2013
Loholona Timothy J. Dyches
Mey 2013


Loholona Timothy J. Dyches

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Timothy J. Dyches

Ny iray amin’ireo anjara asa tian’ny Loholona Timothy John Dyches indrindra eo amin’ny fiainana dia ny hoe “ho vavolombelona” ary mijoro ho vavolombelona amin’ny hafa sy manampy azy ireo hanatona an’i Kristy. Na tamin’izy misiônera izany, na tao ao anatin’ny fifandraisany tamin’ny fianakaviany na tao anatin’ny fanatanterahany ny asany dia manaiky amim-pifaliana izany anjara asa sy andraikitra izany izy ary miezaka manampy ny hafa hanao torak’izany koa.

Naterak’i Milo Fredrick sy Mary Katherine Dyches tamin’ny Janoary 1951 tany Murray, Utah, États-Unis izy. Faharoa tamin’ireo zaza fito izy. Nifindra tany Elko, Nevada ny fianakaviany fony izy vao diakona izay toerana niasany tao amin’ny fivarotam-panafody an’ny dadany rehefa avy mianatra. Rehefa niara-niasa tao izy ireo dia nampianarin’ny rainy azy ny maha zava-dehibe ny fiasana mafy—zavatra izay nanampy azy koa rehefa lasa misiônera tanora tany amin’ny Misionan’i Alemana Atsimo izy nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1972.

“Henjana ilay asa fitoriana tany saingy asa fitoriana tsara izany ho ahy,” hoy izy. “Nianatra ny maha zava-dehibe ny fiasana mafy aho ary ny fankatoavana sy ny tsy filavoana lefona.”

Taorian’ny asa fitoriany dia nitohy izany fahavononana miasa izany tao anatin’ny fianarany sy ny asany ary ny andraikiny tao amin’ny Fiangonana. Nahita an’i Jill Dudley izay ho vadiny rahatrizay ny Loholona Dyches tamin’izy nianatra tao amin’ny Brigham Young University. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah izy ireo tamin’ny 26 Aprily 1974. Manan-janaka telo izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence tao amin’ny Brigham Young University mikasika ny études universitaires ny Loholona Dyches ary nanohy nianatra ka nahazo mari-pahaizana momba ny fitsaboana tao amin’ny Washington University Medical School. Ny asa aman-draharahany dia niompana tamin’ny fandidiana sofina, orona, ary tenda tany amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina tany Reno, Nevada.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy dia mpanolotsaina ny kôlejin’ny diakona tao amin’ny fikambanan’ny Zatovolahy ny Loholona Dyches. Nanompo tao anatin’ny antso maro koa izy ka tao anatin’izany ny naha Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy, filohan’ny Misionan’i Portland Oregon, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpanolotsaina avo, mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly, filohan’ny Sekoly Alahady ary mpitambokin’ny paroasy.