2013
Sitrano ny ferin’izy ireo
Nôvambra 2013


Sitrano ny ferin’izy ireo

Sary

Mivavaka aho ny mba hahafahantsika miomana hanao izay mety ho asa fanompoan’ny fisoronana mety omen’ny Tompo antsika eo amin’ny diantsika eto an-tany.

Voatahy avokoa isika rehetra noho ny fikarakarantsika ny hafa. Ny hoe mihazona ny fisoronan’Andriamanitra dia hoe raisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fiainana mandrakizain’ireo zanany. Tena marina izany. Tena mahafinaritra, ary indraindray dia mety tsapa ho mavesatra.

Misy amin’ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona izay mihaino amin’ity hariva ity no mahafantatra ny zavatra tiako holazaina. Izao no nihatra tamin’ny iray taminareo. Mety efa nitranga tamin’ny ankamaroanareo izy ity—ary mihoatra ny indray mandeha. Mety ho samihafa ny antsipiriany, saingy mitovy ihany ny toe-javatra misy.

Nangataka ny fanampianareo ny loholona iray izay tsy dia fantatrareo loatra. Vao nampahafantarina azy fa tokony hamindra ny vadiny sy ny zanany lahy kely ny androtr’io izy, hiala ao amin’ny trano nonenan’izy ireo ka hifindra amin’ny trano iray hafa eo akaiky eo.

Efa niangavy namana iray izy mivady raha toa ka afaka mindrana camion izy ireo ny tontolo andro mba hitaterana ny fianakaviany sy ny entany. Nampindramin’ilay namana azy ireo ilay camion. Nanomboka namindra ny entan’izy ireo rehetra tao anatin’ilay camion ity raim-pianakaviana vao herotrerony, kanefa nandritra ny minitra vitsy voalohany, dia naharary azy ny lamosiny. Sahirana loatra ilay namana nampindrana fiara ka tsy afaka nanampy. Nahatsapa ho kivy ity ray vao herotrerony. Nieritreritra anao izy, ianao izay filohan’ny kôlejin’ny loholona misy azy.

Efa tolaka ihany ny andro tamin’ny fotoana nangatahany fanampiana. Andro misy fivoriam-piangonana ny harivan’io. Efa nampanantena ny hanampy ny vadinao ianao amin’ilay zavatra atao ao an-trano io andro io. Efa niangavy anao ny zanakareo mba hanao zavatra hiaraka aminy, kanefa tsy mbola nanam-potoana nanaovana izany ianao.

Fantatrao ihany koa fa ireo mpikambana ao amin’ny kôlejinao, indrindra fa ireo izay tena mahatoky, ireo izay fiantsonao rehefa hoe hanampy, dia mety miaina toe-javatra sarotra mitovy aminao ihany koa.

Efa nahafantatra ny Tompo fa hiatrika andro toy izany ianao tamin’ny fotoana niantsoany anao ho eo amin’io andraikitra io, noho izany dia nanome tantara iray ho anao Izy mba hampaherezana anao. Fanoharana ho an’ireo mpihazona fisoronana izay tena tototry ny asa. Indraindray izy io dia antsointsika hoe tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy. Kanefa izany dia tena tantaran’ny mpihazona fisoronana lehibe iray amin’izao andro farany sarotra sy mahabe atao izao.

Io tantara io dia tena mihatra tsara amin’ny mpanompo iray mpihazona fisoronana izay tena tototry ny asa. Tsarovy fotsiny hoe ianao dia ilay Samaritana fa tsy ilay mpisorona na ilay Levita izay nandalo fotsiny an’ilay lehilahy naratra.

Mety tsy nieritreritra an’io tantara io ianao rehefa niatrika fanamby tahaka izany. Kanefa mivavaka aho mba hahatsiaro izany ianareo rehefa hisy indray ny andro mahasahirana tahaka ireny, ary azo antoka fa mbola hisy izany.

Tsy nolazaina antsika ao amin’ny soratra masina ny anton-dian’ilay Samaritana izay nihazo ny lalana avy any Jerosalema mankany Jeriko. Tsy azo heverina hoe nandeha irery izy satria tsy maintsy efa nahafantatra izy fa misy mpandroba efa miandry kendry tohana an’ireo izay tsy malina. Nanan-danja taminy io dia io, ary toy ny mahazatra, dia nitondra biby mpitondra entana izy, ary diloilo sy divay ihany koa.

