2013
Fanontaniana sy Valiny
Ôktôbra 2013


Fanontaniana & Valiny

“Inona no tokony holazaiko amin’ ireo tsy mpikamban’ ny Fiangonana izay manontany hoe fa maninona ny sasany amin’ ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana no tsy miaina ny fitsipika iainantsika?”

Tena ho mafinaritra tokoa raha miaina feno ny filazantsara avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Tsy hoe hahazo fitahiana betsaka kokoa fotsiny eo amin’ny fiainany izy ireo fa ho ohatra lehibe ho an’ny manodidina azy ireo ihany koa. Saingy mbola mbola olombelona mety maty isika, ka noho izany dia mbola somary tsy mahomby indraindray. Ny antony lehibe mahatonga ny hoe miaina feno kokoa ny filazantsara ny olona sasany raha mitaha amin’ny hafa dia satria isika tsirairay dia eo amin’ny dingana samihafa eo amin’ny fiovam-pontsika sy eo amin’ny lafin’ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona. Samy hafa ny fizahan-toetra sy ny loharano ananantsika ary samy hafa ny olona manampy antsika.

Mety tsy hahatakatra ny teny toy ny hoe “fiovam-po” sy “fijoroana ho vavolombelona” ireo tsy mpikambana, kanefa hahatakatra izy ireo fa afaka misafidy ny fomba iainany ny olona tsirairay. Azonao hazavaina fa toy izany no fomba nokasain’ny Ray any an-danitra hanaovana azy. Nomeny antsika ny fahafahantsika misafidy mba hahafahantsika mitombo ara-panahy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsara. Saingy fantatry ny Ray any an-danitra ihany koa fa ny olona rehetra—afa-tsy i Jesoa Kristy—dia hanao fahadisoana, ka noho izany dia nanome Mpamonjy ho antsika Izy. Noho ny Sorompanavotana dia afaka mibekaka isika, sy ho voavela heloka, sy mianatra avy amin’ny fahadisoantsika, ary mandroso eo amin’ny fiainana.

Azonao hazavaina koa fa tsy mitsaratsara ireo izay tsy manaraka ny fitsipiky ny Fiangonana isika. Manampy azy ireo kosa isika sy maneho halemem-panahy ary maneho faharetana amin’izy ireo. Na dia tsy manaiky ny fahotana aza isika dia tsy manameloka ny mpanota (jereo ny Jaona 8:11). Mbola azo atao ny fibebahana ho antsika rehetra.

Karohy ny Soratra Masina

Azo jerena ao amin’ny soratra masina ny valin’ilay fanontaniana. Rehefa misy olona tsy mitandrina ny didy dia tokony hiala amin’ny fitsaratsarana isika (jereo ny Matio 7:1). Hoy ny Rômana 3:23 hoe “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” Kanefa dia marina fa tokony hiezaka ny hankatò ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Madison M., 13 taona, Texas, États-Unis

Mampianara momba ny Sorompanavotana

Rehefa miteny zavatra toy izany ny olona dia ampiasaiko ho toy ny fahafahana ampianarana mikasika ny Sorompanavotana izany fotoana izany fa tsy itadiavana ny fahadisoan’ny mpikambana izay tsy manaraka ireo fitsipika. Lazaiko amin’izy ireo fa ny maha-Môrmôna antsika fotsiny dia tsy midika fa hoe tonga lafatra isika ary manana ny Sorompanavotana isika, ka noho izany dia afaka mibebaka amin’ny fahotantsika sy manitsy ireo fahadisoana ireo. Matetika izany no manokatra varavarana ho an’ny fanontaniana maro kokoa.

Jayde H., 16 taona, Oregon, États-Unis

Mampianatra Antsika Hanao ny Tsara ny Fiangonana

Tahaka ny olona hafa rehetra dia miaina zava-tsarotra sy fakam-panahy ireo mpikamban’ny Fiangonana. Manana fahalemena avokoa isika rehetra, kanefa tsy midika izany fa tsy marina ity Fiangonana ity. Fiangonan’i Jesoa Kristy ity, izay manampy ny olona hahafantatra ny filazantsara marina sy hahazo ny fisandratana faratampony. Ny olona araka ny nofo no tsy mankatò ny didy (jereo ny Môsià 3:19), ary tsy fahadisoan’ny Fiangonana izany. Mampianatra antsika hanao asa tsara ny Fiangonana. Saingy manana safidy isika rehetra.

Lavinia S., 19 taona, Bulacan, Philippines

Natao Hitondra Fahasambarana ho Antsika ireo Fitsipika

Efa mahazatra ahy ity fanontaniana ity satria aho mahafantatra olona vitsivitsy nanao safidy izay nitondra azy ireo nanalavitra ny filazantsara. Manome didy antsika ho an’ny fahasambarantsika ny Tompo ary “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Tian’ny Tompo hiverina any Aminy isika, kanefa, tiany hanao ny safidintsika manokana isika. Izany no antony tsy iainan’ny olona sasany ny fitsipika arahantsika. Manampy ahy manokana ireo fitsipika satria fantatro fa nomen’ny Ray any an-danitra ahy izy ireny mba hahafahako miverina any Aminy sy hiara-hiaina miaraka aminy ary ho sambatra. Porofon’ny fitiavany ahy izy ireny.

Morgane D., 18 taona, Languedoc-Roussillon, France

Meteza Ho Ohatra

Tena ilaina ity Fiangonana ity hanampy antsika hanatanteraka ireo didin’ny Raintsika any an-danitra sy hiara-hiaina Aminy indray. Kanefa ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray fotsiny dia tsy midika fa ho lasa olona tsara mandrakariva izy. Jereo ny tontolo misy antsika amin’izao fotoana izao, feno faharatsiana sy fahavetavetana, na dia feno olona nanapa-kevitra ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana aza. Amiko, ny zavatra tsara indrindra azontsika atao dia ny maneho ohatra ho an’ireo namantsika.

Kaden S., 15 taona, Utah, États-Unis

Iaino ny Fitsipika Arahantsika

Tahaka ireo fikambanana na antokom-pivavahana hafa rehetra ihany, dia misy olona sasantsasany izay manolo-tena kokoa na tsy dia manolo-tena loatra. Mila miaina ny fitsipika natao arahantsika araka izay azontsika atao fotsiny isika ary manantena sy mivavaka mba hanaovan’ny hafa toy izany koa.

Maren S., 16 taona, Arizona, États-Unis

Mivavaha ho Azy ireo ary Vangio Izy ireo

Mety tsy manana fijoroana ho vavolombelona mifantoka amin’i Jesoa Kristy ireo mpikambana izay tsy miaina ireo fitsipika arahantsika. Tokony hivavaka ho azy ireo isika mba hitadiavan’izy ireo ny fitarihan’ny Fanahy sy mba hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana. Tokony hamangy ireo olona ireo isika ary hanampy azy ireo hanatona an’i Kristy.

Andrea C., 13 taona, Lima, Pérou