2013
Vaovao Manodidina ny Fiangonana
Ôktôbra 2013


Vaovao Manodidina ny Fiangonana

Mankalaza ny faha 20 Taonan’ny Fiangonana i Mongolie

Tamin’ny Alatsinainy 15 Aprily 2013 dia mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 300 no tafavory tao Zaisan Hill any Ulaanbataar, Mongolie mba hankalaza ny faha 20 taona nisian’ny Fiangonana tao amin’izany firenena izany. Nisy amboarampeo iray nahitana mpikambana 50 nihira tamin’izany ary nihaino ny raki-peon’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tamin’ny nitokanany an’i Mongolie ho an’ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny 1993 ilay vondron’olona tafavory teo.

Ny Loholona Tai Kwok Yuen, mpikambana teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Azia izay niaraka tamin’ny Loholona Maxwell tany Mongolie tamin’ny 1993, dia nilaza fa tena “niasa tsy tapaka tao ao amin’io faritry ny tanimboaloboka io ny tanan’ny Tompo.”

Nisy karazana hetsika samihafa nentina nanamarihana ilay tsingerintaona. Nahasarika misiônera nahavita asa fitoriana miisa 200 ilay fihaonan’ireo olona iray misiona. Mongôliana mihoatra ny 1000 no nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno—izany hoe eo amin’ny olona 1 ao anatin’ny mpikambana 10 any Mongolie izany. Nisy fotoam-batisa maro notanterahana nanerana an’i Mongolie ny Zoma hariva. Olona 24 no natao batisa tamin’izany andro izany. I Mary N. Cook izay nisaorana vao haingana tamin’ny naha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany azy dia niteny nandritra ny Fivoriana Fampaherezam-panahy iray ho an’ny Zatovovavy ary ny varavarana misokatra iray momba ny tantaram-pianakaviana dia nampiseho horonan-tsary ahitana torolalana mikasika ilay tetikasa vaovaon’ny Tetiarana. Ny fampisehoana ara-kolontsaina iray dia nampiseho fa manan-karena ara-kolontsaina i Mongolie ary manan-talenta ny mpikamban’ny Fiangonana maro.

Nankalaza ny Tsingerintaona Niorenan’ny Fiangonana tany Aminy ireo Olomasin’ny Andro Farany tany Haiti ary Nanao Fambolen-kazo

Tamin’ny 1 Mey 2013 dia maro tokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Haiti no nandray anjara tamin’ilay tetikasa fambolen-kazo manerana ny firenena. Zana-kazo marobe no nambolena tamin’ilay andro voalohan’ilay tetikasa ary mbola hisy maro aorian’izany. Rehefa tapitra ilay tetikasa dia hisy hazo vaovao eo amin’ny 400.000 eo ho eo haniry any Haiti ka hita ao anatin’izany ny voasary makirana, ny voasary mamy, ny voaniho, ny papaye ary ny oaka.

Novidian’ny Fiangonana ireo hazo ao anatin’ilay fitohizan’ny fanohanana an’i Haiti mba hanarenana azy taorian’ilay horohorontany. Io tetikasa io koa dia nanome fahafahana ny mpikambana hanao tetikasa fanompoana mba hankalazana ny faha 30 taona niorenan’ny Fiangonana tany amin’io nosy iray io. Telopolo taona lasa izay no namangian’ny Filoha Thomas S. Monson an’i Haiti sy nitokanany ilay tany ho an’ny fitoriana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tamin’izany.

Tany Haiti ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fotoana nanaovana io fankalazana ny tsingerintaona io ary niahy ny fampisehoana ny fahavitan’ny takela-bato fahatsiarovana iray izay manamarika ny fotoana niantombohan’ny Fiangonana tany Haiti.

Nanolotra Sakafo Milanja 453592,40 Kg Ho an’i Feeding America ny Fiangonana

Notoloran’ny Fiangonana sakafo milanja 453592,40 Kg tamin’ny alalan’ilay sampana ao amin’ny Fiangonana misahana ny fanampiana olona antsoina hoe Latter-day Saint Charities tamin’ny Mey 2013 teo ny Feeding America, izay fikambanana lehibe indrindra iray malala-tanana misahana ny fanamaivanana ny hanoanana any États-Unis. Ireo zavatra natolotra ireo dia ahitana sakafo am-bifotsy toy ny voankazo, anana, ary tsaramaso izay hozaraina ho an’ireo fianakaviana sahirana any amin’ireo toeram-panampiana sy fialofana maro manerana an’i États-Unis.

Nilaza i Bob Aiken filoha sy tale mpanatanteraky ny Feeding America fa hahafahana manolotra sakafo miisa 625.000 izany fanomezana izany.

Naneho ny endriky ny isa “20” ireo mpandihy niaraka tamin’ny fikopaka nandritra ny fampisehoana natao mba hankalazana ny faha 20 taona niorenan’ny Fiangonana tany Mongolie.

Sary Nahazoana Lalana tamin’ny Misionan’i Ulaanbaatar Mongolie

Namboly hazo teo amin’ireo tendrombohitra avo teny ambonin’ny renivohitr’i Port au Prince ireo misiônera sy mpikambana tany Haiti izay hita eny amin’ny farany aoriana.

Sary nalain’i Jason Swensen