2013
Ilay Lovantsika Lehibe avy amin’ny Asa Fitoriana
Ôktôbra 2013


Ilay Lovantsika Lehibe avy amin’ny Asa Fitoriana

Ny misiônera rehetra na taloha na amin’izao fotoana izao dia manompo miaraka amin’ny fanantenana hanatsara kokoa ny fiainan’ny olona hafa.

Ireo misiônera ankehitriny dia mbola manohy mitondra ilay lova lehibe hoe hameno ny tany amin’ny fahalalana ny Tompo (jereo ny Isaia 11:9). Ireo misiônera ao amin’ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana manomboka any amin’i Abrahama, i Paoly, i Amôna ka hatramin’i Wilford Woodruff dia manome ohatra tena tsara alain-tahaka ho an’ireo misiônera amin’izao fotoana izao.

Na mpikambana mitory filazantsara isika, na miomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na am-perinasa manao asa fitoriana, na niverina avy nanao asa fitoriana, dia afaka mahazo herim-po sy fitaomam-panahy avy amin’ireo ohatra ireo.

Ireo lovantsika momba ny asa fitoriana ao amin’ny Baiboly sy ny Voahangy lafo Vidy

Ireo misiônera ao amin’ny testamenta Taloha toa an’i Jona dia nantsoina mba hampiely feo fampitandremana ho an’ny olona (jereo ny Ezekiela 3:17–19). Hitantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Jona ny maha zava-dehibe ny fibebahana sy ny fankatoavana. Ny tantaran’i Abrahama dia mampianatra antsika mikasika ny loharano niavian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fahefany.

Ireo misiônera ao amin’ny Testamenta Vaovao toa an’i Petera sy Paoly dia niasa mba hiarovana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Na dia izany aza dia tafalatsaka tao anatin’ny apôstazia izao tontolo izao rehefa nandeha ny fotoana. Namerina ny filazantsara tamin’ny laoniny Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Miasa toy ny nataon’ireo misiônera ireo isika ankehitriny mba hiaro sy hizara ireo fampianaran’i Jesoa Kristy.

Sary

I Jona teo amoron-dranomasin’i Ninive nataon’i Daniel A. Lewis. Nibebaka i Jona ary nandehandeha nitory sy nanamafy fa manjaka na aiza na aiza i Jehovah ary tsy manokana velively ny fitiavany ho an’ny firenena iray na vahoaka iray monja (jereo ny Jona 1–4).

© 2002 Daniel A. Lewis

Sary

I Petera sy Jaona teo anoloan’ireo Mpitondra tao Jerosalema, nataon’i Simon Vedder. Nentina teo anoloan’ny filankevitra i Petera sy Jaona ary nanontanian’ny mpisoronabe izy ireo hoe: “Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany; kanjo, indro efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema. … Fa Petera … namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra ny olona” (Asan’ny Apôstôly 5:28–29).

Nahazoana lalana avy TAMIN’NY Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).

Ny Apôstôly Paoly, nataon’i Karel Skreta. Tao anatin’ireo dia nataony sy ireo taratasy nosoratany dia nijoro ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy nanerana an’i Asie Mineure i Paoly sy tany amin’ireo faritra maro teto amin’izao tontolo izao izay fantatra tamin’izany fotoana izany.

BPK, Berlin / Gemaeldegalerie Alte Meister, Staatliche Kunstsammlungen, Dres / Elke Estel / Hans-Peter Klut / Art Resource, NY

Sary

Nitsodrano an’i Abrama [Abrahama] i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane. Nitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka (jereo ny Genesisy 14:18–20) ary nanome azy koa ny fisoronana (jereo ny F&F 84:14). Nisy fotoana anankiray hafa nisehoan’ny Tompo tamin’i Abrama ka nilazany hoe: “Efa nikasa [ny] … hahatonga anao ho mpanompo hitondra ny anarako any amin’ny tany vahiny [aho]. … Ary ianao dia ho fitahiana ho an’ny taranakao any aorianao, ka eo an-tanany no hitondrany ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra” (Abrahama 2:6, 9).

