2013
Manampy an’i Violet
Ôktôbra 2013


Manampy an’i Violet

“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12:31).

Ahoana no ahafahan’i Emma ho tsara fanahy nefa tena nasiaka be i Violet?

Namihina mafy ny kitapo nobabeny i Emma teo am-pidirany tao amin’ny efitrano fianarany vaovao. Andro fidirana tao an-tsekoly tamin’izay. Nanao ny akanjo tiany indrindra izy, ary nasian’i Neny zavatra tena tsara niaraka tamin’ilay sakafo atoandro—biscuits sarim-biby.

“Ho tsara ny andro anio,” hoy i Emma nieritreritra. “Raha mbola—”

Nijanona i Emma ary nibanjina ny tao amin’ny efitrano fianarana. Io eo izy. I Violet.

Tamin’ny herintaona dia tsy namela an’iza na iza hilalao ny fanaovana savily afa-tsy izy ihany i Violet isaky ny fakan-drivotra. Nantsoiny tamin’ny anarana maro be i Emma. Nangalariny mihitsy aza ny naman’i Emma akaiky indrindra!

Nahita an’i Emma i Violet ary nitranga lela. Naneho endrika tezitra i Emma sady namihina mafimafy kokoa ny kitapo nobabeny. Tsy ninamana taminy i Violet tamin’ny taona lasa ary toy ny hoe tsy hisy fiovana ny amin’ity taona ity.

“Tongasoa amin’izao taom-pianarana vaovao izao!” Hoy Ramatoakely Caldwell avy ery alohan’ny efitrano. “Andeha ary ianareo omena toerana.”

Nalahatra tsiroaroa nanaraka ny sakan’ny efitrano fianarana ireo dabilio. Nasosan-dRamatoakely Caldwell nidina teo amin’ny lisitra ny fanondrony, ary avy eo dia nanondro dabilio roa tany aoriana izy. “Emma! Eo aoriana eo ianao no hipetraka.”

Nipetraka teo amin’ny iray tamin’ireo dabilio teny aoriana i Emma. Nanantena izy fa i Liselle no hipetraka eo akaikiny. Na i Jaime. Na i—

“Violet.”

Nitraka tampoka ny lohan’i Emma. Naheno tsara izay voalaza ve izy?

Eny. Mbola nanondro ilay dabilio teo akaikiny Ramatoakely Caldwell. “Ianao no hipetraka eo akaikin’i Emma ry Violet,” hoy izy.

Nandeha tsimoramora nankeny amin’i Emma i Violet sady nikentrona. Natory teo amin’ny latabany i Emma ary nibanjina ny rindrina. Ho lava tokoa ity taona ity.

Nanoratra lazaolana teny amin’ny solaitrabe mba hovahan’ny mpianatra i Ramatoakely Caldwell nandritra ny fotoana nanaovana kajy. “Mahazo miasa irery ianareo na miaraka amin’ny olona eo akaikinareo,” hoy izy.

Niondrika haingana teo amin’ny taratasy niasany i Emma sady mody naneho hoe be atao. Azo lazaina ho mora ireo lazaolana. Niezaka ny tsy ahita an’i Violet fotsiny izy. Tsy nijery azy mihitsy izy na dia indray mandeha aza ny maraina tontolo.

Nisy zavatra nikitika ny sorony. Toy ny pensilihazo no tsapany. Tsy noraharahian’i Emma izany.

Kitika iray hafa indray. Nikitika azy i Violet! Nanao mafy loha nanohy niasa i Emma.

Tena mafy ny fikitihan’i Violet azy fanintelony ka nahare narary izy. Tsapan’i Emma ho niakatra ny hatezerana tao anatiny. Ho toy izany foana ve ny taona iray manontolo? Nieritreritra ny hananga-tanana hiteny amin-dRamatoakely Caldwell izy. Na mety hijery an’i Violet amin’ny endrika feno hatezerana fotsiny izy.

Avy eo dia nahare olona nifokofoko i Emma. Nisy olona nitomany angaha? Nanindrona azy indray ilay pensilihazo. Nitodika izy ary nahita an’i Violet nibanjina azy. Teny an-tanany ny pensilihazony ary nisy ranomaso ny masony. Feno dian-gaoma ny taratasy niasany.

Nahodinkodin’i Violet ny pensilihazo teny an-tanany. “Afaka manampy ahy ve ianao?” hoy izy nanontany moramora.

Nijery azy vetivety i Emma, sady tohina. Tian’i Violet mba hanampy azy izy? Taorian’izay haratsian-toetrany hatrizay izay? Niverina nitodika tao amin’ny taratasy niasany i Emma. Afaka miasa irery i Violet. Tsy mendrika ny fanampian’i Emma izy, na dia …

… izy aza no namany teo akaikiny?

Nitodika tamim-pahanginana tany aloha i Emma. Reny nitomany moramora teo akaikiny i Violet. Nilaza mandrakariva ny soratra masina mba hitia ny namana—fa hafa i Violet! Nipetraka teo akaikiny tao am-pianarana fotsiny i Emma!

Niverina nanao ny asany indray i Emma. Avy eo dia nijanona izy. Tsy hafa angamba i Violet. Angamba rehefa niteny ny soratra masina hoe tiava ny namanao dia ny olona rehetra no tiany nolazaina. Na ireo ratsy fanahy aza. Na dia sarotra aza izany.

Nisento i Emma ary nametraka moramora ny pensilihazony. Nitodika tany amin’i Violet izy ary niezaka nitsiky araka izay vitany. “Afaka manampy ve aho?” Hoy izy nanontany.

Nanaiky i Violet, sady namafa ny ranomasony tamin’ny tanany.

Niondrika teo amin’ny taratasy niasan’i Violet i Emma ary nanomboka nanampy tamin’ny lazaolana voalohany. Efa nanana fahatsapana tsara sahady izy tao anatiny. Nanontany tena izy raha tia biscuit sarim-biby i Violet.

Sary nataon’i Brad Teare; Ny Tompo Jesoa Kristy, nataon’i Del Parson © IRI