2013
Afaka Mangataka ny Rohim-pahefan’ny Fisoronana ny Mpikambana
Ôktôbra 2013


Afaka Mangataka ny Rohim-pahefan’ny Fisoronana ny Mpikambana

Ankehitriny ny Fiangonana dia afaka manome fampahalalana momba ny rohim-pahefan’ny fisoronana mba hanampiana ny mpikambana rehefa mangataka izany izy ireo. Ny rohim-pahefan’ny fisoronana dia lamin’ireo fanendrena mifanarakaraka izay azo arahana miverina mandrapahatonga any amin’ireo fotoana niandohan’ny Fiangonana ary tonga any amin’ny Mpamonjy amin’ny farany.

Na dia tafiditra ao anatin’ny rohim-pahefana manokan’ny mpikambana iray aza ny mpihazona fisoronana iray manana ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy dia tsy misy rohim-pahefana manokana natao ho an’ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy. Ny rohim-pahefan’ny fisoronana ho an’ny eveka sy patriarika voatendry koa dia manaraka ny fanendrena azy ireo ho mpisorona avo.

Ny fampahalalana momba ny rohim-pahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ihany no azo angatahana amin’ny Fiangonana. Tsy misy ny rohim-pahefan’ny Fisoronana Aharôna. Ny mpikambana dia tsy afaka mangataka afa-tsy ny fampahalalana momba ny rohim-pahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ho an’ny tenany na ho an’ny zanaka iray mipetraka ao an-trano na ho an’ny misiônera tanora iray izay eo andalam-panompoana. Ireo antontan-taratasy ireo dia tsy rakitsoratra ôfisialin’ny Fiangonana.

Raha maniry ny hangataka ny rohim-pahefan’ny fisoronanao ianao dia ampidiro ny anaranao feno ara-dalàna, ny daty nahaterahanao, ny laharan’ny maha mpikambana (izay hita ao amin’ny karatry ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly na misy any amin’ny mpitambokin’ny paroasinao), ny anaran’ilay olona izay nanendry anao ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona na ny mpisorona avo (raha fantatra), ary ny adiresinao handefasana izany sy ny laharan’ny telefaoninao na ny adiresy email anao.

Ny fangatahanao dia alefaso amin’ny:

Priesthood Line of Authority

Global Service Center

120 North 200 West

Salt Lake City, Utah 84103-1514, USA

Fax: 1-801-240-6816

Telefaonina: 1-800-453-3860, poste 2-3500

Email: Mandefasa email amin’ny lineofauthority@ldschurch.org ka asio soratra hoe “PLA” eo amin’ny faritra hanoratana ny votoatin’ilay hafatra. Hahazo taratasy iray ianao ho valin’izany izay mila fenoina sy haverina (misy ny famaliana mandeha ho azy ho an’izay mety ho hafatra ahitana ny hoe “PLA” eo amin’ny faritra hanoratana ny votoatin’ilay hafatra).

Azo iverenana miakatra mandrapahatonga any amin’ny Mpamonjy ny rohim-pahefan’ny fisoronana ho an’ireo izay manatanteraka ôrdônansy.

I Kristy Manendry ireo Apôstôly Roambinifolo, nataon’i Harry Anderson © IRI