2013
Loholona Kevin S. Hamilton
Mey 2013


Loholona Kevin S. Hamilton

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Kevin S. Hamilton

Ny Loholona Kevin Scott Hamilton dia mamaritra ny tenany ho toy ny “vokatra iray avy amin’ny fiovam-po sy famonjena.”

Ny fahaterahany tamin’ny Martsa 1955 tao Wenatchee, Washington, États-Unis dia nampametra-panontaniana ny reniny, Kay, mikasika ny dikan’ny fiainana. Niresaka tamin’ny namany Olomasin’ny Andro Farany iray izy dia i Richard Pratt izany izay nampihaona azy tamin’ny misiônera.

Nazavain’i Norman Russell Hamilton vadiny fa mpikamban’ny Fiangonana izy na dia lasa nangatsiaka aza nanomboka tamin’ny naha-zatovo azy. Lasa navitrika tao amin’ny Fiangonana anefa izy rehefa niditra ho mpikambana ny vadiny.

“Ny ray aman-dreniko no mpikambana mahafinaritra izay nanorina ny finoana izay anananay amin’izao fotoana izao,” hoy ny Loholona Hamilton.

Mijoro ho vavolombelona anefa izy fa ny asa fitoriana sy ny fanompoana nataony tany France sy Suisse dia tena nanova ny fiainany. “Nampisy faniriana mivaivay tao anatiko izay tsy nandao ahy velively izany,” hoy izy.

Nanambady an’i Claudia Keysor ilay silam-panahiny izy tamin’ny 27 Jolay 1978 tany amin’ny Tempolin’i Los Angeles. Rehefa nitaiza ireo zanany enina tany Californie izy ireo dia nanao ny tokantranony ho toy ny toerana azo vangian’ny mpitsidika.

“Nilaza izy ireo hoe afaka manao lahateny amim-pahanginana ianao ao an-tokantranonao ary misy teny kely nindramina maro manerana ny tranonay,” hoy Rahavavy Hamilton. Ny lalantsaran’ny trano dia ahitana faritra feno Bokin’i Môrmôna sy bokikely Jeunes Soyez Forts ary boky hafa an’ny Fiangonana ka rehefa alain’ny mpitsidika izy ireo dia fenoina indray.

Ny fahavononan’ny Loholona Hamilton hanompo dia nanome fahafahana azy ho lasa eveka, filohan’ny tsatòka ary filohan’ny Misionan’i Belgique Bruxelles Pays-bas nanomboka tamin’ny 2003 ka hatramin’ny 2006. Talohan’ilay antsony ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ ny Fitopololahy dia talen’ny Filankevitry ny Affaires Publiques an’ny Fiangonana tao Californie izy izay ahitana tsatòka 64 ao amin’ilay Faritry ny Renivohitra Lehiben’i Los Angeles.

Nahazo mari-pahaizana licence tao amin’ny Brigham Young University izy sy maîtrise tao amin’ny University of Washington, izay samy momba ny fandraharahana daholo ary niasa tao amin’ny orisana misahana ny télécommunications izy ny ankamaroan’ny fotoana niasany ka tale mpanatanteraka no toerana nazoniny matetika.