2013
Hery ao amin’ny Fisoronana
Nôvambra 2013


Hery ao amin’ny fisoronana

Sary

Mety hanokatra ny lambam-baravarana mba hidiran’ilay hazavana mafana ao an-trano ny lehilahy iray, kanefa tsy an’ilay lehilahy ny masoandro na ny hazavana na ny hafanana entin’izany.

Ho an’ny Rehetra ny Fitahian’ny Fisoronana

Rehefa nihira tamim-pifaliana ilay hiran’ny Kilonga “Ces Mots d’Amour” ny ankizy tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nitsiky naneho fanekena avokoa ny rehetra. Nihaino tsara ny andininy faharoa ny reny mahery fo iray izay mitaiza ankizy dimy: “Ny fisoronana ao an-trano dia mitondra soa tsy ankiato.”1 Nieritreritra tamin’alahelo izy hoe: “Tsy mbola niaina tao anatin’izany karazana fianakaviana izany ny zanako.”2

Ny hafatro ho an’ity vehivavy mahatoky ity sy ho an’ny rehetra dia hoe afaka ny ho “voatahin’ny herin’ny fahefan’ny fisoronana” isan’ora isan’ora isika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.

Matetika loatra isika no mampifangaro ny herin’ny fisoronana amin’ireo lehilahy ato am-piangonana. Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefan’Andriamanitra nomena mba ho fanavotana sy fitahiana ho an’ny rehetra—lehilahy sy vehivavy ary ankizy.

Mety hanokatra ny lambam-baravarana mba hidiran’ilay hazavana mafana ao an-trano ny lehilahy iray, kanefa tsy an’ilay lehilahy ny masoandro na ny hazavana na ny hafanana entin’izany. Ireo fitahian’ny fisoronana dia lehibe lavitra noho ilay lehilahy iray izay angatahina mba hanatanteraka ilay herin’ny fisoronana.

Iray amin’ireo tombontsoa sy andraikitra lehibe eto amin’ity fiainana an-tany ity ny mandray ireo fitahiana sy hery ary ireo fampanantenan’ny fisoronana eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana manaraka. Rehefa mendrika isika dia hanatsara ny fiainantsika eto an-tany sy hanomana antsika ho amin’ireo fampanantenana goavan’ny tontolo aoriana ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Hoy ny Tompo: “[A]o amin’ ny ôrdônansiny … [no miharihary] ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra.”3

Misy fitahiana miavaka avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay izay atao batisa sy mandray ny Fanahy Masina ary mandray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo. Mitondra fahatakarana sy hery fanampiny, miaraka amin’ny fampanantenan’ny fiainana mandrakizay ny tempoly.4

Ireo ôrdônansy rehetra dia manasa antsika hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanao sy hitandrina fanekempihavanana miaraka amin’Andriamanitra. Rehefa mitandrina ireny fanekempihavanana masina ireny isika dia mandray hery sy fitahian’ny fisoronana.

Tsy tsapantsika eo amin’ny fiainantsika manokana sy hitantsika eo anivon’ireo mpikambana mitandrina fanekempihavanana ve ity herin’ny fisoronana ity? Hitantsika ao amin’ny mpikambana vaovao izany rehefa mivoaka avy ao amin’ny ranon’ny batisa izy ireo ka mahatsapa ho voavela sy madio. Hitantsika ho malina kokoa amin’ny bitsika sy fitarihan’ny Fanahy Masina ireo zanatsika sy tanorantsika. Hitantsika fa lasa loharanon-kery sy hazavana ho an’ireo lehilahy sy vehivavy marina manerana izao tontolo izao ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Nahita mpivady iray nandray hery goavana avy tamin’ireo fampanantenan’ny famehezan’ny tempoly aho tamin’ity volana lasa ity rehefa teraka ny zanakalahy sarobidy kelin’izy ireo kanefa niaina nandritra ny herinandro monja. Mandray fiononana, tanjaka, fiarovana, fiadanana ary ireo fampanantenana mandrakizay amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana isika rehetra sy ireto mpivady vao herotrerony ireto.5

Ny Zavatra Fantatsika momba ny Fisoronana

Mety misy ireo olona izay manontany amin-kitsimpo hoe: “Raha toa ka natao ho an’ny rehetra ny hery sy ireo fitahian’ny fisoronana, nahoana ireo ôrdônansin’ny fisoronana no tanterahin’ny lehilahy?”