Araka ny teny nampiasain’ny Tompo, dia nijanona ilay Samaritana rehefa nahita ilay lehilahy naratra satria “onena azy izy.”

Fa ankoatry ny fahatsapana ho onena fotsiny, dia nanao zavatra izy. Tsarovy mandrakariva ny antsipiriany amin’ilay tantara:

“Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.

“Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho.”1

Afaka manana antoka telo farafahakeliny ianao sy ireo mpihazona fisoronana izay niantsoana anao mba ho tarihinao. Voalohany, homen’ny Tompo anareo, raha mangataka ianareo, ny fahatsapana fangorahana izay tsapany ho an’ireo izay mila fanampiana. Faharoa, hanome olon-kafa izy, tahaka ilay tompon’ny tranom-bahiny, mba hanampy anareo amin’ny asa fanompoana ataonareo. Ary fahatelo, ny Tompo, tahaka ilay Samaritana tsara fanahy, dia hamaly soa be dia be an’ireo rehetra izay miara-mientana amin’ny fanampiana ireo izay mila fanampiana.

Ianareo filohan’ny kôlejy dia tsy maintsy efa niasa tao anatin’ireo antoka ireo mihoatra ny indray mandeha. Niangavy ny fanampian’ireo olon-kafa ao amin’ny fisoronan’ny Tompo ianareo, tamin’ny fahatokiana fa hamaly amim-pangorahana izy ireo. Tsy natahotra ianareo ny hangataka an’ireo izay efa matetika no efa namaly ny antso tany aloha satria fantatrareo fa mahatsapa fangorahana mora foana izy ireo. Niangavy azy ireo ianareo sady nahafantatra fa tany aloha izy ireo dia efa nahatsapa ny hatsaram-pon’ny Tompo tamin’ny fotoana nisafidianan’izy ireo ny hanampy. Niangavy ny sasany izay efa nanana enta-mavesatra be ianareo, sady nahafantatra fa arakaraka ny halehiben’ny fahafoizana atao no halehiben’ny valisoa raisin’izy ireo avy amin’ny Tompo. Ireo izay efa nanampy tany aloha dia efa nahatsapa ny fankasitrahana tsy tambo ho isaina avy tamin’ny Mpamonjy.

Mety ho nentanim-panahy ihany koa ianareo tsy hiangavy olona iray hanampy hampiditra ny entana ao amin’ilay camion ary iny olona iny ihany avy eo no hamoaka izany indray. Amin’ny maha-mpitarika anareo dia fantatrareo tsara ny mpikambana ao amin’ny kôlejinareo sy ny fianakavian’izy ireo. Mahafantatra azy ireo tanteraka ny Tompo.

Fantany hoe vadin’iza no mahatsapa ho tototra noho ny tsy fahafahan-dralehilahy mahita fotoana hanaovana izay ilainy ho vita mba hahafahany mikarakara ny zavatra ilain-dramatoa. Fantany hoe ankizy iza no ho voatahy noho ny fahitana ny rainy mandeha indray manampy ny hafa, na fantany koa raha toa ilain’ireo ankizy ny mahatsapa fa manan-danja tokoa izy ireo eo imason’ny rainy ka hahatonga ny rainy hanokana fotoana hiarahana amin’izy ireo amin’io andro io. Saingy fantany ihany koa hoe iza no mila ilay fanasana hanompo nefa toa heverina fa tsy ho mety na tsy hanam-piniavana hanao.

Tsy afaka ny hahafantatra tanteraka ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejinareo ianareo, fa Andriamanitra kosa mahafantatra. Koa, tsy misy hafa amin’izay efa nataonareo imbetsaka, dia nivavaka ianareo mba hahafantarana hoe iza no hangatahana hanampy amin’ny fanompoana ny hafa. Ny Tompo no mahalala hoe iza no ho voatahy raha angatahana hanampy, ary iza no ho voatahy raha tsy angatahana hanampy. Izany no fanambarana izay azonareo antenaina fa ho tonga aminareo rehefa mitarika ao amin’ny fisoronana ianareo.

Nahita izany aho fony aho zatovolahy. Izaho no mpanampy voalohany tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona tamin’izany. Niantso ahy an-tariby tany an-tranoko ny eveka indray andro. Nilaza izy fa tiany hiaraka aminy aho hamangy mananotena iray izay mila fanampiana goavana. Nilaza izy hoe izaho no ilainy.

