2013
Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao
Mey 2013


Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao

Ny leson’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny Alahady Fahefatra dia hifantoka amin’ny “Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao.” Ny lesona tsirairay dia azo omanina avy amin’ny lahateny iray na maromaro tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra (jereo ny tabilao etsy ambany). Afaka misafidy izay lahateny tokony ho ampiasaina ny filohan’ny tsatòka sy ny distrika, na manome izany andraikitra izany ho an’ireo eveka sy filohan’ny sampana. Tokony hoantitranterin’ireo mpitarika ny maha zava-dehibe ny fandalinan’ny rahalahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana lahateny mitovy amin’iny Alahady iny.

Ireo izay manatrika ny lesona atao ny Alahady fahefatra dia amporisihana handalina sy hitondra mandritra ny fotoam-pianarana ny laharana farany amin’ny gazetiboky izay ahitana ny fihaonamben’ny Fiangonana.

Torohevitra Enti-manomana ny Lesona avy amin’ireo Lahateny

Mivavaha mba hanananao ny Fanahy Masina hiaraka aminao eo am-pandalinana sy fampianarana ny lahateny. Mety ho te-hanomana ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hafa ianao kanefa ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana no fandaharam-pampianarana nahazoana lalana. Ny andraikitrao dia ny manampy ny hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara araky ny nampianarana azy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra.

Avereno jerena ireo lahateny, ary tadiavo ireo fitsipika sy fotopampianarana izay hamaly ny hetahetan’ny mpianatra ao an-dakilasy. Tadiavo koa ireo tantara, andinin-tsoratra masina sy teny nambaran’ny olona iray ao amin’ireo lahateny izay mety hanampy anao hampianatra ireo fahamarinana ireo.

Manaova rindran-damina amin’ny fomba hampianarana ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ampidiro ao ireo fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra ao an-dakilasy:

  • Hitady ireo fitsipika sy fotopampianarana ao amin’ny (ireo) lahateny.

  • Hisaintsaina ny dikan’izy ireny.

  • Hizara ny fahatakarany, ny heviny sy ny zavatra niainany ary ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Hampihatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izany fitsipika sy fotopampianarana izany.

Volana Hampianarana ireo Lesona

Fitaovana Ampiasaina ho an’ny Fampianarana isaky ny Alahady Fahefatra

Aprily 2013–Ôktôbra 2013

Lahateny nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily 2013 *

Ôktôbra 2013–Aprily 2014

Lahateny nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Ôktôbra 2013 *

  • Raha mikasika ireo lesona ho an’ny Alahady fahaefatra amin’ny volana Aprily sy Ôktôbra dia azo fidiana avy ao amin’ny fihaonambe talohan’ny farany na izay farany indrindra ireo lahateny. Hita amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org ireo lahateny ireo.