2013
Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao
Nôvambra 2013


Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao

Manomboka Ôktôbra 2013 ka hatramin’ny Marsa 2014, ny lesona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana isaky ny Alahady fahefatra dia tokony homanina avy amin’ny lahateny anankiray na mihoatra izay natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Ôktôbra 2013. Amin’ny volana Aprily 2014 dia azo fidiana na avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 2013 ireo lahateny na avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2014. Tokony hifidy ireo lahateny izay ho ampiasaina any amin’ny faritra misy azy ireo ny filohan’ny tsatòka sy distrika, na azon’izy ireo omena ny eveka na ny filohan’ny sampana izany andraikitra izany.

Mahazoa fampahalalana bebe kokoa amin’ny alalan’ny fijerena ny lahatsoratra “Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao” ao amin’ny Liahona volana Mey 2013.