Rehefa nanontany an’i Nefia ny anjely iray hoe: “Moa fantatrao ny momba ny fiambanian’ Andriamanitra?” Dia namaly tamim-pahatsorana i Nefia hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy; na dia eo aza izany, dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”6

Misy zavatra maro fantatsika rehefa miresaka momba ny fisoronana isika.

Mitovy Isika Rehetra

Fantatsika fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary tsy manavaka tavan’olona izy. “Tsy mandà izay manatona Azy Izy; … na lahy na vavy; … ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”7

Araka ny efa fantatsika dia “mitovy” ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany lahy sy zanany vavy, ary fantatsika ihany koa fa tsy nahary ny lehilahy sy ny vehivavy ho mitovy tanteraka izy. Fantatsika fa ny maha-lehilahy sy vehivavy dia toetra manan-danja sady an’ny maha-izy antsika sy ny tanjontsika eto an-tany no mandrakizay. Nomena ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay ireo andraikitra masina.8

Hatrany Am-boalohany

Fantatsika fa hatramin’ny fiandohana dia nametraka ny fomba hitantanana ny fisoronany ny Tompo. “I Adama no nomena voalohany ny fisoronana.”9 Nanatanteraka ôrdônansin’ny fisoronana avokoa i Nôà sy i Abrahama ary i Mosesy. I Jesoa Kristy no ilay sy mbola ilay Mpisorona Avo Lehibe. Niantso Apôstôly Izy. “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo.”10 Amin’izao androntsika izao dia nisy iraky ny lanitra nirahan’Andriamanitra. Namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith i Jaona mpanao batisa sy i Petera ary i Jakôba.11 Izany no fomba nitantanan’ny Raintsika any an-danitra ny fisoronany.12

Fanomezam-pahasoavana Maro avy amin’Andriamanitra

Fantatsika fa tsy afa-misaraka amin’ny finoana sy ny Fanahy Masina ary ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny herin’ny fisoronana masina. Mampitandrina ny soratra masina hoe: “[Aoka ianareo] tsy handa ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra, satria maro ireo. … Ary misy ny fomba samihafa izay hanolorana ireo fanomezam-pahasoavana ireo; nefa Andriamanitra iray ihany no miasa ao amin’ izy rehetra.”13

Fahamendrehana

Fantatsika fa ny fahamendrehana no ivon’ny fanatanterahana sy fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Hoy ny Rahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Zavatra takiana ny fahamarinana … mba hanasana ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainantsika.”14

Ohatra, eritrereto ny areti-mandringan’ny pôrnôgrafia izay mirongatra faingana manerana izao tontolo izao. Ny fitsipiky ny fahamendrehana araka ny Tompo dia tsy mijery amin’ny hamorampo araka ny bitika indrindra ny pôrnôgrafia eo anivon’ireo izay manatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Hoy ny Mpamonjy:

“Mibebaha amin’ny … fahavetavetana miafinareo.”15

“Ny maso no jiron’ ny tena. … Raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra.”16

“[Fa] izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.”17

Ny fanatanterahana na fizarana ny fanasan’ny Tompo, ny fitsofan-drano ny marary na fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana hafa izay atao tsy am-pahamendrehana, araka ny nambaran’ny Loholona David A. Bednar, dia fanononam-poana ny anaran’Andriamanitra.18 Raha toa ka tsy mendrika ny olona iray dia tokony hiala amin’ny fanatanterahana ilay ôrdônansy izy sy hanatona ombam-bavaka ny evekany ho dingana voalohany amin’ny fibebahana sy fiainana indray araka ny didy.

