2013
Amin’ny Fomba Ahoana no Hahafahako ho Tonga Misiônera Mahomby?
Ôktôbra 2013


Amin’ny Fomba Ahoana no Hahafahako ho Tonga Misiônera Mahomby?

Mipetraka any Maine, États-Unis ny mpanoratra.

Na toy ny ahoana na toy ny ahoana no fomba fiasanay sy ny namako dia nandà ny hafatra nentinay avokoa ny olona rehetra. Inona no azontsika atao mba ho lasa misiônera mahomby?

Tany amin’ny misiona nandritra ny iray taona mahery kely teo aho rehefa niaina fotoana tena sarotra tokoa. Tao anatin’ny fizaran-taona nanjombonjombona mihitsy izahay—vao niala tao anatin’ny ririnina mamanala ary niditra tao anatin’ny lohataona. Ary na toy ny ahoana na toy ny ahoana no fomba fiasanay sy ny namako dia nandà avy hatrany ny hafatra nentinay avokoa ny olona rehetra niresahanay. Rehefa nihaona tamin’ny misiônera hafa izahay dia nandre fa nandroso tsara ny asan’izy ireo. Tsy azoko an-tsaina mihitsy izay antony nahatonga anay ho tsy nahita fahombiazana toy izany. Efa nahatritra ny fotoana naha tany amin’ny sahan’ny misiona ahy ka efa haiko tsara ny fitenin’ny olona, mpinamana tsara izaho sy ny mpiara-mitory amiko, nahatoky anay ny mpikambana, ary niezaka nanaraka ny Fanahy sy nankatò tamin’ny antsakany sy andavany ireo lalànan’ny misiona izahay.

Kanefa, na inona na inona nataonay, dia nianjadian’ny fandavana izahay tamin’ny ezaka rehetra nataonay. Rehefa nandeha ny herinandro maro dia maro dia navelako handresy ilay ampahany tsara kokoa tato anatiko izany toe-panahy feno fahakiviana izany. Niteny aho ny farany nandritra ny fotoana iray nanaovanay drafitra hiomanana hoe “Fa inona no antony hanaovana izao? Tsy hisy hihaino antsika akory eo.” Hoy fotsiny ilay namako izay nanana fomba fijery tsara kokoa noho ny ahy hoe “Mametraka tanjona hanehoana ny finoantsika isika. Manara-maso ny fandrosoan’ny tanjontsika isika mba hanisantsika ireo fitahiana azontsika.”

Rehefa nisaintsaina ny hevitra avy aminy aho dia nahita fa fomba diso no nampiasaiko nandrefesana ny fahombiazako tamin’ny naha misiônera ahy. Ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera dia manome ny lisitr’ireo fitondrantenan’ny misiônera mahomby,1 ary hitako fa azon’ny misiônera tanterahina avokoa ireo fitondrantena ireo. Tsy azoko fehezina ny hoe hanaiky ve sa tsy hanaiky ny hafatry ny filazantsara ireo olona ao amin’ny misionako, saingy azoko fehezina ny hoe te ho karazana misiônera inona aho. Naneho tamiko ilay mpiara-manompo tamiko fa ny finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny fankasitrahana ireo fitahiany no hanome ahy fahafahana hamantatra ireo fomba efa naha-misiônera mahomby ny tenako.

Manampy Antsika Hahita Fahagagana ny Finoana

Nampanetry tena ahy ny nahafantatra fa tsy ampy finoana aho. Nitady sehatra azoko ampitomboana ny finoako aho ary nahita fa namela ny tenako ho kivy rehefa tsy nizotra araka ny drafitra nomaniko ny zavatra nataoko. Hoy ny Torio ny Filazantsarako hoe: “Ny fahakiviana dia hampihena ny finoanao. Raha ataonao ambanimbany kokoa ny fanantenanao, dia hihena ny fahavitanao ny asa, ary hihakely ny fanirianao ary dia ho sarotra kokoa aminao ny fanarahana ny Fanahy.”2 Tsapako fa navelako hampihena ny finoako ny tsy fahombiazanay.

