2013
Loholona Adrián Ochoa
Mey 2013


Loholona Adrián Ochoa

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Adrián Ochoa

Tamin’ny Loholona Adrián Ochoa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tany Mexique, dia nijanona roa andro tao amin’ny tanànan’i Chihuahua izy, dia nivory niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòka sy olona hafa ary avy eo nandray fiaramanidina hody. Rehefa nipetraka tamin’ny sezany izy dia nahazo bitsika ara-panahy mahery vaika nilaza fa tsy mbola vita ny asany tany Chihuahua.

Nanomana ny fiaingana ny mpiara-miasa amin’ny fiaramanidina. “Saingy” hoy ny Loholona Ochoa hoe “Fantatro fa mila mivoaka ao amin’izany fiaramanidina izany aho.” Dia nidina izy. Nisy tafa sy dinika maro taorian’izany izay namoaka fampahalalana manan-danja izay namaha olana iray sy nahafahan’ny fianakaviana iray hivoatra ara-panahy.

Saingy mbola tsy vita ny asan’ny Loholona Ochoa tany Chihuahua. Ny Fanahy koa dia nitarika azy ho any amin’ny tokantrano mahantran’ny vehivavy havany iray izay tsy hitany nandritra ny taona maro. Hitany ity havany lavitra ity fa—lasa mpikambana mangatsiaka—ary sahirana ara-bolana ny fianakaviany. “Fantatro fa ny Fiangonana sy i Kristy no vahaolana ho azy ireo. Niangavy ilay havako aho mba hiverina any am-piangonana,” hoy izy.

Niverina navitrika ilay havany ary tafaverina tamin’ny laoniny ilay fifandraisana sarobidy teo amin’ny fianakaviana. Afaka namonjy olona maro tany Chihuahua ny Tompo satria nisy lehilahy iray nanaraka ny bitsiky ny Fanahy.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Ochoa fa afaka mahazo izany bitsika ara-panahy hanovana fiainana izany ny olona rehetra. Efa nanana antso maro tao am-piangonana izy sady niasa teo amin’ny sehatry ny fanaovana dokam-barotra. Nitantana ny Misionan’i San Pedro Sula Honduras izy nanomboka tamin’ny 2004 ka hatramin’ny 2007 ary nanomboka tamin’ny 2009 mandra-pahatongan’izao antsony ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy izao dia mpanolotsaina faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy izy.

Naterak’i Eduardo sy Consuelo Ochoa tamin’ny Martsa 1954 izy tao San Francisco, Californie, États-Unis, ary lehibe tany Californie sy Mexique. Fony izy tovolahy dia nantsoina mba hanatanteraka iraka manokana mikasika ny affaires publiques tany Mexique. Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Mexico City izy sy ny vadiny Nancy Villareal. Manan-janaka dimy izy ireo.