrindra.

Nanambady an’i Jeanne Audrey Ness i Eldred Smith tamin’ny 1932. Nanan-janaka dimy izy ireo. Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny tamin’ny Jona 1977 dia nanambady an’i Hortense Child izy izay nanompo tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany tamin’izany fotoana izany. Maty tamin’ny Mey 2012 izy.

Namela zanakalahy roa sy zanakavavy roa (misy zanany vavy iray efa maty) ny Loholona, ary zafikely 22 (misy roa hafa efa maty), zafiafy 63 ary zafindohalika 22.

Nandray anjara tamin’ity lahatsoratra ity i Gerry Avant.

Novangian’ny Filoha Thomas S. Monson, eo an-kavanana, ny Loholona Eldred G. Smith, izay Patriarikan’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny 1947 hatramin’ny 1979, tamin’ny tsingerintaona faha 106 taona nahaterahany tamin’ny 09 Janoary 2013. Nodimandry tao an-tranony tamin’ny 4 Aprily ny Loholona Smith.

Sary nalain’i Gerry Avant, Church News