2013
Camille avy ao New York City
Ôktôbra 2013


Camille avy ao New York City

Manana namana maro i Camille izay sivy taona. “Ny zavatra tiako mikasika ireo namako dia samy hafa avokoa izy ireo,” hoy izy. “Avy any amin’ny toerana samy hafa izy ireo ary samy hafa ny fomba fanaovan’izy ireo zavatra.” Tia mianatra zavatra tsara avy amin’ireo namany i Camille ary tia mizara zavatra amin’izy ireo izy. Ny filazantsara no zavatra tsara indrindra nozarainy tamin’ireo namany. Rehefa avy nizara ny fanekem-pinoana voalohany tamin’i Yailin namany i Camille dia nanasa ny fianakavian’io namany io hihaona amin’ny misiônera. Nampianatra an’i Yailin ny fomba fivavahana ihany koa i Camille. Mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao i Yailin sy ny reniny.

Ny “Zanaky ny Ray aho” sy ny “Ensemble à tout jamais” no hira tiako indrindra. Ny soratra masina tiako indrindra dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko.” Mankahery ahy foana io soratra masina io rehefa malahelo aho.

Natao batisa tamin’ny 2011 i Yailin namako. Tiako fa afaka miaraka mandeha any am-piangonana izahay. Manampy azy aho manao tsianjery ny Fanekem-pinoana. Ny fanekem-pinoana fahasivy izao no ianaranay.

Avy any amin’ny République Dominicaine ny reniko sy ny raiko. Mino aho fa izay no antony mahatonga ny vary sy tsaramaso ary ny akoho ho ny sakafo tiako indrindra. Mampahatsiahy ahy ny tany niavian’ny fianakaviako izany.

Misy olona dimy ao amin’ny fianakaviako. Ny rahavaviko, i Emily, dia hatao batisa sy horaisina mpikambana amin’ny Desambra. Ny anadahiko, i Victor, dia mitondra ny anaran-draiko. Tsy mbola manana biby fiompy ao an-trano aho, fa mieritreritra ny hividy sokatra. Tiako ny sokatra satria mahafatifaty izy ireo sady mandeha miadana, ka noho izany dia tsy hitsoaka handositra.

Tiako ny tantaran’ny Kapiteny Môrônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Novakian’ny raiko nandritra ny takarivan’ny mpianakavy izany ary nitaona ahy hanamboatra ny fanevako manokana. Nampahatsiahy ahy ny fanevako hoe iza aho ary miaraka amiko mandrakariva ny Ray any an-danitra.

Sary nahazoana lalana avy amin’ilay fianakaviana, ankoatra izay nasiana fanamarihana manokana; sarin’ny Statue de la Liberté © Getty Images; Avia Manatona, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy amin’ny Church History Museum