Fanetren-tena

Ny zavatra iray hafa fantatsika dia ny hoe misy fitahian’ny fisoronana maro be mirotsaka ao amin’ireo fianakaviana izay ahitana ny firaisan-kinan’ny ray sy reny mendrika iray eo amin’ny fitarihana ny zanak’izy ireo. Fantatsika ihany koa anefa fa manome faingana ireny fitahiana ireny koa ho an’ireo ao anatin’ny toe-javatra hafa maro Andriamanitra.19

Ny reny iray, izay mitondra ny ziogan’ny famelomana sady ara-panahy no ara-nofo ho an’ny fianakaviany dia nanazava tamin’ny fo tokoa fa mitaky ny fanetreny tena ny fiantsoana ny mpamangy isan-tokantranony mba hanome tsodrano ny iray amin’ireo zanany. Kanefa nampiany tamim-pieritreretana izany fa tsy mitaky fanetren-tena mihoatra izany ny an’ireo mpamangy isan-tokantranony rehefa miomana ny hanome tsodrano ny zanany izy ireo.20

Ireo Fanalahidin’ny Fisoronana

Fantatsika fa ireo fanalahidin’ny fisoronana hazonin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mitarika ny asan’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Omena ireo filohan’ny tsatòka sy eveka ireo fanalahidy manokana ho an’ireo andraikiny ao amin’ny faritra misy azy ireo. Ary miantso lehilahy sy vehivavy amin’ny alalan’ny fanambarana izy ireo izay tohanana sy hatokana mba hampihatra fahefana natolotra mba hampianatra sy hanatanteraka.21

Na dia maro aza ireo zavatra fantatsika momba ny fisoronana, dia tsy manome fahatakarana feno ny amin’ireo fiasan’Andriamanitra anefa ireo zavatra iainantsika eto an-tany. Kanefa ny fampahatsiahivany malefaka, manao hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako,”22 dia manome toky antsika indray fa rehefa tonga ny fotoana sy ny fijery mandrakizay dia hahita “ny zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ ny zavatra araka ny ho tena toetrany”23 isika ary hahatakatra feno kokoa ny fitiavany tonga lafatra.

Vonona ny hanompo isika rehetra. Indraindray isika dia mahatsapa ho toy ny tsy dia misongadina loatra amin’ny fanaovana ny antsontsika ary maniry raha mba afaka manao bebe kokoa amin’izany. Indraindray feno fankasitrahana isika rehefa tonga ny fotoana isaorana antsika. Tsy isika no manapaka ny antso izay iantsoana antsika.24 Nianatra izany lesona izany aho tany am-piandohan’ny fanambadiako. Fony izahay mbola mpivady vao herotrerony dia nipetraka tany Floride izaho sy i Kathy vadiko. Indray Alahady dia nisy mpanolotsaina iray tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka nanazava tamiko fa nahatsapa fitaomana mba hiantso an’i Kathy ho mpampianatra seminera isa-maraina izy ireo.

“Ahoana no hanaovanay izany?” hoy aho nanontany. “Manana zanaka kely izahay, manomboka amin’ny 5 maraina ny seminera, ary filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasy ny tenako.”

Nitsiky ilay mpanolotsaina ary niteny hoe: “Tsy hampaninona izany, Rahalahy Andersen. Ho antsoinay izy ary hisaoranay amin’ny antsonao ianao.”

Ary dia izany no zava-nitranga.

Ny Anjara Biriky Entin’ny Vehivavy

Ny fangatahana sy fihainoana am-pahamatorana ireo hevitra sy ahiahy ambaran’ny vehivavy dia tena manan-danja eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fanambadiana ary eo amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra.

Roapolo taona lasa izay nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nilaza momba ny resaka nataony tamin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ny Loholona M. Russell Ballard. Nisy fanontaniana iray napetraka mikasika ny fampatanjahana ny fahamendrehan’ny tanora miomana hanompo amin’ny asa fitoriana. Niteny niaraka tamin’ny tsiky ny Rahavavy Elaine Jack hoe: “Hitanao ry Loholona Ballard! Mety hanana sosokevitra tsara ireo [vehivavy] ao amin’ny Fiangonana … raha toa ka hanontaniana azy ireo izany. Raha ny marina, … izahay anie no renin’izy ireo e!”25

Ny Filoha Thomas S. Monson dia niaina nandritra ny fiainany iray manontolo tantara mikasika ny fanontaniana ny olan’ireo vehivavy sy ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’izany. Ilay vehivavy tena nisy fiantraikany teo aminy dia ny Rahavavy Frances Monson. Tena malahelo azy tokoa isika. Vao tamin’ny Alakamisy lasa teo koa no nampahatsiahivin’ny Filoha Monson ireo Manampahefana Ambony fa nianatra zavatra maro avy tamin’ireo mananotena 84 tao amin’ny paroasiny izy fony eveka. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanompoany tamin’ny naha eveka azy sy nandritra ny fiainany iray manontolo izy ireo.

