2013
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Mpahary
Ôktôbra 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Mpahary

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary fantaro izay tokony hozaraina amin’ireo rahavavy hovangianao. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao? Ho fampahalalana misimisy kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Nahary ny lanitra sy ny tany” (3 Nefia 9:15) i Jesoa Kristy. Nataony tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana izany ary teo ambany fitarihan’ny Raintsika any An-danitra. (jereo ny Mosesy 1:33).

“Tena tokony ho feno fankasitrahana isika noho ny nanamboaran’ny Mpahary hendry iray tany ho antsika sy noho ny nametrahany antsika eto,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson, “… mba hahafahantsika miaina fotoam-pitsapana, sy fotoana hahafahana misedra ny tenantsika mba hahatonga antsika ho mendrika hahazo ny zavatra rehetra nomanin’Andriamanitra ho antsika.”1 Rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika hankatoavana ny didin’Andriamanitra sy hibebahana, dia lasa mendrika ny hiara-hiaina Aminy indray.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, mikasika ny Fahariana hoe:

“Isika no antony nahariany an’izao rehetra izao! …

“Hevimifanohitra eo amin’ ny olombelona izao: tsinontsinona ny olona raha oharina amin’Andriamanitra; kanefa manan-danja be tokoa isika amin’Andriamanitra.”2 Ny fahafantarana fa noharian’i Jesoa Kristy ho antsika ny tany satria zava-dehibe ho an’ny Ray any an-danitra isika dia afaka manampy antsika hampitombo ny fitiavantsika Azy Ireo.

Avy ao min’ny Soratra Masina

Jaona 1:3; Hebreo 1:1–2; Mosià 3:8; Mosesy 1:30–33, 35–39; Abrahama 3:24–25

Avy amin’ny Tantarantsika

Nohariana araka ny endrik’Andriamanitra isika (jereo ny Mosesy 2:26–27), ary manana fahafahana ho lasa tahaka an’Andriamanitra. Nangataka ireo Rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith mba “hanaja ireo tombontsoa [nomena azy ireo].”3 Ireo rahavavy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehefa nanao izany famporisihana izany ho fototra iorenana dia nampianarina hanaja ny fahafahany ho lasa tahaka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatanterahan’izy ireo ny tanjon’Andriamanitra ho azy ireo. “Rehefa takatr’izy ireo hoe iza marina moa izy ireo—zanakavavin’Andriamanitra izay manana hery ara-boajanahary hitia sy hikolokolo—dia tonga eo amin’ilay toerana tokony hisy azy izy ireo amin’ny maha vehivavy masina azy ireo.”4

“Ianao izao dia napetraka ao anatin’ny toe-javatra iray izay ahafahanao manao asa mifanaraka amin’ireo fahaizana mangoraka izay efa napetrak’Andriamanitra ao anatinao ireo,” hoy ny Mpaminany Joseph Smith. “Raha manaja ireo fitsipika ireo isika dia tena zava-dehibe sy tsara izany!… raha manaja ireo tombontsoa nomena anareo ianareo, dia tsy hisy hanakana ny anjely tsy hiara-dia aminareo.”5

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny Hazakazaky ny Fiainana,” Liahona, Mey 2012, 91.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Manan-danja Aminy Ianao,” Liahona, Nôv. 2011, 20.

  3. Joseph Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 171.

  4. Filles dans Mon Royaume, 171.

  5. Joseph Smith, ao amin’ ny Daughters in My Kingdom, 169.

Sarin’ny Christus nalain’i David Nystul; SARY MANODIDINA NATAON’I Hemera/Thinkstock