2013
Nambara nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny Fitomboan’ny isan’ny Mpikambana sy ny Misiônera
Nôvambra 2013


Nambara nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny Fitomboan’ny isan’ny Mpikambana sy ny Misiônera

Nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fivoriana fanokafana ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isaky ny Tapa-taona faha-183 tamin’ny 5 Ôktôbra 2013 fa mahatratra 15 tapitrisa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nambarany koa fa hatramin’ny nampidinana ny taona hanaovana asa fitoriana tamin’ny Ôktôbra 2012 dia nitombo tsy nisy ohatra izany ny isan’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno manerana an’izao tontolo izao—Niainga teo amin’ny 58.500 dia tafakatra ho 80.333.

“Tsy mitsaha-mitombo hatrany ny Fiangonana ary manova ny fiainan’ny olona maro hatrany isan-taona,” hoy ny Filoha Monson. “Miparitaka maneran-tany izany noho ny fikarohan’ireo tafika mpitorintsika an’ireo izay mikatsaka ny fahamarinana.”

Namporisika ny mpikambana sy ny misiônera izy mba hiara-hiasa ao anatin’ny fizarana ny filazantsara. “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy,” hoy ny Filoha Monson, izay Apôstôly nandritra ny 50 taona.

Nandritra ny fivoriana Sabotsy tolakandro dia nisy mpikambana telo tao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy—Ny Loholona John B. Dickson, Paul E. Koelliker, ary F. Michael Watson— izay nisaorana tamim-boninahitra ary nomena ny anarana hoe Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana. Ankoatra izany dia notohanana ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra i Julio A. Angulo, 45 taona, avy any Bogotá, Colombie; Peter F. Evans, 54 taona, avy any Salt Lake City, Utah, États-Unis; ary Gennady N. Podvodov, 47 taona, avy any Donetsk, Ukraine. Nambara fa nisaorana tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy i César H. Hooker sy i Craig T. Wright.

Olona an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao no nijery na nihaino ny fihaonambe tamin’ny alalan’ny fahitalavitra, Internet, radiô, ary fampitana amin’ny zanabolana. Tamin’ity vao azo nojerena mivantana tamin’ny fahitalavitra sy Internet ny fivoriamben’ny fisoronana atao ny Sabotsy hariva. Olona mihoatra ny 100.000 no nanatrika ireo fivoriana dimy tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe tany Salt Lake City, Utah, tamin’ny 5 sy 6 Ôktôbra. Nalefa koa tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao isan-karazany tamin’ny fiteny miisa 95 ny fihaonambe ary nampitaina tany amin’ny firenena sy faritra miisa 197.

Nofaranan’ny Filoha Monson ny fihaonambe tamin’ny alalan’ny antso nataony ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifaneho hatsaram-panahy bebe kokoa ary mba “ho eo am-panaovana ny asan’ny Tompo hatrany.”

I Thomas S. Monson tao amin’ny Tabernakely ao Temple Square tamin’ny 1963, fotoana fohy talohan’ny nanohanana azy ho Manampahefana Ambony.

Sary avy tao amin’ny Biraon’ny Filoha