Rehefa niandry azy haka ahy tany an-trano aho, dia tora-kovitra. Fantatro fa nanana mpanolotsaina matanjaka sy hendry ny eveka. Ny iray tamin’izy ireo dia mpitsara fanta-daza. Ny iray hafa mpandraharaha nitantana orinasa lehibe iray ary ho lasa Manampahefana Ambony aty aoriana. Ary ilay eveka ihany koa dia ho lasa Manampahefana Ambony aty aoriana. Fa nahoana ilay eveka no niteny tamin’ny mpisorona iray tsy manana traikefa akory hoe: “Mila ny fanampianao aho”?

Izany hoe: fantatro kokoa ankehitriny fa mety ho afaka niteny tamiko izy hoe: “Te hitahy anao ny Tompo.” Rehefa tany an-tranon’ilay vehivavy mananotena dia talanjona aho nahita azy niteny tamin’ilay vehivavy hoe tsy afaka mahazo fanampiana avy amin’ny Fiangonana izy raha tsy nahafeno ny taratasy mirakitra fitantanam-bola izay napetrany taminy taloha kelin’io. Teny an-dalana hody, raha hitany fa tohina tokoa aho, dia nihomehy izy noho ny fahatairako, ary nilaza hoe: “Hal, rehefa mahafehy ny fandaniany izy, dia ho afaka hanampy ny hafa.”

Tamin’ny fotoana iray hafa dia naka ahy hiaraka aminy ny evekako ho any an-tranon’ny ray aman-dreny mpisotro toaka, izay naniraka ireo zanany vavy roa kely feno tahotra hihaona aminay teo am-baravarana. Rehefa avy niresaka fohy tamin’ireo zazavavy kely roa ireo izy dia nitodi-doha hiverina izahay, ary dia hoy izy tamiko: “Tsy mbola afaka manova ny toe-javatra mampalahelo eo amin’ny fiainan’izy ireo aloha isika, kanefa afaka mahatsapa izy ireo fa tia azy ireo ny Tompo.”

Nalainy hiaraka taminy aho indray hariva ho any an-tranon’ny lehilahy iray izay efa aman-taonany no tsy tonga tany am-piangonana. Nilaza taminy ny eveka fa tena tia be azy, ary mila azy mafy ny paroasy. Toa tsy dia nisy fiantraikany loatra tamin’ilay lehilahy akory izany. Saingy tamin’io fotoana io, sy ny fotoana tsirairay nakan’ny eveka ahy hiaraka aminy, dia nisy fiantraikany lehibe tamiko izany.

Tsy misy fomba ahafantarako mihitsy raha toa ka nivavaka ny eveka mba hahafantarany izay mpisorona ho voatahy noho ny fiarahana aminy amin’ireo famangiana ireo. Mety efa im-betsaka koa izy no nitondra mpisorona hafa niaraka taminy. Kanefa fantatry ny Tompo fa indray andro any aho ho lasa eveka izay hanasa ireo izay lasa nalaina ny finoany mba hiverina ao anatin’ny fahazotoana amin’ny filazantsara. Fantatry ny Tompo fa indray andro any aho hahazo ny andraikitry ny fisoronana hisahana ireo zanaky ny Ray any An-danitra an-jatony, an’arivony akory aza, izay mila mafy fanampiana ara-nofo.

Ianareo ry zatovolahy dia tsy afaka mahafantatra hoe asa inona amin’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana no hanomanan’ny Tompo anareo mba ho atolotrareo. Fa ny fanamby lehibe kokoa ho an’ny mpihazona fisoronana rehetra dia ny manome fanampiana ara-panahy. Adidintsika rehetra izany. Tafiditra amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny kôlejy iray izany. Tafiditra amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray izany. Hahatsapa fangorahana ianareo rehefa tafihan’i Satana ny finoan’ny olona iray ao amin’ny kôlejy na ny fianakaviana misy anareo. Tahaka ny asa fanompoana sy ny famindram-po natolotr’ilay Samaritana, ianareo ihany koa dia hanompo azy ireo miaraka amin’ny menaka fanasitranana ny ferin’izy ireo amin’ny fotoana ilan’izy ireo izany.

