2013
Ny Hery Ahafahana Maharitra
Nôvambra 2013


Ny Hery Ahafahana Maharitra

Sary

Hisy fifandraisana mivantana amin’ny herin’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny halalin’ny fiovam-pontsika ny fahafahantsika maharitra hatramin’ny farany amim-pahamarinana.

Isa-maraina rehefa mifoha isika dia miatrika andro vaovao izay ahitana ireo olana maron’ny fiainana. Miseho amin’ny fomba maro ireo olana ireo: olana ara-batana, fahasahiranana ara-bola, fahasarotan’ny fifandraisana, fitsapana ara-pihetsehampo, ary fisedrana ny finoan’ny tena mihitsy aza.

Maro amin’ireo olana atrehantsika eo amin’ny fiainana no azontsika vahana sy resena; kanefa, ireo olana hafa dia mety ho sarotra takarina sy tsy mety resy ary hijanona amintsika mandra-pahafatintsika. Rehefa miaritra mandritra ny fotoana mandalo fotsiny ihany ireo olana izay azontsika vahana isika ary rehefa manohy miaritra ireo olana tsy azontsika vahana, dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny hery ara-panahy izay mitombo ao amintsika dia hanampy antsika haharitra amim-pahombiazana amin’ireo olana rehetra izay atrehantsika eo amin’ny fiainana.

Ry rahalahy sy anabavy, manana Ray any an-danitra feno fitiavana isika izay nandrafitra ny fiainantsika ety an-tany hahafahantsika tsirairay mianatra ireo lesona izay ilaintsika ianarana mba ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy.

Maneho ohatra mikasika izany fitsipika izany ny tantara iray tao anatin’ny fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Voafonja tao amin’ny fonja tany Liberty, Missouri nandritra ny volana maro ny Mpaminany sy ny namany maromaro. Nandritra ny fijaliany tao am-ponja, dia nitalaho tamin’ny Tompo tamin’ny vavaka feno fanetren-tena ny Mpaminany Joseph Smith mba hihamaivana ny fijaliana nianjady tamin’ireo Olomasina tamin’izany. Ny Tompo dia namaly tamin’ny alalan’ny fampianarana ny Mpaminany Joseph sy fampianarana antsika rehetra, fa ireo olana atrehantsika, dia hahasoa antsika amin’ny farany raha toa vitantsika ny niaritra izany. Izao no navalin’ny Tompo tamin’ny fangatahana nataon’i Joseph:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”1

Nalamin’ny Ray any an-danitra ny diantsika mamakivaky ny fiainana mba ho fitsapana ny toetrantsika. Samy avela hitaona antsika na ny tsara na ny ratsy ary avy eo isika nomena ny fahafahana hisafidy ho an’ny tenantsika izay lalana halehantsika. Nampianatra i Samoela ilay mpaminany fahinin’ny Bokin’i Môrmôna, hoe: “Afaka ianareo; avela ianareo hanao araka ny tenanareo; fa indro, Andriamanitra dia efa nanome anareo fahalalana sy efa nanafaka anareo.”2

Takatry ny Ray any an-danitra ihany koa fa noho ny toetrantsika mety maty dia tsy hisafidy ny tsara na ny marina mandrakariva isika. Mila fanampiana isika mba hiverenana eo anatrehany satria tsy lavorary sy manao fahadisoana isika. Avy amin’ny fampianarana sy ohatra, ary ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahazoana ny fanampiana izay ilaina. Ny sorompanavotan’ny Mpamonjy no mahatonga ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika amin’ny ho avy ho azo tanterahana amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fibebahana. Raha mibebaka amim-pahamarinana sy amin-kitsimpo isika, dia afaka manampy antsika ho tonga madio, sy hanova ny toetrantsika, ary haharitra soa aman-tsara amin’ireo olana atrehantsika ny Sorompanavotana.

Ny faharetana dia fitsipika iray manan-danja ao anatin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Manan-danja izy io satria mifandraika amin’ny fahafahantsika maharitra amim-pahamarinana ny endriky ny hoavintsika mandrakizay.

Ao amin’ny 2 Nefia 31 dia mampianatra ny mpaminany Nefia fa aorian’ny andraisantsika ilay ôrdônansin’ny batisa mitovy amin’ilay noraisin’i Jesoa Kristy sy ny andraisantsika avy eo ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy “mibosesika [h]androso [isika] ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray [avy eo]: Hahazo ny fiainana mandrakizay [isika].”3

Noho izany, mba hahazoana ny lehibe indrindra amin’ireo fitahian’ny Ray any an-danitra, dia ny fiainana mandrakizay izany, dia tokony hahatanteraka ireo ôrdônansy izay ilaina isika ary hanaja ny fanekempihavanana mifandraika amin’izany avy eo. Izany hoe tokony haharitra soa aman-tsara isika.

