2013
Loholona Randy D. Funk
Mey 2013


Loholona Randy D. Funk

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Randy D. Funk

Ny Loholona Randy Dennis Funk ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia nitantana ny fiainany tamin’ny alalan’ity fitsipika lehibe ity: “Matokia ny Tompo sy ny hatsarany.”

Nahazo ilay antso mba ho filohan’ny kôlejin’ny loholona izy nandritra ny taona fahatelo nianarany tao amin’ny sekolin’ny lalàna ary bevohoka ny zanany faharoa ny vadiny tamin’izay, ary mpiara-miasa tao anatin’ny famoahana ny lalàna nasiam-panovana izy. “Nanaiky ilay antso aho tao anatin’izany fotoana nanahirana izany ary nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra mba hanampy ahy hanompo amim-pahombiazana,” hoy izy. “Nila fanampiana aho mba hanatanterahana ny antsoko sy hahavitako amim-pahombiazana ny fianarako ary hahitana asa sy hikarakarana ilay fianakaviako vao herotrerony. Nihoatra lavitra noho izay mendrika anay ireo fitahiana azonay. Izany zavatra niainako izany dia nanome ahy finoana lehibe ny hatsaran’ny Tompo sy ny fandrotsahany ireo fitahiana eo amin’ireo izay miezaka mafy manompo Azy.”

Naterak’i C. Dennis sy Rebecca Funk tamin’ny Aogôsitra 1952 izy ary lehibe tany Manti, Utah; Madison, Wisconsin; ary Smithfield, Utah, États-Unis. Nahita ny rainy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Fiangonana izy ary nampianarina ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana.

Rehefa avy nanao asa fitoriana tany Indonésie izy dia nanambady an’i Andrea Clyde tamin’ny 29 Mey 1976, tany amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Manan-janaka enina izy ireo. Ny Loholona Funk dia nahazo mari-pahaizana momba ny tantara avy tao amin’ny Utah State University ary doctorat momba ny lalàna tao amin’ny University of Utah. Mpikambana mpitantana orinasa iray misahana ny lalàna tany Denver, Colorado izy talohan’ny nanaovany asa fanompoana mandritra ny fotoana feno tao amin’ny Fiangonana, izay nanomboka tamin’ny fiantsoana azy ho filohan’ny Misionan’i Bangalore Inde tamin’ny 2010.

“Rehefa nandeha tany Inde izahay dia nanana finoana tao anatin’ilay tenin’ny Mpamonjy hoe: ‘Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo fa na zovy na zovy no hirahinareo amin’ny anarako, amin’ny alalan’ny feon’ny rahalahinareo, ny Roambinifololahy, feperanareo sy nomenareo fahefana ara-dalàna, dia hanan-kery hanokatra ny varavaran’ny fanjakako ho an’ny firenena rehetra izay hanirahanareo azy.’ (F&F 112:21).” Ny Loholona Funk dia efa filohan’ny kôlejin’ny Loholona, filohan’ny Zatovolahy, eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.