2013
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Nôvambra 2013


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Nalahatra manaraka ny abidia ireo mpandahateny ary ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(92) Tsy navelan’ny vadiny hiangona ny renim-pianakaviana Bireziliana mahatoky iray saingy nalefan’io renim-pianakaviana io niangona kosa ireo zanany.

M. Russell Ballard

(43) Nifaly noho ny fahombiazana tamin’ny asa fitoriana ny fianakaviana iray rehefa niatrika tamim-pahamatorana ilay fanamby mba hanafaingana ny asa famonjena.

David A. Bednar

(17) Nahazo fitahiana ny fianakavian’i Susan Bednar (izay mbola zatovovavy tamin’izany) noho ny fanajana ny lalàn’ny fahafolonkarena.

Gérald Caussé

(49) Mora kokoa ho an’i Gérald Caussé sy ny fianakaviany ny nipetraka tao amin’ilay tanàna vaovao iray noho ny fandraisana tena tsara nataon’ireo Olomasin’ny Andro Farany.

D. Todd Christofferson

(29) Niditra ho mpikambana tao amin’ny vondron’olona iray mpanao asa an-tsitrapo i Anna Daines mba hanesorana ny fitsara an-tendrony atao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Quentin L. Cook

(88) Nanapa-kevitra ny hanorina tontolo iray ao am-piasany izay hanjakan’ny fahatsapana ho toy ny ao anatin’ny fianakaviana iray sy fahatsapana fitiavana i Quentin L. Cook sy ireo mpisolo vava hafa.

Edward Dube

(15) Notenenin-dreniny i Edward Dube fony izy zatovolahy mba hijery ny eny aloha fa tsy ny any aoriana raha niaraka niasa teny an-tsaha izy ireo.

Timothy J. Dyches

(37) Namela ilay miaramila Nazi taloha izay iray tamin’ireo mpiandry azy tao amin’ny toerana fampitobiana babo i Corrie ten Boom.

Henry B. Eyring

(58) Voatahy i Henry B. Eyring fony zatovolahy rehefa niaraka tamin’ny evekany mba hamangy ireo mpikambana sahirana.

(69) Niray saina i Mildred sy i Henry Eyring tamin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo hiverina hipetraka any Utah eo akaikin’ny fianakavian’i Mildred.

Randy D. Funk

(52) Rehefa avy nihaino ny tantaran’i Joseph Smith tamin’ny fiteny iray tsy azony ny vehivavy iray naman’ny Fiangonana tany Inde, dia nangataka ny hatao batisa.

Kevin S. Hamilton

(99) Nanomboka niala ny Fiangonana ny fianakaviana iray noho ilay fanapahan-kevitra handehandeha mandritra ny Alahady toy izay hanatrika ny fivoriana Fanasan’ny Tompo.

Jeffrey R. Holland

(40) Nahafantatra ny rahavavy iray fa ny tanjony dia ny ho reny taorian’ny naharatrany mafy tao anatin’ny lozam-piaramanidina iray.

Richard J. Maynes

(79) Nijanona tampoka ny fon’ny rain’ny raiben’i Richard J. Maynes tany am-panaovana asa fitoriana.

Thomas S. Monson

(61) Feno fankasitrahana ny mpampianatra isan-tokantrano mahatoky iray rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray izay novangiany nandritra ny taona maro.

(85) Nanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny lehilahy iray efa tena voky taona izay efa tsy mahita na mandre intsony i Thomas S. Monson.

S. Gifford Nielsen

(33) Manana kiraro iray maintimanja efa simba izay an’ny misiônera iray nahita fahombiazana ny filohan’ny tsatòka iray.

Adrián Ochoa

(102) Faly ireo olona tao amin’ny fianakaviana rehefa tafaverina nody taorian’ny oram-baratra i Adrián Ochoa tovolahy kely sy ireo zanaka roa lahin’ny nenitoany.

Bonnie L. Oscarson

(76) Tsy nanaiky ny hananganan’ny fianakaviana iray tsy Olomasin’ny Andro Farany ny zanany vavy izay 16 taona i Agnes Hoggan.

Boyd K. Packer

(26) Notoroana hevitra i Boyd K. Packer mba hamporisika ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka iray ao anatin’ny fahasarotana mba hamaky ny soratra masina.

L. Tom Perry

(46) Fony mbola ankizilahy i L. Tom Perry sy ireo ankizy hafa tao amin’ny Kilonga dia nihanika teny amin’ilay toerana ankafizina iray teo amin’ilay cañyon niaraka tamin’ny mpampianatra azy ireo.

Linda S. Reeves

(118) Nisy vehivavy iray mikasa ny hatao batisa izay mandeha ao anaty fotaka amin’ny halaviran-dalana 3 km rehefa mankany am-piangonana.

Ulisses Soares

(9) Nipetraka tany ivelan’ny fiangonana sy nihaino ny fotoam-pivavahana avy eo amin’ny varavarankely iray i Moses Mahlangu sy ireo olona hafa tany Afrika Atsimo.

Carole M. Stephens

(12) Nandray tsodranon’ny fisoronana avy amin’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana ireo rahavavy mahatoky tany Honduras.

(115) Nitandrina ny fanekempihavanany mba hiaraka ory amin’ny hafa ny ankizilahy 10 taona iray rehefa nampahery ilay renin’ny dadabeny mananotena.

Dieter F. Uchtdorf

(21) Nanofy ny lehilahy iray hoe nisy mpivady Olomasin’ny Andro Farany nanazava ireo fomba ahafahana manompo ao amin’ny Fiangonana.

(55) Nianjera i Dieter F. Uchtdorf rehefa nanao ski ary tsy tafatsangana raha tsy nampian’ny zafikeliny lahy.

Arnulfo Valenzuela

(35) Niverina niangona ny rahavavy malaindaina iray rehefa nahatsapa ny Fanahy Masina nandritra ny fiarahany nihira tamin’ireo mpamangy isan-tokantrano miandraikitra azy.

Terence M. Vinson

(104) Voavaly ny vavaka nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky iray tany Papua Nouvelle Guinée rehefa indro nisy orana namono tampoka ilay afo saika hamotika ny volin’ilay tanàna.