2013
Nahoana Aho no Mila Manao Fibabohana any amin’ny Evekako ary Inona Avy ny Zavatra Ilaiko Ibabohana?
Ôktôbra 2013


Nahoana Aho no Mila Manao Fibabohana any amin’ny Evekako ary Inona Avy ny Zavatra Ilaiko Ibabohana?

Sary
Loholona C. Scott Grow

Ny fanampiana anao hibebaka dia ampahany miavaka amin’ny antson’ny eveka. Ny feon’ny fieritreretanao no hilaza aminao ny fotoana tokohy hiresahanao aminy.

Mety hanontany tena ianao hoe nahoana ianao no ampianarina hibaboka amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao rehefa nanao fahotana lehibe. Mety hilaza amin’ny tenanao ianao hoe “Angaha moa ny fibebahana tsy zavatra an’ny tena manokana eo amiko sy ny Tompo ihany? Raha efa nitsahatra tamin’ny fitondrantena tsy nety aho ary nibaboka tamin’Andriamanitra, nahoana aho no mila miresaka amin’ny evekako?”

Sary
A young woman seated across the desk from her bishop.

Sary fanaingoana nataon’i Christina Smith

Nahoana no ny Eveka Fa Tsy Olon-kafa?

Maro amin’ireo tanora no mahazo aina kokoa rehefa mamboraka ny fahadisoany amin’ireo ray aman-dreniny na ireo mpitarika ny tanora. Na dia afaka manome fanampiana sy torohevitra ilaina aza ny ray aman-dreninareo sy ireo mpitarika, dia ny eveka no nambaran’ny Tompo fa mpitsara tsotra ho an’i Isiraely (jereo ny F&F 107:72, 74). Manana andraikitra izy hamantatra ny fahamendrehan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny. Amin’ny alalan’ny fanendrena sy ny fiainana amim-pahamarinana, no hananan’ny Eveka zo hahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny, ao anatin’izany ianao.

Afaka manome fanampiana anao ny eveka mandritra ny dingan’ny fibebahana amin’ny fomba tsy azon’ireo ray aman-dreninao na ireo mpitarika hafa omena anao. Raha toa ka tena lehibe ilay fahotana dia mety hanapa-kevitra izy fa tokony hoferana ireo tombontsoanao manokana ao amin’ny Fiangonana. Ohatra, ao anatin’ilay dingan’ny fibebahanao dia mety hangataka anao izy hitsahatra amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo na amin’ny fampiasana ny fisoronana mandritra ny fotoana voafetra. Hiara-hiasa aminao izy ary hanapa-kevitra hoe rahoviana ianao no mendrika ny hanao indray ireo zava-masina ireo.

Hanoro hevitra anao ny evekanao mikasika ny zavatra tokony hatao mba hampatanjahana ny fahafahanao manohitra ny fakam-panahy. Mety hamporisika anao izy handalina lohahevitra ara-potopampianarana iray, tahaka ny fibebahana, ary avy eo dia hizara aminy ny zavatra nianaranao ianao. Mety hangataka anao izy hihaona aminy isan-kerinandro mba hanao tatitra mikasika ny hoe manao ahoana ianao amin’ny fanalanao ny tenanao amin’ireo toe-javatra maka fanahy.

Rahoviana Aho no Tokony Hiresaka Aminy?

Mety mieritreritra ianao hoe “Toa tsara avokoa izany, kanefa amin’ny fomba ahoana no hahalalako raha lehibe tokoa ny zavatra nataoko ka mila miresaka amin’ny eveka aho?” Fohy ny valiny: “Ny feon’ny fieritreretanao no hiteny aminao.” Rehefa mahatsapa ny bitsiky ny feon’ny fieritreretanao ianao dia mandraisa andraikitra avy hatrany (jereo ny Almà 34:31–34).

Nampianatra izao manaraka izao ny Mpanjaka Benjamina mikasika ny fibebahana: “Izao dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; fa misy lalàna sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisaina izy ireny” (Môsià 4:29). Ka noho izany dia mamelà ahy ianao hizara fitsipika vitsivitsy izay hanampy anao handray izany fanapahan-kevitra izany fa tsy ny hitanisa amin’ny antsipiriany ireo zavatra izay tsy maintsy hibabohanao amin’ny evekanao.

Inona no Zavatra Tokony Hibabohako?

Fantatro fa niezaka ny hankatò ianao, kanefa mety nanao fahadisoana ianao—fahadisoana lehibe mihitsy aza. Azo vahana amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy ny fibebahana amin-kitsimpo ny ankamaroan’ny fahadisoana ataon’ny olona. Ny fahadisoana sasany, indrindra fa ny fahalotoam-pitondrantena dia mitaky fibabohana amin’ny eveka alohan’ny ahazoanao ny famelan-keloky ny Tompo.

Rehefa mieritreritra mikasika ireo fahadisoana vitanao ianao dia mety hahatsapa ho meloka, tsy tafatombina, tsy faly, na fadiranovana mihitsy. Raha mahatsapa na inona na inona amin’ireo fahatsapana ireo ianao dia tena mila miresaka amin’ny evekanao mikasika ireo fahadisoana ireo tokoa.

Aza manamarin-tena na mitady fialan-tsiny amin’ny fahamelohanao. Mety hieritreritra ianao hoe “Mety hahamenatra loatra ny milaza amin’ny eveka ny zavatra nataoko. Mihevitra izy fa olona tsaratsara kokoa noho izany aho. Ho tohina izy raha teneniko aminy ny zavatra nataoko. Tsy ho tia ahy intsony izy.”

