2013
Miandry ao Winter Quarters
Ôktôbra 2013


Manaraka ny dia

Miandry ao Winter Quarters

Tanàna iray Vaovao

Taorian’ny namonoana ny Mpaminany Joseph Smith dia lasa toerana nampidi-doza ny tao Nauvoo Illinois. Nandositra niala ny tranony ireo Olomasina mba hitady toerana azo antoka iainana. Nanomboka nanao ny dia lavitra niankandrefana ireo andian’Olomasina voalohany tamin’ny Febroary 1846, saingy nampiadana ny dian’izy ireo ny toetrandro sy ny aretina. Tamin’ny fotoana namakivakian’izy ireo an’i Iowa dia tara loatra tamin’izay tao anatin’ny taona ny hahatongavana tany amin’ny Montagnes Rocheuses mialoha ny ririnina. Noho izany dia nifidy toerana iray nahafahan’ireo Olomasina nipetraka nandritra ny ririnina ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nantsoin’izy ireo hoe Winter Quarters izany toerana izany.

Miara-miasa

Nanamboatra trano tamin’ny vatan-kazo na rotso-peta ny sasany. Nipetraka tao anaty lay sy lava-bato ny hafa. Niezaka ny ho faly ireo Olomasina nandritra ilay ririnina lava sady namirifiry. Nifanampy izy ireo. Nanao fampisehoana izy ireo ary nihira sy nandihy. Nanamboatra milina fitotoana koba izy ireo sy lapan’ny tanàna ary orinasa mpanamboatra harona.

Mandroso Hatrany

Sarotra ny fotoana nipetrahan’ny Olomasina tao Winter Quarters. Olona maro no maty. Kanefa nanam-pinoana ireo mpamaky lay fa hitahy azy ireo ny Tompo ary hanampy azy ireo ho tody any Ziona. Rehefa tonga ihany ny lohataona nony farany dia nandao an’i Winter Quarters ny andiany voalohany tamin’ireo mpamaky lay mba handeha ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.

Ankehitriny ianao dia afaka mahita ny Tempoly tsara tarehin’i Winter Quarters Nebraska ary mitsidika ny Mormon Trail Center (Ivontoeran’ny Lalana Nodiavin’ireo Môrmôna) ao Winter Quarters mba hianatra misimisy kokoa mikasika ireo mpamaky lay.

Ity fampirantiana ao anatin’ny Mormon Trail Center ao Winter Quarters ity dia ahitana famerenana ny famoronana ny toeram-ponenana iray teny amin’ny lalana tao Iowa, izay toerana nanoratan’i William Clayton ny fihirana hoe “Ndao ry Olomasina” (Fihirana, faha 4).

Afaka mahita ireo karazana vatsy nentin’ireo Olomasina nandritra ny dia nataon’izy ireo nankany andrefana ianao ao amin’ny Mormon Trail Center. Niteny azy ireo hitondra lafarinina, mpampatsiro hanina, vary, tsaramaso, ary rononon’omby ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

Nanamboatra trano tamin’ny vatan-kazo ireo Olomasina sasany mba hipetrahana raha mbola tao Winter Quarters izy ireo.

Ireo Olomasina Miampita ny Mississippi, nataon’i Grant Romney Clawson © IRI; sary nataon’i Jennifer Maddy sy Welden C.Andersen

Ilay Dia Tao Iowa

Iowa

Nauvoo.

Winter Quarters.