2013
Tsatòka Natsangana tany Rome sy Paris
Nôvambra 2013


Tsatòka Natsangana tany Rome sy Paris

Natsangan’ny Loholona Dallin H. Oaks sy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny tsatòka faharoa ao Rome, Italie, ary ny tsatòka fahatelo ao Paris, nandritra ny fitsidihana iray natao tamin’ny Septambra 2013 izay nahitana koa fivoriana tany Leeds sy Manchester, Angleterre, ary tany Madrid, Espagne. Misy tempoly eo andalam-pitsanganana any Rome ary hisy iray izay hitsangana atsy ho atsy any Paris.

“Velona sy mandeha tsara ary mivoatra amin’ny fomba mahavarina ny Fiangonana any Eorôpa” hoy ny Loholona Oaks. Nambaran’ny Loholona Ballard tamin’ireo mpikambana Eorôpeana fa ny Fiangonana dia tokony “hahafantatra fa manafaingana ny asa famonjeny ny Tompo ary tokony hirotsaka an-tsehatra daholo isika rehetra.”