Tsy mahagaga raha nisy fifampiresahana maro niaraka tamin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga talohan’ny nandraisan’ny Filoha Monson ilay fanapahan-kevitra narahim-bavaka mikasika ny fanovana ny taona hanaovana asa fitoriana.

Ry eveka isany, rehefa manaraka ny ohatry ny Filoha Monson ianareo dia hahatsapa ilay fitarihan’ny tanan’ny Tompo bebe kokoa amin’ny asa masina ataonareo.

Nipetraka tany Brésil nandritra ny taona maro izahay. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavanay dia nifankafantatra tamin’i Adelson Parrella, izay Fitopololahy tamin’izany, sy ny rahalahiny Adilson, izay nanompo tao amin’ny fiadidian’ny tsatòkanay aho. Taty aoriana dia nifankafantatra tamin’i Adalton rahalahin’izy ireo aho, filohan’ny tsatòka tao Florianopolis ary rahalahan’izy ireo iray hafa Adelmo izay eveka. Tena gaga tamin’ny finoan’ireto mpirahalahy ireto aho, ary nanontany momba ny ray aman-drenin’izy ireo.

Natao batisa tao Santo, Brésil, 42 taona lasa izay ilay fianakaviana. Hoy i Adilson Parrella, “Tamin’ny voalohany dia nientanentana tokoa momba ny fidirana tato amin’ny Fiangonana i Dada. Kanefa vetivety izy dia nanjary mpikambana tsy nazoto ary niteny tamin’ny reninay mba tsy hiangona.”

Nilaza tamiko i Adilson fa nanjaitra akanjo ho an’ny mpifanolobodirindrina ny reniny mba handoavana ny saran-dalan’ireo zanany mankany am-piangonana. Niara-nandeha tongotra mihoatra ny 2 kilaometatra nankany amin’ny tanàna iray hafa ireo ankizy lahy kely efatra, dia nitaingina ny fiara fitaterana nandritra ny 45 minitra ary mbola nandeha tongotra nandritra ny 20 minitra hafa nankany amin’ilay trano fiangonana.

Na dia tsy afaka nandeha tany am-piangonana niaraka tamin’ny zanany aza ny Rahavavy Parrella, dia namaky soratra masina niaraka tamin’ireo zanany lahy sy vavy izy, nampianatra azy ireo ny filazantsara, ary niara-nivavaka tamin’izy ireo. Henik’ireo fitahiana maron’ny herin’ny fisoronana ny tokantrano kelin’izy ireo. Nitombo ireo zazalahy kely, nanao asa fitoriana, nianatra, ary nanambady tany amin’ny tempoly. Nameno ny tokantranon’izy ireo ny fitahian’ny fisoronana.

Taona maro taty aoriana, niditra ny tempoly handray ny fanafiany masina ny rahavavy tokan-tena iray, Vany de Paula Parrella ary mbola nirotsaka tamin’ny fanaovana karazana asa fitoriana telo tao Brésil taty aoriana. Ankehitriny 84 izy ary manohy mitahy ireo taranaka izay nandimby azy ny finoany.

Fijoroana ho Vavolombelona sy Fampanantenana

Hita ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny herin’ny fisoronana masin’Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianareo dia hanome tanjaka, sy fiadanana ary fomba fijery mandrakizay bebe kokoa anareo ny Tompo. Na inona na inona toe-javatra misy anareo dia “hotahian’ny herin’ny fahefan’ny fisoronana” ianareo ary ireo izay akaiky anareo dia haniry bebe kokoa ireo fitahiana ireo ho an’ny tenany.

Amin’ny maha lahy sy vavy, mpirahavavy, mpirahalahy sy mpianadahy, zanakavavy sy zanakalahin’Andriamanitra antsika dia miara-mandroso isika. Ity no tombontsoa ananantsika sy andraikitsika ary fitahiantsika. Ity no anjarantsika—hanomanana ny fanjakan’Andriamanitra ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Love Is Spoken Here,” Children’s Songbook, 190–91.

  2. Email manokana, 5 Aog 2013.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:37, 51.

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:35; 109:22.

  6. 1 Nefia11:16–17.

