2013
Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe
Nôvambra 2013


Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe

Sary

Mivavaka aho mba ho heniky ny Fanahin’ny Tompo isika eo am-pihainoana sy eo am-pandalinana.

Endrey kanto ery, ry rahalahy sy ranabaviko malala, ny miara-mifankahita eto indray. Vao mihoatra kelin’ny 183 taona izay no nananganana ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, teo ambany fiahian’ny Tompo. Tamin’izany fivoriana tamin’ny 6 Aprily 1830 izany dia mpikamban’ny Fiangonana enina no nanatrika teo.1

Amin-kafaliana no hanambarako fa roa herinandro lasa izay, dia nahatratra 15 tapitrisa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mitsaha-mitombo hatrany ny Fiangonana ary manova ny fiainan’ny olona maro hatrany isan-taona. Miparitaka maneran-tany izany noho ny fikarohan’ireo tafika mpitorintsika an’ireo izay mikatsaka ny fahamarinana.

Vao herintaona mahery kely izao no nanambarako ny fampidinana ny taona fanaovana asa fitoriana. Nanomboka tamin’io fotoana io dia niakatra ny isan’ireo mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ka raha 58.500 izany tamin’ny Ôktôbra 2012 dia 80.333 izany ankehitriny. Nanatri-maso ny fihetsika mahatalanjona sy manentana ny fanahy isika ho setrin’izany!

Tsy ahitana fanambarana manan-danja kokoa, na andraikitra mitaky fanoloran-tena kokoa, na torolalana mivantana kokoa ao amin’ny soratra masina, mihoatra ilay didy nomen’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny nisehoany tamin’ireo mpianany iraika ambin’ny folo tany Galilia. Hoy Izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny [an’ny] Zanaka, ary [ny an’ny] Fanahy Masina.”2 Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Taorian’ny zavatra rehetra voalaza dia ny mitory ny Filazantsara no adidy lehibe indrindra sy manan-danja indrindra.”3 Misy sasantsasany aminareo eto androany no mbola mahatsiaro ireo tenin’ny Filoha David O. McKay, izay nanambara ity andian-teny tsy zoviana ity hoe: “Misiônera daholo ny mpikambana tsirairay!”4

Manamafy izay voalazan’izy ireo aho. Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy. Nanomana ireo fitaovana Izy ho entintsika hizarana ny filazantsara amin’ny fomba maro, ary hanohana antsika Izy eo amin’ny asantsika raha toa ka miasa am-pinoana isika hanatanterahana ny Asany.

Mba hanampiana amin’ny fikarakarana ireo tafika mpitorintsika izay tsy mitsaha-mitombo isa dia nangataka taminareo mpikambana aho teo aloha mba hitondra anjara biriky, raha manana fahafahana, handrotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana na ao amin’ny Kitapom-bola ho an’ny Asa Fitoriana Maneran-tany an’ny Fiangonana. Nahafa-po ny fihetsika naseho tamin’izany fanentanana izany ary nanampy tamin’ny fanohanana misiônera an’arivony izay noho ny toe-javatra iainany dia tsy afaka mianto-tena. Misaotra anareo aho noho ny anjara biriky feno fahalalahan-tanana ataonareo. Mitohy hatrany anefa ny filana fanampiana, mba hahafahantsika manohy manampy ireo izay manana faniriana mivaivay ny hanompo, kanefa tsy manana fahafahana hianto-tena.

Ankehitriny, ry rahalahy sy ranabavy, tonga eto isika mba handray torolalana sy fitaomam-panahy. Hafatra maro izay mahakasika lohahevitra maro ao amin’ny filazantsara no hozaraina mandritra ny roa andro misesy. Nikatsaka ny fanampian’ny lanitra mikasika ireo hafatra hozarainy ireo lehilahy sy vehivavy izay handaha-teny amintsika.

Mivavaka aho mba ho heniky ny Fanahin’ny Tompo isika eo am-pihainoana sy eo am-pandalinana. Amin’ny anaran’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Na dia maromaro aza ny olona tonga nanatrika tamin’ilay andro nananganana ny Fiangonana, dia olona enina no voaisa ho mpikambana mpanorina ny Fiangonana.

  2. Matio 28:19.

  3. Enseignement des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 330.

  4. David O. McKay, tao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1959, 122.