2013
Ny Pejintsika
Ôktôbra 2013


Ny Pejintsika

Nampianatra ahy ny filazantsara ireo ray aman-dreniko ary ohatra tsara ho ahy izy ireo hatramin’ny naha-kely ahy. Nianatra namaky ny tantara ao amin’ny soratra masina ho an’ny ankizy aho, ary tiako ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fotoana izao. Mamaky izany isan’andro aho, izaho irery sy miaraka amin’ny fianakaviana. I Amôna no olona tiako indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Misionera tena tsara izy, izay tiako halain-tahaka rehefa lehibe aho.

Esteban M., 8 taona, Colombie

Rehefa niala sasatra tany Panama ny fianakaviako, izay firenena nahaterahan’ny reniko, dia nentin’ireo ray aman-dreniko hitsidika ny Tempolin’i Panama City Panama izaho sy i Yhoalibeth zandrikeliko vavy. Nentin’ny reninay nikasika ny rindrin’ny tempoly izahay. Taty aoriana, rehefa nilaza tamin’ny reniko ny hafaliana tsapako aho rehefa tany amin’ny tempoly izahay, dia hoy izy tamiko hoe nahatsapa ny Fanahy Masina aho.

Sergio B. Jr., 7 taona, Florida, États-Unis

Pasha Z., 9 taona, Ukraine

Fony 3 taona i Letícia C., izay 6 taona amin’izao fotoana izao, dia vita ny tempolin’i Curitiba Brésil. Tiany ny mandeha any amin’ny tempoly ary nandeha tany isan’andro izy nandritra ny herinandro farany tamin’ny varavarana misokatra. Mbola tiany foana ny mitsidika ny tempoly sy mandeha ao amin’ireo zaridaina tsara tarehy. Tia manao sary sy milomano koa i Letícia.

Kilonga: Manaraha an’i Jesoa

I Maurizio D., izay 11 taona, any Italie dia tia ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo satria mianatra mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy izy. Tia mandeha any am-piangonana izy satria mahafinaritra sy mahaliana ary tsara tarehy izany. Faly izy ao am-piangonana ary manana namana betsaka.

Rehefa niomana tamin’ny fangadiana ny fototra hanaovana ny tempolin’i Tijuana Mexique izahay dia faly tokoa. Nandeha nanao asa fanompoana tany ny fianakaviako. Nanadio ny tanin’ny tempoly izahay. Fantatro fa hamangy ny tranony ny Tompo rehefa vita izany.

Jesus S., 6 taona, Mexique

Manampy ahy hisafidy ny tsara ny fandalinana ny soratra masina.

“Ireo Takela-bolamena,” nataon’i P. Tuyêt Hoa, 10 taona, Cambodge

Mifidy ny tsara aho rehefa manaraka ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

N. Thi LinĐa, 8 taona, Cambodge

Ny ampahany tiako indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny tantaran’i Nefia sy ny dia natao niampitana ny ranomasina.

Kelly C., 10 taona, Philippines

Mila fehezina any amin’ny tempoly izahay mba hahafahanay miaina mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana.

Shanna C., 8 taona, Philippines

Tiako ny mandeha any am-piangonana miaraka amin’ny fianakaviako sy mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy. Tiako ny mamaky sy mianatra ao an-trano ireo tantara ao amin’ny soratra masina, ny mihira ireo fihirana, ary ny milalao mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Mitahy ny fianakaviako sy mahatonga ahy hahatsapa fifaliana ny filazantsara. Efa nanome Bokin’i Môrmôna tamin’ny mpampianatra telo tany am-pianarana aho ary tamin’i Miguel izay namako akaiky indrindra. Ny hiran’ny Kilonga tiako indrindra dia ny “Proclamons la vérité” (Chants pour les enfants, 92).

Martim P., 6 taona, Portugal

Henrique S., 7 taona, Brésil