2013
Takio ireo Fitahian’ny Fanekempihavananao
Nôvambra 2013


Takio ireo Fitahian’ny Fanekempihavananao

Sary

Rehefa manavao sy manaja ny fanekempihavanantsika isika dia ho maivana ny enta-mavesatsika ary afaka ny ho tonga madio lalandava sy hahazo hery isika.

Ry rahavavy isany, mahafinaritra ery izany miaraka aminareo eto indray.

Vao haingana aho no nifankafantatra tamin’ny vehivavy iray izay niomana hatao batisa. Tamin’io Alahady io dia tonga tao am-piangonana izy rehefa avy nandeha an-tongotra 3 km tao anaty fotaka be. Nandeha avy hatrany tao amin’ny efitrano fidiovana izy, nanala ireo akanjony feno fotaka, nanasa ny tenany, ary nanao akanjo madio fitondra Alahady. Niresaka mikasika ny fiovam-pony izy tao amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanohina ny foko ny faniriany lehibe mba hodiovina amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary ilay fahavononany hamela ny “fahazarany taloha” mba hanaovany fanekempihavanana masina amin’ny Raintsika any an-danitra. Nisaraka tamin’ny olon-tiany izy, nandresy ny fiankinan-doha mba hahafahany miaina ny Tenin’ny Fahendrena, niala tamin’ny asa fanaony Alahady ary nilaozan’ireo namana tiany rehefa nilaza tamin’izy ireo ny fikasany hatao batisa. Tsy andriny tokoa ny hibebaka amin’ny fahotany rehetra mba hahafahany mahatsapa ho madio sy mahatsapa ilay fitiavana manavotry ny Mpamonjy. Notaomim-panahy tamin’ny alalan’ny faniriany ho tonga madio ara-batana sy ara-panahy aho tamin’io maraina io.

Fantatray fa maro aminareo no nahafoy zavatra maro tahaka izany rehefa nahatsapa ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona ary naniry tokoa ny hibebaka, hatao batisa ary hodiovina. Mety tsy misy fotoana hafa ahatsapantsika be dia be tokoa ny fitiavana masin’ny Mpamonjy toy ny ahatsapantsika izany rehefa mibebaka isika sy mahatsapa ny fiantefan’ny fitiavany antsika ary manome antoka antsika ny amin’ny fitiavany sy ny fanekeny antsika.

Alahady vitsivitsy lasa izay, rehefa nihaino ny vavaky ny fanasan’ny Tompo iray aho, dia nanohina ny foko ny fomba nanononan’ilay mpisorona ny teny tsirairay tamim-pihetseham-po lehibe. Nantsoiko an-telefaonina io mpisorona io taoriana kelin’izay mba hisaorako azy tamin’ny fanampiany, mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho traikefa lalina ara-panahy ho ahy sy ny mpiangona. Tsy tao an-trano izy fa ny reniny no namaly hoe: “Ho faly tokoa izy fa niantso ianao! Fotoana voalohany nanaovany ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izany ary niara-niomana tamin’izany izahay rehefa niresaka mikasika ny lanjan’ny fanasan’ny Tompo sy ny fanavaozana amim-pahamendrehana ireo fanekempihavanan’ny batisa nataonay tamin’ny Mpamonjy.” Tena tiako ity renim-pianakaviana malala ity noho ny fampianarany ny zanany mikasika ny herin’ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny fomba nanampiany ireo mpikambana tao amin’ny paroasy hahatsapa izany hery izany.

Ny renim-pianakaviana iray hafa, izay fantatro, dia nipetraka irery tao am-piangonana nandritra ny taona maro niaraka tamin’ireo zanany kely efatra. Noho izy zara raha afaka nifantoka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny fanasan’ny Tompo, dia nanao drafitra izy. Amin’izao fotoana izao izy dia miezaka ny mandany fotoana isaky ny Sabotsy mba hieritreretana ny herinandrony ary hieritreretana momba ireo fanekempihavanany sy ny zavatra tokony hibebahany. “Noho izany,” hoy izy, “dia tsy maninona na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny zavatra iainako miaraka amin’ireo zanako ny Alahady; vonona ny handray ny fanasan’ny Tompo aho, hanavao ny fanekempihavanako ary hahatsapa ny hery manadion’ny Sorompanavotana.”