Eo amin’ny asa fanompoana ataonao amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno anao dia handeha any amin’ny olona an’arivony izay mila fanampiana ara-panahy lehibe ianareo. Maro no tsy hahafantatra akory hoe manana fery ara-panahy, raha tsy efa ampianarinao, fery izay raha tsy tsaboina dia hitondra fahoriana tsy misy fiafarana. Handeha hanao ny iraky ny Tompo ianareo mba hamonjena azy ireo. Ny Tompo ihany no afaka hanasitrana ny ferin’izy ireo ara-panahy raha toa izy ireo manaiky ireo ôrdônansy izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny maha-mpikambana anareo ao amin’ny kôlejy, sy amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano anareo, ary amin’ny maha-misiônera anareo dia tsy afaka manampy ny olona hanamboatra ny fahasimbana ara-panahy ianareo raha tsy ny finoanareo mihitsy no matanjaka. Izany dia midika ho fanaovana mihoatra lavitra noho ny famakiana tsy tapaka ny soratra masina, sy ny fivavahana mikasika izany. Ny vavaka atao an-tselika sy ny topi-maso maimaika amin’ny soratra masina dia tsy ho fiomanana ampy. Ny fanomezan-toky amin’izay ilainao dia tonga miaraka amin’ity torohevitra avy ao amin’ity Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 84 ity manao hoe: “Aza manahy mialoha koa ny amin’izay lazainareo; fa raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana, dia omena anareo amin’izany ora izany ny ampahany voafatra ho an’ny olona tsirairay.”2

Tsy azo andraindraina io fampanantenana io raha tsy “mirakitra” ny tenin’ny fiainana isika ary manao izany lalandava. Ilay ampahany hoe mirakitra ao amin’io andininy io dia nidika tamiko hoe fahatsapana zavatra mikasika ireo teny. Ohatra, rehefa nandeha aho nanandrana nanampy olona izay misalasala mikasika ny finoany momba ny antso masin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia misy fahatsapana miverina amiko.

Tsy ireo teny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fotsiny izany. Fa fahatsapana fanomezan-toky mikasika ny fahamarinana izay tonga isaky ny mamaky na dia andininy vitsivitsy monja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aza aho. Tsy afaka mampanantena aho fa ho tonga amin’ny olona tsirairay izay tratry ny ahiahy mikasika ny Mpaminany Joseph Smith na ny Bokin’i Môrmôna izany. Saingy fantatro fa i Joseph Smith no Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatro fa tenin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, satria efa noraketiko ato am-po izy io.

Fantatro avy amin’ny zavatra niainako fa afaka mahazo ny fanomezan-toky avy amin’ny Fanahy ianareo mikasika ny fahamarinana satria efa nitranga tamiko izany. Tsy maintsy manana izany fanomezan-toky izany izaho sy ianao mialohan’ny hametrahan’ny Tompo antsika eo amin’ny lalan’ny mpandeha iray izay tiantsika, izay voaratran’ny ireo fahavalon’ny fahamarinana.

Misy fiomanana iray hafa ihany koa izay tsy maintsy ataontsika. Toetra mamaritra ny olombelona ny lasa manamafy fo manoloana ny fanaintainan’ny hafa. Izany no anisan’ny antony nahatonga ny Mpamonjy nanao betsaka tokoa mba hilazana mikasika ny Sorompanavotana nataony sy ny nitondrany teo Aminy ny fanaintainana sy ny fahorian’ny zanaky ny Raintsika any an-danitra rehetra mba hahafahany mahafantatra ny fomba hamonjena azy ireo.

Na dia ho an’ny tsara indrindra amin’ireo mpihazona fisoronana mety maty izay an’ny Ray any An-danitra aza dia tsy mora ny mahatratra izany fananana fangorahana betsaka tahaka izany. Isika olombelona dia mirona any amin’ny tsy faharetana amin’ny olona izay tsy afaka mahita ilay fahamarinana izay tena mazava tokoa amintsika. Tsy maintsy mitandrina isika sao heverina ho fanamelohana na fanilihana ny tsy faharetantsika.

Rehefa miomana hanolotra famonjena isika mba ho an’ny Tompo, amin’ny maha-mpanompony antsika ao amin’ny fisoronana, dia misy soratra masina iray mitari-dalana antsika. Ahitana fanomezam-pahasoavana iray izay ilaintsika amin’ny diantsika izany, na aiza na aiza toerana handefasan’ny Tompo antsika. Nanana izany fanomezam-pahasoavana izany ilay Samaritana tsara fanahy. Mila izany isika, ary nolazain’ny Tompo antsika ny fomba ahafahantsika mahita izany:

“Noho izany ry rahalahiko malala, raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, tahaka ny maha Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio.”3

Mivavaka aho ny mba hahafahantsika miomana hanao izay mety ho asa fanompoan’ny fisoronana mety omen’ny Tompo antsika eo amin’ny diantsika eto an-tany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.