2013
Lasa Lehilahy Tia Filaminana
Ôktôbra 2013


Lasa Lehilahy Tia Filaminana

Nanampy an’i Roger sy ny fianakaviany handroso ho lasa fianakaviana mandrakizay ny tempoly sy ny asa fitoriana ary ny asa fanompoana.

Hitan’i Roger Randrianarison fa nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainam-pianakaviany.

“Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy hahita zavatra hitarihana ny fianakaviako,” hoy izy. “Nanana faniriana hitarika ny fianakaviako ao anatin’ny zavatra tsara aho. Zavatra izay hitarika any amin’ny lalana marina.”

Niahiahy mikasika ny fomba hitaizany ireo zanany telo izy— ireo zanany lahy, Randrianandry sy Sedinirina ary ny zanany vavy, Nirina. Tsy faly izy satria lasa niteraka olana teo amin’ny fianakaviany ilay toetrany mora tezitra. Naniry ho tonga ray aman-dreny tsara fanahy kokoa izy.

“Nanapa-kevitra aho fa izaho no tokony hiova satria hitako hoe lasa karazan’olona toy ny inona aho,” hoy izy.

Namoy ilay asa aman-draharahany momba ny fanorenan-trano i Roger taona vitsivitsy talohan’izany ary lasa mpitondra fiarakaretsaka tao Antananarivo, Madagascar. Indray andro, nitondra rahavavy misiônera roa tamin’ny fiarany izy.

“Raha vao tafiditra tao anatin’ilay fiara izy ireo dia nanontany ny anarako ary nanontany raha manana fianakaviana aho,’ hoy izy. “Nanontanian’izy ireo aho raha mahafantatra an’Andriamanitra ary raha toa ka mivavaka Aminy.”

Nihira hira niaraka tamin’i Roger ireo misiônera nandritra ny diany ary nanasa azy ho any am-piangonana. Niezaka nanatrika izy tao anatin’ny fotoana vitsivitsy saingy tsy afaka nampifaranaka ireo fotoam-pivoriana tamin’ny fandaharam-potoany ka dia tsy nifanerasera tamin’ny misiônera intsony.

Dimy volana taty aoriana raha niasa tao an-trano i Roger indray andro dia naheno ireo misiônera niresaka tamin’olona iray tany ivelan’ny fefy. Fantatr’i Roger fa ho avy hiresaka aminy izy ireo. Tsapany fa tokony hamaly hoe eny amin’izay mety hanontanian’izy ireo izy.

Rehefa avy nampahafantatra ny tenany izy ireo dia nanontanian’ireo misiônera izy raha toa mahafantatra momba an’Andriamanitra. Eny. Moa ve te hivavaka amin’Andriamanitra izy? Eny. Moa ve te hiresaka amin’ny misiônera izy? Eny. Rahoviana? Izao. Nilaza ireo misiônera fa hiverina izy ireo afaka 20 minitra. Rehefa niverina izy ireo dia nitondra mpikambana iray izay nipetraka teo akaiky teo.

Nampianatra im-betsaka an’i Roger tao an-tranony ireo misiônera tao anatin’ny iray volana. Noho ny zavatra henon’izy ireo momba ny Fiangonana dia tsy naniry ny hianatra miaraka amin’ny misiônera ny fianakaviany sisa. Rehefa avy nianatra momba ny filazantsara nandritra ny iray volana i Roger dia nandeha tany am-piangonana niaraka tamin’ireo misiônera. Nanaitra azy ilay fandraisana feno hatsaram-panahy natao taminy. “Noraisin’ireo mpikambana toy ny olona fantany efa ela be aho,” hoy izy.

Nody tany an-trano i Roger rehefa avy niangona ary nilaza tamin’ny fianakaviany fa hatao batisa izy afaka iray volana ary afaka misafidy izy ireo hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana na tsia. Nangatahan’izy ireo izy mba hiandry kely amin’izay izy ireo afaka miaraka aminy. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana izy ireo ary gaga tsara koa.

Niraikitra tao an-tsain-dRandrianandry, zanaka lahimatoan’i Roger, ilay fotoana voalohany nanatrehany ny fivoriam-piangonana. “Tamin’ilay fotoana vao voalohany nandehanako tany am-piangonana dia tena variana aho satria manetry tena be ny olona tao,” hoy izy. “Voalohany aloha, nanao fitafiana fitondra miangona tsara izy ireo. Taorian’izay dia tsapako fa misy tanjona no nahatongavan’izy ireo tao fa tsy hisehoseho amin’olona fotsiny.”

Natao batisa tamin’ny 20 Febroary 2003 ny fianakaviana Randrianarison. Valo taona i Nirina tamin’izany, 17 taona i Sedinirina ary 19 taona kosa i Randrianandry. Nitsahatra tsy niasa Alahady intsony ny fianakaviana ary nanao ho lohalaharana ny fiainana ny filazantsara.

Fiovana

“Rehefa vita batisa aho dia nahita fiovana maro teo amin’ny tokantranoko,” hoy i Areline, vadin’i Roger. “Lasa tokantrano masina izany ary maro dia maro ireo fitahiana na ara-nofo na ara-panahy izay tonga noho ny fiainana ny filazantsara.”