Nanomboka nivavaka aho mba hiova fo sy hanana finoana bebe kokoa. Niantehitra ihany koa tamin’ilay fampanantenana nomena ao amin’ny Môrmôna 9:21 aho manao hoe: “Na zovy na zovy no mino an’ i Kristy, tsy miroanahana akory, na inona na inona hangatahiny ny Ray amin’ ny anaran’ i Kristy, dia hotovina aminy izany; ary izany fampanantenana izany dia ho an’ ny rehetra, ho an’ ny faran’ ny tany.” Nitarika ahy hivavaka tamin-kafanampo bebe kokoa hangataka ireo fitahiana sy fahagagana tsapako sy tsapan’ny namako fa nilainay io fampanantenana io, ary nampiako mandrakariva hoe “Atao anie ny sitraponao.” Nanampy ahy ireo vavaka ireo hanaiky tamim-pinoana lehibe kokoa ireo drafitra izay niova sy ireo tsy fahombiazana, ary fantatro fa mamaly ny vavaka atao amim-pinoana foana ny Ray any an-danitra—na dia tonga amin’ny fomba tsy nandrasanay aza ireo valim-bavaka. Nanjary nahay namantatra kokoa ireo fomba nitarihan’ny Tompo anay aho nandritra ny tontolo andronay.

Rehefa nanao ezaka tamin’ny fampahatanjahana ny finoako aho dia hitako fa marina ilay fehezanteny notsongaina tao amin’ny Torio ny Filazantsarako manao hoe: Raha ataonao lehibe ny fanantenanao, dia hitombo ny fahavitanao ny asa, ary hitombo ny fanirianao ary dia ho afaka ny hanaraka ny Fanahy bebe kokoa ianao. Ankoatra izany, dia nanana fanantenana kokoa mikasika ny asa fitoriana sy ny asa fanompoan’ny misiônera aho rehefa afaka nahafantatra sy nankamamy ireo fahagagana izay niseho isan’andro.

Manakana ny Fialonana ny Fankasitrahana

Nanomboka naneho tamiko ny Tompo fa nanao fahagagana ho anay isan’andro Izy—kanefa tsy afaka nahatsikaritra azy ireny aho raha tsy nanao izay rehetra azoko natao mba hanana fankasitrahana marina. Mihoatra noho ny fahazarana tsara na ny fahalalam-pomba fotsiny ny fankasitrahana. Nitombo hery aho rehefa naneho fankasitrahana ny Tompo sy ny hafa. Tsikaritro fa nanjary faly tamin’ireo misiônera hafa aho fa tsy nialona rehefa nahita fahombiazana izy ireo (jereo ny Almà 29:14, 16). Afaka nifantoka kokoa tamin’izay nananako sy izay nety aho fa tsy tamin’izay tsy nananako na izay tsy nety.

Nianatra aho fa ny fankasitrahana no fanefitry ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa. Nisy ireo fotoana nahatsapako ho toy ny misiônera tsy mahomby ireo satria hoy aho tamin’ny tenako hoe “Tsy miasa tsara tahaka azy ireo aho,” na hoe “Mahay kokoa noho izaho izy ireo amin’ity zavatra ity.” Nianatra koa aho fa raha toa ka fomban’ny Tompo ny manome antsika ohatra tsara mba harahina dia fomban’i Satana kosa ny maka fanahy antsika hampitaha ny tenantsika amin’ireo misiônera hafa ireo mba hamantarantsika ny lanjantsika sy ny fahombiazantsika. Saingy mazava ny voalazan’ny Torio ny Filazantsarako mikasika izany: “Aza mampitaha ny tenanao amin’ny misiônera hafa ary aza mampitaha ny vokatry ny ezakao amin’ny azy ireo eo amin’ny isa tratra.”3 Raha ny marina dia nanampy ahy hisoroka ny fireharehana ny fankasitrahana, ary nampahatsiahy ahy fa mandray an-tanana ny asany ny Tompo. Tsy nilaiko ny nialona noho ny fahitako fa toy ny nahita fahombiazana kokoa ireo misiônera namako.4

