2013
Inona no Nahatonga Anao ho eto Rexburg?
Ôktôbra 2013


Inona no Nahatonga Anao ho eto Rexburg?

Sandra Rush, Idaho, États-Unis

Rehefa avy niaina am-polo taonany maro tany amin’ny toerana iray izay ahitana mpikamban’ny Fiangonana vitsy an’isa izahay mivady, dia nifindra tao amin’ny faritra iray manodidina an’i Rexburg, Idaho, États-Unis, faritra izay tsy nisy afa-tsy fianakaviana roa no tsy mpikambana. Tombontsoa lehibe ho anay ny nonina teo akaikin’ny iray tamin’izy ireo.

Nanapaka ny bozaka maitsony ilay raim-pianakaviana tamin’ny fotoana voalohany nandalovanay tamin’ny fiarakodia teo amin’ny lalana mankany aminay. Nanavatsava ny bozaka maitsonay izaho sy ny vadiko mba hifankafantatra taminy. Rehefa nanolotra ny tanako hiarahaba azy aho dia nanontany hoe “Inona no nahatonga ny fianakavianao ho eto Rexburg?”

Izao no navaliny hoe: “Ny asako—ary tanàna izay mila ampahafantarina an’i Kristy mihitsy no notadiavinay.”

Tsapako ho toy ny notondrahana rano mangatsiaka eran’ny siny ny tarehiko, kanefa dia nitsiky aho. Nanapa-kevitra aho tamin’izay fotoana izay fa na inona na inona nolazain’ilay mpifanoloborindrina vaovao taminay na nataony, dia izahay no ho lasa mpifanolobodirindrina tsara indrindra nananan’ilay fianakaviana hatramin’izay. Hiezaka izahay haneho hatsaram-panahy, sy fitiavana ary amin’ny fomba mety eo amin’ny fifaneraserana rehetra ataonay aminy, tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy.

Nitondra zavatra maro be niarahana nanao teo amin’ny fianakavianay roa tonta ireo valo taona taorian’izay. Nasaina ary tonga nanatrika ireo fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana ilay renim-pianakaviana. Nanasa ahy sy ny maro tamin’ireo mpiara-monina Olomasin’ny Andro Farany izy hamonjy fiaraha-mientana lavitry ny fonenana fanaon’ny vehivavy Kristianina, izay nokarakarain’ny fiangonany. Voasa hanatrika ny fampisehoana dihy sy fitendrena pianô nataon’ny zanany izaho sy ny vadiko. Voasa tamin’ireo fandrahoan-tsakafo sy fety nataon’ny mpiara-monina ny fianakavian’izy ireo. Ary nahazo antso avy amin’ireo zanak’izy ireo efa lehibe izahay rehefa nila fitaterana nandehanana nody avy any am-piasana izy ireo, ka tsy tratra antso ireo ray aman-dreniny.

Niahiahy ireo ray aman-dreniny fa sao dia nanomboka nitia be loatra ny Olomasin’ny Andro Farany ireo zanany, ka noho izany dia tsy navelan’izy ireo hiditra tao amin’ny fandaharan’asan’ny Skoto tao amin’ny paroasinay ireo zanany lahy. Kanefa dia noraisin’izy ireo ho toerana azo antoka ny tokantranonay, izay namelan’izy ireo ny zanany hilalao rehefa tonga nitsidika anay ireo zafikelinay.

Isak’izay niezaka nanampy anay hahatsikaritra ny “maha diso lalana anay” ireo mpifanolobodirindrina taminay, dia nampahatsiahy azy ireo hatrany izahay fa najainay tanteraka ny zavatra ninoan’izy ireo sy ny fomba niainany ary nitaizany ireo zanany. Ary avy eo dia nampianay fa miandry fanajana mitovy amin’izany izahay momba ny zavatra inoanay, izay mifantoka ihany koa amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Rehefa niezaka nampisongadina ny fahasamihafana nisy tamin’ny zavatra ninoanay ilay renim-pianakaviana mba hanalavirany anay tamin’ny alalan’ny filazana fa “Jesoa hafa” no inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia nampahatsiahiviko azy fa samy mino izahay fa Andriamanitra Izy ary Zanakalahin’Andriamanitra malalany. Nanana fifandraisana sy finamanana feno fitiavana izaho sy izy tamin’ny farany.

Nifindra trano tsy lasa mpikamban’ny Fiangonana ny fianakavian’izy ireo. Kanefa raha afaka miteny izy ireo hoe “Niara-nonina tamin’ireo Môrmôna izahay, olona tsara sy manaja amin-kitsimpo izy ireo,” dia mahatsapa aho fa nahomby izahay tamin’ny naha mpifanolobodirindrina tsara anay sy tamin’ny fanampiana azy ireo mba hivelatra kokoa sy handala ny rariny amin’ny zavatra lazainy mikasika ny Olomasin’ny Andro Farany.