Hisy fifandraisana mivantana amin’ny herin’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny halalin’ny fiovam-pontsika ny fahafahantsika maharitra hatramin’ny farany amim-pahamarinana. Rehefa matanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona ary tena niova fo marina ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, dia ho avy amin’ny fanentanan’ny Fanahy Masina ny safidy hataontsika, ka hifantoka amin’i Kristy izany, ary hanohana ny faniriantsika haharitra amim-pahamarinana. Raha marefo ny fijoroantsika ho vavolombelona ary tsy lalim-paka ny fiovam-pontsika, dia vao mainka isika hatahorana ho voasarik’ireo fombafomba dison’izao tontolo izao ratsy.

Te hizara zavatra niainana iray aho izay maneho ny ezaka ilaina mba hananana faharetana ara-batana ary avy eo aho hampitaha izany amin’ny ezaka ilaina mba hananana faharetana ara-panahy. Rehefa niverina avy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno aho, dia nanana fahafahana hilalao basketball ho an’ny mpanazatra mendri-kaja iray tany amin’ny oniversite iray tany Californie. Tena hentitra tokoa io mpanazatra io mikasika ny fahavononana ara-batan’ireo mpilalaony alohan’ny hiantombohan’ny vanimpotoam-pilalaovana basketball iray. Anisan’ny fepetra takian’ny fiofanany alohan’ny hamelany anay hikitika ny baolina basket eo amin’ny kianja filalaovana ny fanaovana hazakazaka lavitra ezaka any amin’ny tendrombohitra iray eo akaikin’ilay sekoly ao anatin’ny fe-potoana tena mampijaly. Tsaroako ny nanandramako nanao io hazakazaka lavitra ezaka io taoriana kelin’ny fiverenako avy nanao asa fitoriana: noheveriko fa ho tapitra ny aiko.

Nila fanazarana matotra nandritra ny herinandro maromaro vao nahavita ilay hazakazaka tao anatin’ny fotoana kely kokoa noho ilay nasain’ilay mpanazatra notratrarina. Tsy ny hoe ny nahafahana nahavita ilay hazakazaka lavitra ezaka fotsiny akory no nahafaly fa ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha koa rehefa nanakaiky ny faritra hahatongavana.

Mila manana toe-batana ara-dalàna tsara vao afaka mahomby amin’ny filalaovana basketball. Misy sarany efaina mba hananana toe-batana ara-dalàna, ary izany sarany izany dia ny fanoloran-tena, sy fikirizana, ary fifehezan-tena. Misy sarany koa ny fahafahana manana faharetana ara-panahy. Mitovy amin’iretsy ihany ny sarany: fanoloran-tena, sy fikirizana, ary fifehezan-tena.

Toy ny vatanao ihany, ny fijoroana ho vavolombelona dia mila matanjaka tsara raha tianao haharitra izany. Ahoana ary no hihazonantsika ny fijoroantsika ho vavolombelona ho matanjaka. Ny fijerena fotsiny ny lalao basketball amin’ny fahitalavitra dia tsy hahatonga ny vatantsika ho tomombana amin’ny fanaovana ny basketball. Torak’izany koa ny fijoroantsika ho vavolombelona izay tsy hatanjaka mihitsy amin’ny alalan’ny fijerentsika fotsiny ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny fahitalavitra. Mila mandalina sy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, avy eo dia tokony hanao izay tsara indrindra vitantsika mba hiaina azy ireny. Izany no fomba hahatongavantsika ho mpianatr’i Jesoa Kristy, ary izany no fomba hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona matanjaka.

Rehefa manoloana ny fitsapana isika eo amin’ny fiainana ka maniry ny haka tahaka ireo toetran’i Jesoa Kristy, dia tena ilaina ny fahavononana ara-panahy. Ny hoe vonona ara-panahy dia midika fa nanao izay hahazoana tanjaka na hery ara-panahy isika—ho lasa ara-dalàna ny toe-panahintsika. Tena ara-dalàna ny toe-panahintsika hany ka hisafidy ny tsara lalandava isika. Tsy ho voahozongozona isika amin’ny faniriantsika sy ny fahafahantsika miaina ny filazantsara. Hoy ny mpanoratra iray tsy fantatra anarana hoe: “Tokony ho lasa vatobe tsy zakan’ny renirano ianao.”

Ilaina ny mikolokolo ny tanjatsika ara-panahy isan’andro satria miatrika olana isan’andro isika. Rehefa mahazo tanjaka ara-panahy isika, dia ho kely ihany ny fiantraikany entin’ireo fombafomba dison’izao tontolo izao, sy ireo olantsika manokana, eo amin’ny fahafahantsika maharitra amim-pahamarinana.

Ahitana ohatra lehibe mikasika ny tanjaka ara-panahy ireo tantaram-pianakaviantsika. Afaka mahita ohatra izay maneho ireo toetra tsaran’ny faharetana isika amin’ireo tantara marobe avy amin’ny razambentsika.