Nahoana ny Mpamonjy no manome lanja lehibe ny fanasan’ny Tompo ry rahavavy malala? Inona no lanjan’ity fanavaozana isaky ny herinandro ireo fanekempihavanantsika tamin’ny batisa ity? Moa ve isika mahafantatra ny fahafahan’ny Mpamonjy manadio antsika tanteraka isan-kerinandro rehefa mandray amim-pahamendrehana sy am-pisaintsainana ny fanasan’ny Tompo? Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Izany no fampanantenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana: … ka any amin’ny fiafaran’ny fiaina[ntsika isika] dia afaka hiampita ny voaly ary efa nibebaka tamin’ny fahota[ntsika] sy voadio tamin’ny alalan’ny ran’i Kristy.”1

Mahatsapa fifaliana lehibe ny fiadidiana iandraiketanay rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana ireo rahavavinay sy ny fianakaviany, kanefa malahelo anareo izay miaina fahoriana lehibe eo amin’ny fiainanareo izahay noho ny tsy fanajan’ireo olon-tianareo ny fanekempihavanany. Nodidian’ny Tompo hiresaka tamin’ireo rahalahiny mikasika ireo vehivavy sy ankizy marina tamin’ny androny ny mpaminany Jakôba, rahalahin’i Nefia. Mijoro ho vavolombelona aho fa notehirizina manokana ho an’izao androntsika izao ireo teniny. Miresaka amintsika izy, toy ny hoe ny Mpamonjy tenany mihitsy no miresaka. I Jakôba dia “[n]ivesatra … fanahiana betsaka tokoa” rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ireo vady sady raim-pianakaviana hoe:

“Mahory ahy koa ny tsy maintsy ampiasako fahasahiam-pitenenana be momba anareo, … manoloana ny vadinareo sy ny zanakareo izay malia sy madio ary marefo fatratra tokoa ny fihetseham-pon’ny ankamaroany. …

“… Ny fitolokoan’ny fony dia miakatra any amin’Andriamanitra. … Fo maro no [efa] maty voatrobaky ny ratra lalina.”2

Nampanantena ireo vehivavy sy ankizy mpitandrina fanekempihavanana tamin’ny androny sy amin’izao androntsika izao i Jakoba hoe:

“Miandrandra an’Andriamanitra amin’ny fiorenan’ny sainareo ary mivavaha Aminy amin’ny finoana fatratra, ary hampiononiny amin’ny fahorianareo ianareo. …

“… Andrandrao ny lohanareo ary raiso ny teny mahafinaritra izay an’Andriamanitra ary mivokisa amin’ny fitiavany.”3

Ry rahavavy, mijoro ho vavolombelona ny amin’ny tanjaka sy herin’ny vavaka aho rehefa maneho ny fanaintainantsika lalina sy ny faniriantsika amin’ny Ray any an-danitra isika, ary ny amin’ireo valim-bavaka izay voaray rehefa “mivoky” ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona isika.

Efa ho telo taona lasa izay dia nisy afo mpandrava nanimba ny tao anatin’ny tabernakely mamintsika sy manan-tantara ao Provo, Utah. Noraisin’ny fiaraha-monina sy ireo mpikamban’ny Fiangonana ho loza lehibe ny fahasimbany. Maro no nanontany tena hoe: “Fa nahoana no navelan’ny Tompo hitranga izany? Azo antoka fa afaka nisoroka ny afo na nanakana ny fahasimban’izany Izy.”

Folo volana taty aoriana, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2011, dia nisy tabataba re izay naneho fahatalanjonana rehefa nilaza ny Filoha Thomas S. Monson fa ho lasa tempoly masina—tranon’ny Tompo ilay tabernakely rava vao haingana! Tampoka teo dia afaka nahita ny zavatra efa fantatry ny Tompo hatrizay isika! Tsy avy Aminy ilay afo fa navelany hosimbain’ny afo ny tao anatiny. Nahita ilay tabernakely ho toy ny tempoly kanto dia kanto Izy—trano hitoetra mandrakizay hanaovana fanekempihavanana masina mandrakizay.4

Ry rahavaviko malala, mamela antsika mba hotsapaina sy hozahan-toetra ny Tompo ary indraindray dia hatrany amin’izay ambony indrindra zakantsika. Nahita ny fiainan’ireo olon-tiantsika isika—ary koa ny an’ny tenantsika—toy ny kilan’ny afo ary tsy misy raisina intsony ary manontany tena hoe nahoana no namela ny zavatra toy izany hitranga ny Ray any an-danitra be fitiavana sy tia miahy. Kanefa tsy mamela antsika amin’izao izy. Mitsangana miaraka amin’ny tanana mivelatra Izy ary manasa antsika amin’ny fony hanatona Azy. Manorina ny fiainantsika ho lasa tempoly kanto dia kanto Izy, izay azon’ny Fanahiny hitoerana mandrakizay.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3–4 dia miteny amintsika ny Tompo hoe:

“Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be.

“Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana. Koa avy ny andro izay hampisatrohina anareo voninahitra be.”

Ry rahavavy, mijoro ho vavolombelona aho fa manana drafitra ho an’ny fiainantsika tsirairay ny Tompo. Tsy misy mahatafintohina Azy na tsy nampoiziny amin’ny zavatra rehetra mitranga. Mahalala ny zavatra rehetra ary tia ny zavatra rehetra Izy. Tsy andriny ny hanampiana antsika, hampionona antsika ary hanamaivana ny fanaintainantsika rehefa miantehitra amin’ny herin’ny Sorompanavotana sy manaja ny fanekempihavanantsika isika. Mety ho ireo fizahan-toetra sy fahoriana iainantsika no ho ireo zavatra hitarika antsika hanatona Azy sy hiantehitra amin’ny fanekempihavanantsika mba hahafahantsika miverina eo anatrehany sy hahazo ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.

Tamin’ny taona lasa teo aho dia nila sy naniry hahatsapa lalindalina kokoa ny fitiavan’ny Tompo, hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana, hahatakatra bebe kokoa ireo fanekempihavanako tao amin’ny tempoly, ary hohamaivanina amin’ny enta-mavesatro. Rehefa nivavaka manokana hahazo ireo fitahiana ireo aho dia tsapako ny Fanahy nitarika ahy ho any amin’ny tempoly sy hihaino bebe kokoa ireo teny milaza ireo fitahiana notononina tamiko. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa nihaino tamim-pifantohana kokoa aho ary niezaka ny hampihatra ny finoako dia namindra fo tamiko ny Tompo ary nanamaivana ny enta-mavesatro. Nanampy ahy hahatsapa fiadanana lehibe mikasika ny vavaka izay tsy mbola nivaly Izy. Mamatotra ny Tompo mba hihazona ny fampanantenany isika rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika sy mampihatra ny finoantsika.5 Mankanesa any amin’ny tempoly ry rahavavy malala ary angataho ireo fitahiana ho anareo!

Te hiresaka mikasika ny fomba hafa iray koa aho izay afaka manome antsika fahatokiana sy finoana. Indraindray isika vehivavy dia manana fironana hitsikera be loatra ny tenantsika. Mila mikatsaka ny Fanahy isika amin’ireo fotoana ireo ary manontany hoe: “Moa toa izao ve no tian’ny Tompo handraisako ny tenako, na hoe: Moa miezaka ny hahakivy ahy ve Satana?” Tadidio ny toetoetran’ny Ray any an-danitra, izay manana fitiavana tonga lafatra sy tsy manam-petra.6 Tiany ny hankahery antsika fa tsy hanakivy antsika.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mety hahatsapa isika indraindray fa tokony ho ao anatin’ny “fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany lavorary” iray mba haneken’ny Tompo antsika. Matetika isika no mahatsapa ho “tsy mendrika” na tsy ao anatin’ny fanjakana raha tsy manana izany fianakaviana tonga lafatra izany. Ry rahavavy malala; rehefa tonga ny farany dia ny fomba nitandremantsika ny fanekempihavanana sy ny fomba niezahantsika hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy no hanan-danja amin’ny Raintsika any an-danitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Noho ny Sorompanavotany dia afaka ny ho voadio isan-kerinandro isika rehefa mandray amim-pahamendrehana ny Fanasan’ny Tompo. Rehefa manavao sy manaja ny fanekempihavanantsika isika dia ho maivana ny enta-mavesatsika ary afaka ny ho tonga madio lalandava sy hahazo hery isika ka rehefa tapitra ny andro iainantsika dia mba ho anisan’ny mendrika handray ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’ilay Mpamonjy malalantsika, Jesoa Kristy, amena.