Nahazoana lalana avy tamin’NY Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).

Ireo lovantsika momba ny asa fitoriana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

I Almà, i Amioleka sy ireo zanakalahin’i Môsia ary i Samoela ilay Lamanita dia vitsivitsy fotsiny amin’ireo misiônera lehibe tsara alain-tahaka izay hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy amin’izy ireo no ahitantsika ohatra mikasika ny fibebahana, ny finoana, ny fankatoavana ary ny fananana herimpo. Afaka miantehitra amin’ny fitaomam-panahy sy ny fanambarana avy amin’Andriamanitra toa azy ireo isika mba hitantanana ny asa fitoriana ataontsika.

Sary

I Amôna eo anoloan’ny Mpanjaka Lamônia nataon’i Gary L. Kapp. Namonjy ny andian’ondrin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna izay iray amin’ireo zanakalahin’i Môsià. Rehefa nanontanian’ny mpanjaka i Amôna raha toa izy ka nirahin’Andriamanitra dia nolazain’i Amôna fa izy dia lehilahy nantsoin’ny Fanahy Masina mba hampianatra ny filazantsara “ny vahoakan’i [Lamônia] mba hahazoana mitarika azy ho amin’ny fahalalana ny momba izay mahitsy sy marina” (Almà 18:34).

© Gary L. Kapp, tsy azo adika

Sary

Tena Nitondra Vaovao Mahafaly ho an’ny Fanahiko Izy, nataon’i Walter Rane. Nisy anjely iray nitsidika an’i Samoela ilay Lamanita ary “nitondra vaovao mahafaly ho an’ny fanahin’i [Samoela]” mikasika ny fiavian’ny Mpamonjy (Helamàna 13:6–7). Tao anatin’ilay antsony hoe hitory amin’ny Nefita dia niakatra teo amin’ny mandan’ny tanànan’i Zarahemla i Samoela ary nizara ireo vaovao mahafaly ireo tamin’ny vahoaka.

Nahazoana lalana avy tamin’i Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).

Ny lovantsika momba ny asa fitoriana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Tena nilaina ireo misiônera taorian’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Nizara ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo misiônera toa an-dry Dan Jones, Orson Hyde, ary Parley P. Pratt. Ny sasany toa an’i Samuel rahalahin’ny mpaminany Joseph dia nanompo tany akaikin’ny toeram-ponenany. Ny sasany dia nanao dia lavitra mba hizara ny filazantsara tany amin’ny toerana toa an’i Thaïlande, sy ireo Nosy Sandwich (Hawai), sy Danemark ary Angleterre.

Ireo misiônera tany am-piandohana ireo matetika dia nanompo nandritra ny fotoana ela be ary nanao asa fitoriana im-betsaka. Nilaozan’izy ireo ny ray aman-dreny, ny olon-tiana, ny vady, ny zanaka ary ny zafikely toy ny ataontsika koa. Izy ireo dia ohatra ho antsika ankehitriny eo amin’ny lafin’ny finoana, ny fananana herimpo, ny fankatoavana, ny faharetana ary ny fahavitrihana.

Sary

Mpitory Môrmôna nataon’i Arnold Friberg, niainga avy tamin’ny modely iray nataon’i Christen Dalsgaard. Ity toe-javatra iray ity, izay ahitana misiônera Olomasin’ny Andro Farany mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fianakaviana Danoa iray izay tafavory ao amin’ny tranony any ambanivohitra, dia maneho ny karazana asa fitoriana fanao tamin’ny taonjato faha-19. Ireo misiônera koa dia nampianatra teny amoron-dalana na tany amin’ireo trano fivoriana ao an-tanàna.