Mampanantena anao aho fa tsy hanameloka anao izy. Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy, dia ho tsara fanahy sy halemy fanahy aminao izy rehefa mihaino anao. Avy eo izy dia hanampy anao mandritra ireo dingan’ny fibebahana. Iraky ny famindram-pon’ny Tompo izy mba hanampy anao ho lasa madio amin’ny alalan’ny rompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hoy ny Tompo hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.

“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (F&F 58:42–43).

Rehefa mibaboka sy mahafoy ny fahotanao ianao dia hamela anao ny Tompo. Tsy ho tompon’andraikitra eo anatrehany ny amin’ireo fahotana ireo intsony ianao rehefa tonga ny fotoana hitsarana anao.

Ary Ahoana Raha Tsy Mibaboka Aho?

Indraindray dia hitsahatra tsy hanao ratsy ny olona iray fa tsy hibaboka mihitsy amin’ny evekany amin’ny fotoana tokony hanaovana izany. Vokatr’izany dia manohy mitondra ny enta-mavesatry ny fahotana irery ilay olona fa tsy mamela ny Tompo hanaisotra ilay enta-mavesatra.

Mamelà ahy hanome ohatra iray. Indray takariva, taona vitsy lasa izay, dia nanao dinidinika tamin’ny olon-dehibe maro aho izay nanavao ny fahazoan-dalan’izy ireo ho any amin’ny tempoly. Tonga tamin’ny anjara dinidinika ho azy ny vehivavy iray teo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 50 taona teo. Nanambady tany amin’ny tempoly izy ary nazoto tao amin’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainany.

Nahatsapa alahelo lalina tao anatin’ny fanahiny aho. Rehefa nandeha ny dinidinika dia nahazo fahatsapana ara-panahy aho. Hoy aho taminy hoe “Ry rahavavy, mahatsapa aho fa nanao fahadisoana lehibe ianao tamin’ny naha-zatovo anao, izay tsy mbola nibabohanao tamin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Vonona ny hiresaka izany amiko ve ianao?”

Nanomboka nitomany avy hatrany izy. Nilaza tamiko izy fa marina izany, kanefa nahatsapa ho menatra hatrany izy ny hibaboka izany tamin’ny eveka iray. Rehefa nibaboka izay nataony izy dia nizara antsipiriany ampy handraisako fanapahan-kevitra ny amin’ny fahamendrehany.

Ny fibabohany ny fahotany tamin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia nanamarika ny fiafaran’ny dingan’ny fibebahany fa tsy ny fiandohany. Nitondra ilay enta-mavesatra sy alahelo noho izany fahotana izany nandritra ny 30 taona mahery izy, nefa tsy nilaina akory izany.

Koa satria nahavita ny dingana farany teo amin’ny fibebahany izy, dia voafafa ny fahamelohany. Nahita azy aho indraindray taorian’io takariva nanaovana dinidinika io. Lasa namiratra ny endriny ary faly izy.

Tiako ho fantatrao fa tsy tadidiko ny anarany. Afaka manaisotra ny fahatsiarovana toy izany amin’ireo eveka ny Tompo. Ny hany tadidiko dia hoe nesorina teo amin’ilay vehivavy iray teo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 50 taona teo ilay fahatsapana fahamelohana izay nentiny nandritra ny taona maro loatra tamin’ny alalan’ny fibabohana tamin’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana.

Miangavy anao aho tsy hanao izany fahadisoana izany. Raha manana fahatsapana fahamelohana ianao kanefa tsy mahazo antoka raha toa ka mila mibaboka amin’ny evekanao na tsia, dia mandehana mihaona aminy. Avelao izy hanampy anao. Aza mitady loza hitondra enta-mavesatra tsy tokony hoentina mandritra ny androm-piainanao, izay hamela anao hahatsapa ho fadiranovana. Amin’ny alalan’ny fibabohanao amin’ny eveka sy ny fibebahanao no hanaisoran’ny Tompo izany enta-mavesatra izany tsy ho ao anatinao (jereo ny Isaia 1:18).

Nahoana Aho No Mila Mibebaka?

Sary
A young woman seated across the desk from her bishop.

Nanonitra ny saran’ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny sorompanavotany. Manasa anao Izy hibebaka sy hisoroka ny alahelo sy ny fijaliana fanampiny. “Mibebaha, fandrao … ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy. …

“Koa didiako ianao hibebaka, … ary hiaiky ny fahotanao ianao fandrao hiharan’ireo famaizana izay efa noteneniko ireo” (F&F 19:15–17, 20).

Mijoro ho vavolombelona aho fa efa nanonitra ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny fijaliany i Jesoa Kristy. Afaka ny ho voavela heloka ianao raha mbola mibebaka. Aza miezaka manonitra ny saran’ny fahotanao. Tsy misy fatran’ny fijalianao ka afaka hanavotra anao fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ihany no ahafahanao mahazo famelan-keloka.

Enga anie ianao ka hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy fa amin’ny alalan’ny fibebahana, tafiditra ao anatin’izany ny fibabohana amin’ny evekanao raha ilaina izany, no ahafahanao ho tonga madio. Ankoatra izay, amin’ny alalan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy—ilay heriny manome fahafahana—no ahafahanao ho tonga matanjaka eo amin’ny fahafahanao manohitra ny fakam-panahy amin’ny hoavy. Amin’izany ianao dia hanana fiadanan-tsaina sy fahasambarana eto amin’ity fiainana ity, ary handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.