2013
Randall L. Ridd
Nôvambra 2013


Randall L. Ridd

Mpanolotsaina Faharoa Vaovao ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany

Sary
Randall L. Ridd

Amin’ny maha zanaka mpanorina trano azy dia mbola tanora i Randall L. Ridd dia nianatra ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa amin’ny fomba tsara. Imbetsaka mihitsy isaky ny mahavita asa iray i Randall tovolahikely no naheno ny rainy, Leon Ridd milaza hoe: “Mbola misy zavatra tsy vitanao.”

Ny fikalian’asa toy izany dia lasa nisy fiantraikany maharitra teo amin’ity lehilahy ity izay mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny zatovolahy maneran-tany amin’izao fotoana izao. Hatramin’izao izy indraindray dia mbola maheno ireo teny hentitra saingy mifono fitiavana ambaran’ny rainy rehefa manatanteraka ny andraikiny any am-piasana sy eo amin’ny fianakaviany ary aty am-piangonana: “Mbola misy zavatra tsy vitanao; ataovy tsara ilay izy.”

Nolazain-drahalahy Ridd fa fitahiana teo amin’ny fiainana ilay fitsipika arahan’ny fianakaviany rehefa miasa. Fitahiana toy izany ho azy koa ireo mpanoro hevitra sy mpitarika ao amin’ny fisoronana izay matetika nitarika azy teny amin’ny lalan’ny filazantsara. Raha maro tamin’ireo mpiara-mianatra taminy tany amin’ny lycée no nanaiky ny handeha hanao asa fitoriana rehefa feno 19 taona dia nisafidy ny hiditra hianatra tany amin’ny oniversite kosa i Randall ary nirotsaka ho miaramila. Taty aoriana izy dia niasa toy ny teknisiana momba ny rayons X sady nanohy ny fianarany tao amin’ny University of Utah. Nisy lehilahy hendry vitsivitsy sahy niteny taminy fa any amin’ny sahan’ny misiona no toerana tokony hisy azy. Nanaraka ny torohevitra nomen’izy ireo izy ary nametraka ny taratasy fangatahany hirotsaka hanompo. Vetivety foana dia nizara ny filazantsara tany amin’ny Misionan’i Mexique Avaratra izy. “Tsy ho azoko an-tsaina mihitsy hoe ho nanao ahoana ny fiainako raha toa aho ka tsy nandeha nanao asa fitoriana,” hoy izy.

Niverina nody izy, dia nanohy ny fianarany, ary nanambady an’i Tamina Roark tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1975. Nahalehibe zanaka efatra ry Ridd mivady ary tao anatin’izany dia sady nampivelatra ny asa aman-draharahany tany amin’ny varotra tany sy trano ary orinasam-barotra hafa ihany Rahalahy Ridd.

Nitoetra ilay fitiavana ny asa fitoriana. Niahy ny Misionan’i Guayaquil Avaratra tao Équateur izy nanomboka tamin’ny 2005 ka hatramin’ny 2008 ary nanatri-maso indray ny fiovana entin’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno eo amin’ny fiainan’ny tovolahy na tovovavy iray.

Mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovolahy maneran-tany Rahalahy Ridd rehefa nantsoina ho ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany tamin’ny Mey 2013.