2013
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2013


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana

Aroso amintsika mba ho tohanana i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Henry Bennion Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Dieter Friedrich Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Boyd Kenneth Packer amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy, ary ireto manaraka ireto amin’ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’io kôlejy io: Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, ary i Neil L. Andersen.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny mba hanohanantsika ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana, aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany ihany koa.

Aroso amintsika ny hisaorana ny Loholona John B. Dickson, Paul E. Koelliker, ary F. Michael Watson tamin’ny naha mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ary manendry azy ireo ho Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana.

Aroso amintsika mba hisaorana ihany koa ny Loholona Kent D. Watson tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy.

Maneho fankasitrahana ihany koa isika ho an’ny Loholona César H. Hooker sy Craig T. Wright, izay nisaorana tamin’ny antsony naha Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo.

Ireo izay te haneho fankasitrahana ho an’ireo Rahalahy ireo hiaraka aminay noho ny asa mahatalanjona vitany dia aoka haneho izany.

Aroso mba ho tohanantsika ho Fitopololahy vaovaon’ny Vondrom-paritra ireto manaraka ireto: Julio A. Angulo, Peter F. Evans, ary Gennady N. Podvodov.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, mba haneho izany koa.

Aroso mba ho tohanantsika i Randall L. Ridd, ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Raha misy manohitra mba haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanantsika ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra hafa ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia iangaviana haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Misaotra ry rahalahy sy rahavavy isany noho ny fanehoana fanohanana nataonareo sy noho ny finoanareo sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho anay.