Raha eo amin’ny lafin’ny tanjona ara-nofo indray dia nangataka ny Ray any an-danitra i Roger mba hanampy azy hanangana indray ilay orinasany. Rehefa nitondra fiarakaretsaka nandritra ny roa taona izy ary nanao izay vitany mba hamelomana ny fianakaviany dia nanomboka nahazo fifanarahana avy tamin’ny olona hanangana trano. “Izaho dia mino fa mitahy ahy foana Andriamanitra rehefa manapa-kevitra ny hanaraka Azy aho,” hoy izy.

Saingy nilaza ireo zanany lahy fa ny fiovana lehibe indrindra hitan’izy ireo dia teo amin’ny toetran-drainy. Nofaritan’izy ireo ho toy ny ohatry ny fanetren-tena sy ny hatsaram-panahy izy ankehitriny. Nilaza i Roger fa nandresy lahatra azy ny filazantsara fa tokony hiova izy. Hatramin’ny fotoana nanombohany nandalina izany dia niezaka i Roger hameno ny fiainany tamin’ny zavatra tsara.

“Noho ny fampianaran’ny filazantsara dia tsy mba lasa mora tezitra izany intsony aho,” hoy izy. “Indraindray misy ireo fihantsiana saingy efa ao am-poko sy ao an-tsaiko ary ao anaty fanahiko ny filazantsara. Manampy ahy ho tony izany.”

Rehefa misy zavatra mahatezitra mitranga dia i Roger no mampitony ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary mampahatsiahy azy ireo mba haneho fihetsika tahaka ny nasehon’ny Mpamonjy.

“Lasa manetry tena ny raiko ary mikarakara amim-pitiavana ny fianakavianay,” hoy i Sedinirina. “Rehefa hitako ny fiovany dia tena feno fankasitrahana ny Ray any an-danitra aho noho ny filazantsara sy noho ny maha mpikambana ahy ao amin’ny Fiangonana.”

Fianakaviana Mandrakizay

Tamin’ny 2006, rehefa nahazo fanampiana avy amin’ny Kitapom-bola Faobe Hanampiana ny Olona Handeha any amin’ny Tempoly, dia nandeha tany Johannesburg, Afrika Atsimo i Roger sy Arelina mba hofehezina.

Tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2011 dia nandeha nanao asa fitoriana tany Afrika Atsimo i Sedinirina sy Randrianandry—I Sedinirina tany Le Cap ary i Randrianandry tany Johannesbourg. Anisan’ny antony nampazoto azy ireo ny hanampy fianakaviana hafa hiova toy ny niovan’ny fianakaviany.

“Afaka mitranga ny fahagagana toy izany ary nitranga izany satria nisy misiônera tonga tao an-tranonay,” hoy Randrianandry. “Noho izany dia nanana faniriana hanao zavatra mitovy amin’izany koa aho ho an’ny fianakaviana iray any amin’ny toerana hafa.”

Nitondra fitahiana iray hafa ho an’ny fianakaviana Randrianarison izany fanapahan-kevitra izany. Nisy sivy andro teo hijanonan’i Sedinirina sy Randrianandry ao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera ao Johannesbourg. Nanao fandaminana i Roger mba hisidinan’izy sy Arelina ary i Nirina zanany vavy ho any Afrika Atsimo mba hahafahan’ny fianakaviana iray manontolo hofehezina any amin’ny tempoly. I Nirina izay 14 taona tamin’izany fotoana izany dia nilaza fa sarotra ny mitantara ny zavatra niainany sy ny zavatra tsapany.

“Nanamafy orina ny finoako izany ary nanampy ahy hahatsapa ho akaiky kokoa an’Andriamanitra,” hoy izy.

Ankehitriny dia miasa mba hampivoatra sy hampatanjaka ireo manodidina azy ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Evekan’ny paroasiny i Roger. Tompon’andraikitra ao amin’ny Kilonga momba ny la Foi en Dieu i Areline. Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka i Sedinirina. Mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy i Randrianandry. Mpitarika hira ao amin’ny paroasy i Nirina.

Ny filazantsara no valim-bavaka azo tao amin’ny tokandranon-dry Randrianarison. Nanasitrana ireo ratram-po fahiny izany ary nampifanakaiky azy ireo bebe kokoa sy nanome fahafahana azy ireo hiaraka mandrakizay. Nampianatra an’i Roger hitia izany. “Ny fiainam-pianakaviana,” hoy izy, “dia fiainana feno fitiavana.”

Ny fitondrany misiônera tamin’ny fiarakaretsaka no nanombohan’i Roger Randrianarison nandray ny lalan’ny maha mpianatra.

Sarin’ny fianakaviana Randrianarison nalain’i Matthew D. Flitton

Nanampy ny fianakaviana hifanakaiky bebe kokoa ny fiarahan’ny fianakaviana mandalina ny filazantsara.

Nanamafy orina ny fianakaviana Randrianarison ny fandehanana tany Afrika Atsimo mba hofehezina tany amin’ny Tempolin’i Johannesbourg.

Etsy ambony: sary nalain’i David William Newman © IRI; etsy ambany: sary nalain’i © Laura Parker