© IRI, nahazoana lalana tamin’i Arnold Friberg

Sary

Niomana hanao batisa i Wilford Woodruff tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen-dry Benbow, nataon’i Richard A. Murray. Notarihan’ny Tompo i Wilford Woodruff hankany amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i John Benbow tany Herefordshire, Angleterre tany amin’ny taona 1840 tany sy ireo taona taorian’izany. “Nisy olona tany izay nivavaka mba hahazoana ireo lamin-javatra fahiny,” araka ny nosoratan’i Wilford. “Ny vokany dia nanao batisa olona miisa enin-jato aho tao anatin’ny telopolo andro voalohany nahatongavako tany. … Nitondra olona valonjato sy arivo ho mpikamban’ny Fiangonana aho tao anatin’ny valo volana niasana tao amin’io firenena io. Nahoana? Satria nisy vahoaka voaomana handray ny Filazantsara tany” (“Discourse,” Deseret Weekly, Nôv. 7, 1896, 643).

Manorina eo ambonin’ny Lovantsika avy amin’ny Asa Fitoriana

Olomasin’ny Andro Farany an’alin-kisa no efa lasa misiônera nanomboka tamin’ny fotoana nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 2012 fa afaka mandeha manao asa fitoriana amin’ny taona latsaka kely amin’ilay teo aloha ny zatovolahy sy ny zatovovavy.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily 2013 dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny asa fitoriana ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly ary namporisika antsika tsirairay mba hitana toerana manan-danja eo amin’ity fahagagana mihatanteraka ity amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fitadiavana ireo izay vonona hihaino ny filazantsara: “Tahaka ny maha azo antoka ny nanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônera betsaka kokoa mba hanompo no hamohazana ihany koa ny saina sy hanokafany ny fon’ny olon-tsara sy marin-toetra maro kokoa mba handray ireo misiônerany. Efa fantatrao izy ireo na mbola ho fantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireo ary mipetraka ao amin’ny manodidina anao. Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am-pianarana ary mifanerasera aminao amin’ny Internet” (“Fahagagana Izany,” Liahona, Mey 2013, 78).

Sary

Tany aloha be tany, tany amin’ny taona 1851 dia nanao batisa ireo teratany tao amin’ny nosy Sandwich (Hawai) ireo misiônera vao tonga. Ny datin’ity sary ity kosa dia efa taty aoriana lavitra.

Tsy azo adika

Sary

Mizara ny Filazantsara Eny An-dalana, nataon’i Ken Spencer. Mizara ny filazantsara amin’ny lehilahy iray eo anoloan’ny trano fivarotam-boky iray any New Brunswick, New Jersey, États-Unis ireto misiônera roalahy ireto.

Nahazoana lalana avy tamin’i Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).

Sary

Misiônera Lalandava nataon’i Juei Ing Chen. Ireo mpikamban’ny Fiangonana any Taïwan, toy ireo mpikambana tsy an-kanavaka mitory ny filazantsara na aiza na aiza, dia mikatsaka ny hizara ny fifaliany ao amin’ny filazantsara sy ny soratra masina. Eo ambonin’ny latabatra ny soratra masina ary ao anatin’ilay ilay fitoeran-javatra avo be mangamanga ahitana horonan-taratasy dia misy sarin’ny Tempolin’i Taipei Taiwan.

© IRI, nahazoana lalana tamin’i Juei Ing Chen

Sary

Hamony Tahaka ny Raozy ny Lamanita, nataon’i Joselito Jesus Acevedo Garcia. Ity sary ity dia maneho ny fanahin’ny asa fitoriana eo anivon’ireo olona miteny Espaniôla. Miomana hitory ny filazantsara ny misiônera roa raha mandeha manatanteraka ny asany isan’andro kosa ny olona. Ny Tempolin’i Lima Pérou, izay mitoetra eo afovoan’ireo trano kely sy biby avy eo an-toerana, dia maneho ny fivoaran’ny Fiangonana.

Nahazoana lalana avy tamin’NY Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).

Sary

Ireo Misiônera Olomasin’ny Andro Farany any Sierra Léone, nataon’i Emile Wilson. Naorina tamin’ny 1 Jolay 2007 tany Freetown ny misiona voalohany tany Sierra Léone. Lasa tsatòka faha 3.000 ato amin’ny Fiangonana i Freetown tamin’ny 2 Desambra 2012.

Nahazoana lalana avy tamin’NY Church History Museum (Tranom-bakoky ny Fiangonana).