2013
Miteny Ratsy aho …
Ôktôbra 2013


Mandrapihaonantsika Indray

Miteny Ratsy Aho …

Raiki-tampisaka tamin’ny teny nolazaiko ny fitenenan-dratsy, izay niraikitra mafy toy ny firaiketan’ny tsipolitra amin’ny volon’alika.

Nampalahelo ahy ny fahitako ny endriky ny reniko. Fahatafintohinana, fahaketrahana, fahadisoam-panantenana. Nifanesy nameno ny masony ireo rehetra ireo ary avy eo dia nitambatra ho fihetsehampo iray—famitahana.

Na dia nampianatra ahy nandritra ireo 15 taona niainako aza izy ny hanaja ny Ray any an-danitra amin’ny fiteny sy ny atao, dia indro aho fa lasa meloka tamin’ny fitenenako teny mandratra tsy mahazatra.

Tsy ninia hiteny ratsy aho. Talohan’io taona io dia tsy mbola nampiasa fiteny maharikoriko mihitsy aho. Kanefa tamin’io fahavaratra io dia niasa tao amin’ny Utah’s Fish and Game Department aho ary nahazo fahazarana avy amin’ireo tovolahy niara-niasa tamiko.

Nanapaka tsipolitra teo amoron’ireo lalam-pirenena ny asanay lehibe indrindra. Nanapa-kevitra haingana izahay fa ny Arctium minus dia ahitra tena ratsy. Maniry sy mitombo haingana eny rehetra eny izy ity ary mamono ny ankabeazan’ireo zavamaniry. Miraikitra amin’izay rehetra manakaiky azy ny voany.

Niady tamin’io fahavalo io izahay, niaraka tamin’ny angady teny an-tanana, nandritra ny fahavaratra manontolo ka nahatonga anay ho reraka—sy hanao fiteny maloto. Tamin’ny voalohany dia hitako fa nandratra ny fitenin’ireo namako. Avy eo dia nandefitra izany aho. Ary tamin’ny farany dia nanao izany koa aho. Tamin’ny fiafaran’ny fahavaratra dia raiki-tampisaka tamin’ny teny avoakako ny fitenenan-dratsy, izay niraikitra mafy toy ny firaiketan’ny tsipolitra amin’ny volon’alika.

Ny fihetsika nasehon’ny reniko tamin’ny teny ratsy tsy nampoizina nataoko, na izany aza, dia nandresy lahatra ahy fa nila niova aho.

Tsy mora izany. Tsy fisafidianana teny ampiasaina fotsiny ny fitenenan-dratsy. Fomba fisainana koa izany. Ny fifampiresahana avelantsika hisy eo amin’ny fiainantsika, ireo teny vakiantsika, ary ireo sary jerentsika dia misy fiantraikany eo amin’ny fomba fisainantsika. Vetivety aho dia nianatra fa nila nanova ny zavatra navelako hiditra tao an-tsaiko raha te hanova ireo teny ampiasaiko.

Soa ihany fa nazoto tamin’ny fandehanana tany am-piangonana sy tany amin’ny seminera aho. Nandroaka ireo fomba fisainana ambony ny fitenenan-dratsy, kanefa ny fitoerako tao amin’ny tontolo izay nifaneraserako tamin’ireo fomba fisainana ambony ireo dia namela azy ireo hatanjaka indray. Nifantoka tamin’ny famakiana soratra masina isan’andro sy ny fivavahana aho. Tsy nijery sary mihetsika sy fandaharana tamin’ny fahitalavitra izay nampiditra indray ireo fisainana ratsy ireo aho.

Hitako nihatsara tsikelikely ny fomba fiteniko. Afaka tamin’ny fahazarana niteny ratsy aho tamin’ny fiafaran’ny taona.

Hatramin’io traikefa io dia nianatra zavatra betsaka mikasika ny herin’ny teny aho. Afaka mamorona ny teny na manimba. Afaka mandratra izy ireo na manasitrana. Afaka manimba ny olona izy ireo na mamboly ny voan’ny fanantenana sy ny fitiavana.

Hitako ho mahaliana ny hoe ny Mpamonjy mihitsy, ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia antsoina hoe ny Teny (jereo ny Jaona 1:1–4; F&F 93:6–11).

Ho famaranana dia izao: Lasa mitovy bebe kokoa amin’ny Teny isika rehefa manome voninahitra Azy sy rehefa ahitana taratra ny voninahiny ny tenintsika.

Sary nalain’i Anna Laurent