2013
Diakona Vao Vaovao
Ôktôbra 2013


Diakona Vao Vaovao

“Ary ireo rehetra izay mandray ity fisoronana ity koa dia mandray Ahy, hoy ny Tompo” (F&F 84:35).

Andraikitra lehibe ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Ary ahoana raha manimba zavatra izy?

Nijoro teo anoloan’ny fitaratra i Benji, nanitsy ny karavatony. Nifanentana tsara ny lobaka fotsy sy ny pataloha manga antitra nanaovany. Voambango ny volony. Hita fa vonona tanteraka izy ny hotendrena ho diakona. Koa nahoana izy no nahatsapa ho natahotahotra?

Noraisin’i Benji ny soratra masiny ary nandao ilay efitrano izy. Niezaka ny tsy hieritreritra mikasika izay hampiavaka ny zavatra any am-piangonana anio izy. Ary avy eo dia tonga tao an-tsainy ilay andraikitra vaovao ao amin’ny fisoronana izay nampitebiteby azy isak’izay nieritreritra izany: mizara ny fanasan’ny Tompo. Inona no hitranga raha manao hadisoana izy amin’ny fotoana voalohany hanaovany izany amin’ny herinandro? Niezaka nanadino izany koa izy teo am-pialany tao an-trano.

Nandeha nitovy tamin’ny mahazatra ny fanasan’ny Tompo. Kanefa taorian’izany dia nandeha niaraka tamin’ny fianakaviany nankao amin’ny biraon’ny Eveka Salazar i Benji. Zavatra hafa tanteraka izany. Raha ny mahazatra dia tokony manatrika ny fotoam-panokafana ny kilasin’ny Kilonga izy amin’izao ora izao.

Nipetraka i Benjy rehefa nametra-tanana teo ambony lohany i Dada sy ny eveka, sy ny filohan’ny Zatovolahy ary ireo mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà. Nomen’i Dada ny Fisoronana Aharôna izy. Nanjavona ny fahatsapana tahotra tao amin’i Benji nandritra ny tsodrano. Nahatsapa ho tony sy faly izy.

Nitsangana i Benji ary nifandray tanana tamin’ny olona rehetra. Avy eo dia namihina an’i Neny sy i Jay rahalahiny izy, ary i Mirasol zandrikeliny vavy.

Taorian’izay dia namonjy ny Sekoly Alahady izy. Na dia tsy nitovy tamin’ny tao amin’ny Kilonga aza ireo fotoam-pianarana vaovao dia mbola nahatsapa ho tsy vaovao taminy ihany izany. Nikasika ny vavaka ny lesona. Efa nahazo lesona betsaka mikasika ny vavaka izy teo aloha tao amin’ny Kilonga. Namoaka sento naneho fahamaivanana i Benji. Mety tsy ho sarotra loatra angamba izany hoe diakona izany.

“Hahafinaritra izany,” hoy i Jay tamin’i Benji taorian’ny fotoam-pivavahana. “Hanamasina ny Fanasan’ny Tompo aho ary afaka mizara izany ialahy.”

Niverina tao anatiny indray ireo tebiteby. “Eny, hahafinaritra,” hoy izy niteny moramora. Ny mizara ny fanasan’ny Tompo no zavatra tena natahoran’i Benji indrindra!

Afaka kelikely ny alin’io andro io dia nahita an’i Dada namaky boky teo amin’ny sezalava i Benji. “Ary ahoana raha manadino olona iray aho ka tsy mahazo ny fanasan’ny Tompo izy?” hoy izy nanontany. “Dia ahoana raha mianjera aho?” Hitany toy ny andro mazava tao an-tsainy izany, ilay lovia fitondrana rano mianjera eo amin’ny tany ary ireo kaopin-drano miparitaka eny rehetra eny.

Nofihinin’i Dada ny sorok’i Benji. “Tadidiko ny fotoana voalohany nizarako ny fanasan’ny Tompo. Mino aho fa mbola natahotra kokoa noho ianao amin’izao fotoana izao aho.”

Nanakimpikimpy tampoka ny masony i Benji. “Ianao ve? Tsy matahotra na inona na inona ianao!”

Nihomehy i Dada. “Efa natahotra im-betsaka tokoa aho. Moa ve fantatrao hoe inona no nanampy ahy handresy ny tahotra?”

Nieritreritra kely i Benji. “Vavaka?”

Nitsiky i Dada. “Marina izany. Vavaka. Dia nitsodrano ahy ny raiko. Tianao omeko tsodrano ve ianao?”

Nanaiky ka nihatokatoka faingana i Benji. “Eny!” Tena tiako tokoa izany.”

Nivory tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny fianakaviana. Napetrak’i Dada teo ambony lohan’i Benji ny tanany. Rehefa niteny i Dada dia nahatsapa te hitomany i Benji. “Tadidio,” hoy i Dada nandritra ilay tsodrano “fa nandray ny fisoronana tamin’ny alalan’ny ôrdônansy masina ianao. Nanome antsika ny fisoronana ny Ray any an-danitra mba hahafahantsika manompo ny hafa. Raha afaka manao izany amin’ny finiavan’ny fonao manontolo ianao dia hotahiana amin’izany sy amin’ny zava-drehetra.”

Nivavaka nangataka fanampiana i Benji nandritra ny herinandro manontolo. Nandeha niaraka tamin’ireo diakona tery anoloana tao amin’ny trano fiangonana izy ny alahady manaraka. Nihaino tsara izy rehefa nanao ny fanamasinana ny mofo i Jay.

Tampoka teo dia nahatsapa tebiteby indray izy. Tena afaka manao izany ve izy? Tena zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo! Kanjo tsaroany ireo fampanantenana tao amin’ny tsodrano nomen’i Dada. Niala taminy ireo fahatsapana tahotra rehefa nandrakotra azy ny Fanahy.

Noraisiny ilay lovia ary nandeha tamim-pahatokiantena teny amin’ireo laharan-tseza nasaina niandraiketany izy. Natolony tamim-pitandremana tamin’ny vehivavy iray teo amin’ny laharan-tseza voalohany ilay lovia.

Nitsiky taminy ilay rahavavy. Nitsiky taminy koa i Benji, izay nahafantatra fa eo am-panompoana ny Tompo izy.

Sary nataon’ i Adam Koford