Misy tantara iray avy amin’ny tantaram-pianakaviako izay maneho io fitsipika io. I Joseph Watson Maynes, rain’ny raibeko, dia teraka tamin’ny 1856 tany Hull, Yorkshire, Angleterre. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviany tany Angleterre ary nandeha tany Salt Lake City avy eo. Nanambady an’i Emily Keep izy tamin’ny 1883, ary nanan-janaka valo izy ireo. Nantsoina hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno i Joseph tamin’ny volana Jona 1910, raha 53 taona izy. Notohanan’ny vadiny sy ireo zanany valo izy tamin’ny fiverenany tany Angleterre, izay tany nahaterahany, mba hanao asa fitoriana.

Taorian’ny nanompoany tamim-pahatokiana nandritra ny roa taona teo ho eo, dia vaky ny kodiaran’ilay bisikiletany raha nandeha namonjy ny Sekoly Alahady tany Gloucester, Angleterre niaraka tamin’ny namany izy. Niala teo amin’ilay bisikiletany izy mba hijery ny zavatra simba. Rehefa hitany fa lehibe ny fahasimbana ka mitaky fotoana misimisy ny fanamboarana izany, dia nasainy nandeha mialoha ilay namany mba hanomboka ny fivoriana Alahady ary izy ho avy afaka fotoana fohy. Vao tapitra ny teniny dia nianjera tamin’ny tany izy. Nijanona tsy nitempo ny fony ka dia maty tampoka izy.

Tsy nahita ny vadiny sy ireo zanany valo intsony i Joseph Watson Maynes teto amin’ity fiainana ity. Afaka nitondra ny nofo mangatsiakany niverina tany Salt Lake City izy ireo ary nanao ny fotoam-pandevenana tao amin’ny Waterloo Assembly Hall. Mampianatra lesona manan-danja ho antsika mikasika ny fiainana, sy ny fahafatesana ary ny faharetana ny teny nataon’ny Loholona Anthony W. Irvins tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fandevenana azy: “Izao no omen’ny filazantsara antsika—tsy fanafahana mba tsy ho azon’ny fahafatesana, fa fandresena izany amin’ny alalan’ny fanantenantsika ny fitsanganana amin’ny maty feno voninahitra. … Mihatra amin’i [Joseph Maynes] izany. … Mahafinaritra sy mahafa-po ary mahafaly ny mahafantatra fa misy ny lehilahy manolotra ny ainy amim-pahamarinana, sy amin’ny finoana, ary mijoro amin’ny finoany.”4

Izany tantaram-pianakaviana izany dia mitaona ahy hiezaka hanao ny tsara indrindra vitako mba hanaraka ilay ohatry ny faharetana sy ny tanjaka ara-panahy nasehon’ny rain’ny raibeko. Manentana ny fanahiko torak’izany koa ny finoan’i Emilie vadiny, izay azo antoka fa nitondra enta-mavesatra teo amin’ny fiainany taorian’ny nahafatesan’i Joseph. Natanjaka ny fijoroany ho vavolombelona ary tanteraka ny fiovam-pony rehefa nijanona ho mahatoky amin’ny finoana mandra-pahafatiny izy no sady namelona samirery ireo zanany valo.

Hoy ny Apôstôly Paoly hoe: “Aoka isika hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika, mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.”5 Ny hazakazaka izay nasaina hataontsika ety an-tany dia hazakazaka mitaky faharetana sy feno sakana maro. Ireo sakana ao amin’izany hazakazaka izany dia ireo olana hitantsika isaky ny mifoha maraina isika. Tonga ety an-tany isika mba hanao ilay hazakazaka, sy hampiasa ny fahafahantsika misafidy, ary hisafidy na ny tsara na ny ratsy. Mba hahavitana amim-boninahitra sy amim-pahombiazana ilay hazakazaka sy hiverenana any amin’ny Raintsika any an-danitra, dia ilaintsika ny manefa ny sarany mba hananana fanoloran-tena, sy ny fikirizana, ary ny fifehezan-tena. Mila manana toe-panahy ara-dalàna isika. Mila manana tanjaka ara-panahy isika. Mila fijoroana ho vavolombelona matanjaka isika izay hitondra antsika amin’ny tena fiovam-po marina, ary vokatr’izany isika dia hanana ny filaminana anaty sy ny hery ilaina mba haharetana na inona na inona olana atrehantsika.

Koa na inona na inona olana hitanareo rehefa mifoha isa-maraina ianareo, dia tsarovy—any amin’ny faran’ilay hazakazaka, noho ilay hery ara-panahy izay mitombo ao aminao, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, dia afaka hanana ilay fahatokiana izay nasehon’ny Apôstôly Paoly ianao raha nilaza izy hoe:

“Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mbỳ akaiky ny andro fialako.

“Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho:

“Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay.”6

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho ny amin’ny tena fisian’ny Ray any an-danitra feno fitiavana sy ny drafitry ny fahasambarana lehibe sy mandrakizay nataony, izay nitondra antsika eto amin’ity tany ity amin’izao fotoana izao. Ny Fanahin’ny Tompo anie hitaona antsika rehetra mba hampitombo ao amintsika ny hery entina maharitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.