2013
Manaraha ny Diany
Ôktôbra 2013


Manaraha ny Diany

Dingana tsikelikely mandritra ny androm-piainana ny fahatongavana ho tahaka ny Mpamonjy, ary afaka manomboka amin’ny alalan’ny fanaovana dingana kely isan’andro ianao.

Sary
Christ walking with sheep in the background.

Mamporisika antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ny soratra masina sy “[h]andeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2:6). Kanefa mety ho sarotra ny manao izany dingana voalohany izany—indrindra fa rehefa tsy fantatrao ny fomba hanombohana izany.

Hahita fanampiana ianao ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera. Mety hieritreritra ianao fa boky torolalana ho an’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno ihany izany, kanefa fitaovana lehibe marina tokoa izany, izay afaka manampy anao hanomboka hanatratra ny tanjonao mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy. Ny fizarana 6 dia natao mba hanampiana anao hahatakatra sy hampihatra toetra miavaka tahaka ny an’i Kristy miisa sivy.

Ireto misy torohevitra vitsivitsy mikasika ny fomba ampiasana ny Torio ny Filazantsarako sy ny soratra masina eo am-pikatsahanao ny hampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy:

  • Hanombohana izany dia jereo ny Fampiharana momba ny Toetra ao amin’ny faran’ny fizarana 6 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 152). Afaka manampy anao ity fampiharana ity hamaritra hoe inona avy ireo toetra izay loharanon’ny tanjakao ara-panahy amin’izao fotoana izao sy ireo izay tokony hanaovanao ezaka.

  • Rehefa vita ilay fampiharana dia mifidiana ombam-bavaka toetra iray hifantohana. Vakio ny fizarana ao amin’ny fizarana 6 izay miresaka mikasika izany toetra izany.

  • Mametraha tanjona mazava sy azo refesina izay hanampy anao hanana io toetra io. Makà fe-potoana hanatratraranao ny tanjonao. Avy eo dia tombantombano ny fandrosoanao. Raha miezaka ny hanana fiantrana bebe kokoa ohatra ianao, dia afaka mametraka tanjona ny hilaza zavatra tsara mikasika ireo iray tampo aminao in-telo isan’andro mandritra ny herinandro iray. Amin’ny fiafaran’ny herinandro dia hanao tombantombana ianao mikasika ny fomba nanatratraranao ny tanjonao sy ny fomba nanaovanao fanitsiana izay hanampy anao hanohy hivoatra.

  • Ny Torio ny Filazantsarako dia manolotra soratra masina hohalalinina miaraka amin’ny toetra tsirairay. Afaka mandalina amim-bavaka ireo soratra masina voatanisa ianao ary manoratra ireo fahatsapana tonga ao aminao rehefa mamaky izany.

  • Mangataha fanampiana amin’ny Ray any an-danitra rehefa mikatsaka ny hanana toetra iray tahaka ny an’i Kristy. Mangataha fanampiana voafaritra tsara toy ny hoe “Mba omeo ahy ny hery handreseko ny fahatezerako rehefa maka ny zavatro ireo mpiray tampo amiko.” Arakaraky ny maha-voafaritra tsara ny vavaka ataonao no maha-mora aminao ny hamantatra ny valintenin’ny Tompo.

Ny fahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika dia dingana mandeha tsikelikely sy zavatra mitohy mandritra ny fiainana. Indraindray dia mety ho toy ny sarotra dia sarotra izany. Kanefa aza kivy. Nampanantena antsika ny Tompo hoe: “Izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (F&F 50:24). Rehefa mandray sy mandalina ary mampihatra ny hazavana sy ny fahamarinana isika, ary manohy manaraka an’Andriamanitra isan’andro, dia afaka mahazo antoka fa ho lasa mitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Mitady ilay Iray, nataon’i Liz Lemon Swindle, tsy azo adika; sary fanaingoana © Shayla Marie Fursov; sary lafika © iStock/Thinkstock; filigranes © Hemera/Thinkstock

Ireo Lesona Alahady

Ny Lohahevitra amin’ity Volana ity: Tonga Bebe Kokoa Tahaka an’i Kristy