2013
Loholona Terence M. Vinson
Mey 2013


Loholona Terence M. Vinson

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Terence M. Vinson

Ny Loholona Terence M. Vinson, izay vao nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia tsy mbola nahare velively ny teny hoe Môrmôna talohan’ny nihaonany tamin’i Kay Anne Carden tany amin’ny fiantombohan’ny taona 70 tany Sydney, Australie. Niresaka momba ny fivavahana izy roa ary nanao fifanekena tamin’ny farany. Isaky ny Alahady dia samy hiaraka hanatrika ny fiangonan’i Terence tamin’ny fahatanorany sy ny sampana kelin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Ilay vondrona iray dia nivory tao amin’ny tranobe malalaka sy tsara tarehy ary ilay iray hafa dia nivory tao anatin’ny toerana kely nofaina iray izay hany mba hitan’ireo Olomasin’ny Andro Farany vitsy an’isa.

Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia “nahasanganehana ny fampitahana,” ary nanomboka nandray ireo lesona zarain’ny misiônera i Terence. Nanana fanontaniana maro izy. Saingy rehefa nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray izy dia naharay hafatra iray tao anatiny izay mazava toy ireny nolazaina am-bava taminy ireny. “Mila miditra mpikamban’ny Fiangonana aho mba hivoarako. Hisy valiny ireo fanontaniana rehetra ananako,” hoy izy.

Natao batisa izy herinandro taorian’izany.

Naterak’i John Laurence sy May Therese A. Vinson tany Sydney, Australie i Terence Michael Vinson tamin’ny Martsa 1951. Nihafy ny rainy izay mpamonjy trano may mba hahafahan’ny zanany fito mianatra.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny mathématique sy statistiques tao amin’ny Sydney University ny Loholona Vinson ary mari-pahaizana momba ny fampianarana tao amin’ny Sydney Teachers College. Nahazo mari-pahaizana momba ny planification financière tao amin’ny Deakin University izy sy mari-pahaizana maîtrise momba ny finance appliqué tao amin’ny Macquarie University. Tao anatin’ny asa aman-draharahany dia fantatra tsara tamin’ny naha mpampianatra mathématique azy sy naha prôfesora ary mpanolotsaina ara-bola azy izy ary tamin’ny nitantanany ny orinasa iray manao fandaminana rafitr’asa ara-bola sy fampiasam-bola.

Nanambady an’i Kay Anne, ilay vehivavy nampahafantatra azy ny filazantsara, izy tamin’ny 2 Mey 1974, tany Sydney ary nofehezina tamin’ny 23 Aogôsitra 1975 tany amin’ny tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande izy mivady. Manan-janaka enina izy ireo. Nantsoina ho eveka ny Loholona Vinson telo taona taorian’ny nanaovana batisa azy. Nanompo tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka maro izy ary efa solontenam-paritra sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.