2013
Neill F. Marriott
Mey 2013


Neill F. Marriott

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidian’ ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Neill F. Marriott

Na talohan’ny naha mpikamban’ny Fiangonana azy aza dia nahafantatra i Neill Foote Marriott fony ankizivavy kely fa misy Andriamanitra ary tia azy Izy.

“Nanaraka ny ohatra nasehon’ny Raintsika any an-danitra ny raiko,” hoy ilay mpanolotsaina faharoa vaovao ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. “Tsy nisy fetra ny fitiavana sy ny fandraisany ny hafa. Toy ny fampitana tsotra sy nandeha ho azy ilay fitiavana sy fahatokiana nananako ho an’ny raiko teto an-tany ny nahatokiako sy nitiavako ny Raiko any an-danitra.”

Naterak’i George sy Antonia Foote tamin’ny Ôktobra 1947 tany Alexandria, Louisiana, États-Unis izy. Vavy tokana izy ary nanana anadahy zandriny enina. Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana momba ny Literatiora Anglisy sy ny fampianarana ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tao amin’ny Southern Methodist University tany Dallas, Texas, dia nifindra tany Cambridge, Massachusetts izy ka niasa toy ny mpitantsoratra tao amin’ny Harvard University. Tany no nahitany an’i David Cannon Marriott, izay nilaza taminy hoe: “Manana namana izay tiako ho hitanao aho.” Nentiny fotoana fohy taorian’izay ireo misiônera mba hampianatra azy sy ireo olona niara-nipetraka taminy.

Nilaza izy fa rehefa nihaino ny misiônera dia “nofenoin’ireo lesona ireo ny zavatra banga tao anatin’ny fahatakarako ny filazantsara.” Nijanona ho mpinamana izy sy i David taorian’ny batisany tamin’ny Mey 1970. Herintaona taorian’izay dia nanomboka niaraka izy ireo ary nivady tany amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny Jona 1971.

Niara-niasa izy mivady ka Rahavavy Marriott nijanona tany an-trano nikarakara ny zanak’izy ireo 11 ary ny vadiny kosa niasa teo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Nanompo tao anatin’ny antso maro izy ireo. Niara-nanompo tamin’ny vadiny izy rehefa nitantana ny Misionan’i Interlagos São Paulo izy nanomboka tamin’ny 2002 ka hatramin’ny 2005, ary Rahavavy Marriott dia efa mpanatanteraka ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake, filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka sy paroasy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara ary mpanome torohevitra mikasika ny fitehirizan-tsakafo.

Ao anatin’ity asa vaovao nampiandraiketana azy ity dia manantena Rahavavy Marriott fa hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay azony fony izy tovovavy. Tiany ho fantatry ny zatovovavy fa “tian’ny Rainy any an-danitra amin’ny fitiavana tena lalina sy lehibe izy ireo.”