  7. 2 Nefia 26:33.

  8. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  9. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 104; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:16; 107:40–53; 128:18, 21; Russell M. Nelson, “Lessons from Eve,” Ensign, Nôv. 1987, 86–89.

  10. Jaona 15:16.

  11. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:72; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; 27.;

  12. Jereo ny M. Russell Ballard, “Let Us Think Straight” BYU Campus Education Week devotional, 20 Aog. 2013; speeches.byu.edu. Nilaza ny Loholona Ballard: “Nahoana no haroso amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana ny lehilahy ary tsy atao izany ny vehivavy? Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ny Tompo fa tsy ny olona no ‘nanendry fa tokony hihazona ny fisoronana ny lehilahy ato amin’ny Fiangonana’ ary ny Tompo ihany koa no nanome ho an’ny vehivavy ‘ireo fahafahana hameno ity fikambanana lehibe sy mahatalanjona ity ilay Fiangonana sy fanjakan’Andriamanitra’ (“Women of the Church,” Ensign, Nôv. 1996, 70). Rehefa voalaza sy tontosa avokoa ny zava-drehetra dia tsy nanambara ny antony nananganany ny Fiangonany araka ny nanaovany azy ny Tompo.”

  13. Môrônia 10:8.

  14. Linda K. Burton, “Priesthood: ‘A Sacred Trust to Be Used for the Benefit of Men, Women, and Children’” (Lahateny nandritra ny Fihaonambe ho an’ny Zatovovay tao amin’ny Brigham Young University, Mey 3, 2013), ce.byu.edu/cw/womensconference/pdf/archive/2013/lindaBurtonTalk.pdf.

  15. 3 Nefia 30:2.

  16. Matio 6:22–23.

  17. Matio 5:28; jereo koa ny Almà 39:9. Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson: “Tena mampidi-doza sy mahatonga ny fahazaran-dratsy ny pôrnôgrafia. Ny fanandrakandramana mijerijery pôrnôgrafia dia mety ho lasa faharazana mifehy ary hitarika any amin’ny fampiasana fitaovana mahatsiravina sy fandikan-dalàna ara-nofo. Hialao na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana izany” (“Preparation Brings Blessings,” Liahona, Mey 2010, 65).

    “Tena manaitra tokoa … ireo tatitra ny amin’ny isan’ny olona izay mampiasa ny Internet amin’ny ratsy sy tanjona manakodingy, ny fijerena pôrnôgrafia no tena mirongatra indrindra amin’ireny tanjona ireny. Ry rahalahiko sy anabaviko, manimba ara-bakiteny ny fanahy ny fandraisana anjara ao anatin’ireny. Aoka ianareo hatanjaka. Aoka ianareo hadio. Ialao na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny karazan-javatra manakodingy toy izany—na aiza na aiza izany! Ampitaiko ho an’ny rehetra izany fampitandremana izany, ary ho an’ny olon-drehetra” (“Mandra-pihaonantsika indray,” Liahona, Mey 2009, 113).

    “Ialao izay miendrika ho pôrnôgrafia rehetra. Hampangaihay ny fanahy sy hampirohoroho ny fieritreretana izany. Nolazaina isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa ‘izay tsy mankahery dia tsy avy amin’ Andriamanitra, sady haizina’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23]” (“True to the Faith,” Liahona, Mey 2006, 18–19).

  18. Jereo ny David A. Bednar, Act in Doctrine (2012), 53.

  19. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Priesthood Authority in the Family and the Church,” Liahona, Nôv. 2005, 24–27.

  20. Email manokana, 5 Aog 2013; jereo ny Jakoba (ao amin’ny Testamenta Vaovao) 5:14

  21. Jereo ny Hebreo 5:4.

  22. Isaia 55:8.

  23. Jakôba 4:13.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4–5. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny andraikitrareo dia tena lehibe ao anatin’ny sehatra sahaninareo toy ny maha tena lehibe ny ahy koa ao anatin’ny sehatra sahaniko. Tsy misy mihitsy antso ato amin’ity fiangonana ity ka hoe kely na bitika ny voka-tsoa entiny” (“This Is the Work of the Master,” Ensign, Mey 1995, 71).

  25. M. Russell Ballard, “Strength in Counsel,” Ensign, Nôv. 1993, 76.