Ny Fandrefesana Marina ny Fahombiazana

Talohan’ny nanako izany fiovana eo amin’ny fomba fijery izany, dia nifantoka be loatra tamin’ny karazam-pitahiana iray miavaka aho, izay nahatonga ahy hanadino ny hamela ny masoko hisokatra tamin’ireo fomba hafa namalian’ny Tompo ny vavakay sy ny nitahiany ny asa fitoriana nataonay. Tamin’ny farany, dia nanomboka nitahy ny asa fitoriana teo amin’ny faritra niasanay tamin’ny fomba kanto sy tsy nampoizina ny Tompo. Nahita olona vonona ny hanaiky ny hafatray izahay, kanefa nianatra aho tamin’izany fotoana izany ny tsy handrefy ny fahombiazako tamin’ny alalan’ny safidin’ny hafa.

Nizara ny torohevitry ny filohan’ny misiona iray ny Filoha Gordon B.Hinckley (1910–2008) mikasika ny asa fitoriana manao hoe: “Ataovy izay tsara vitanao, izay tena tsara indrindra vitanao. Mivavaha sy miasa mafy ary avelao ho an’ny Tompo ny fijinjana ny vokatra.”5 Ny Torio ny Filazantsarako dia mampianatra zavatra iray mitovy amin’izany mikasika ny misiônera mahomby manao hoe: “Manaova izay tsara indrindra vitanao amin’ny fitondrana fanahy eo amin’i Kristy ary miezaha am-pahamatorana ny hianatra sy hanatsara.”6

Rehefa mbola nanana fahavononana hibebaka aho, rehefa mbola naneho tamin’ny Tompo aho fa nanao ny tsara indrindra vitako, dia afaka nahatsapa fahatokian-tena fa misiônera nahomby—na nanaiky ny hafatra nentinay ny olona na tsia. Amin’ny lafiny maro dia azo notsaraina tamin’ny alalan’ny fahavononako hibebaka sy ny fahavononako hanohy hiasa ny fatran’ny fahombiazako tamin’ny naha-misiônera ahy.

Misy fahagagana maro voarakitra ao amin’ny diariko nanomboka tamin’io fotoana io tany amin’ny asa fitoriana nataoko. Rehefa niezaka ny nahatoky sy nankasitraka kokoa aho, dia nanana fomba fijery tsaratsara kokoa, tsy tafalatsaka tao anatin’ny hakiviana, ary nahatsapa ny Fanahy bebe kokoa tao anatin’ny asa fitoriana. Hitako fa marina ny zavatra ampianarin’ny Torio ny Filazantsarako manao hoe: “Rehefa nahavita ny tsara indrindra vitanao ianao dia mety mbola hiaina fahadisoam-panantenana, nefa tsy ho diso fanantenana aminao ianao. Afaka mahatoky ianao fa faly ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina miasa amin’ny alalanao ianao.”7 Ary rehefa nahatsapa aho fa faly tamiko ny Tompo dia afaka niaritra ny fizahan-toetra rehetra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 12.

  2. Torio ny Filazantsarako, 12.

  3. Torio ny Filazantsarako, 10.

  4. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Ireo Mpiasa ao amin’ny Tanimboaloboka,” Liahona, Mey 2012, 31.

  5. Gordon B. Hinckley, “Find the Lambs, Feed the Sheep,” Liahona, Jolay 1999, 120.

  6. Torio ny Filazantsarako 12.

  7. Torio ny Filazantsarako 12.

Amin’ny lafiny maro dia azo notsaraina tamin’ny alalan’ny fahavononako hibebaka sy ny fahavononako hanohy hiasa ny fatran’ny fahombiazako tamin’ny naha-misiônera ahy.

Sary fanaingoana nataon’i Del Benson