2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ohatra Alain-tahaka
Janoary 2014


Hafatra ho an’ ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ohatra Alain-tahaka

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary fantaro izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Rehefa takatsika fa i Jesoa Kristy no ohatra ho antsika amin’ny zavatra rehetra dia afaka mampitombo ny faniriantsika hanaraka Azy isika. Feno famporisihana antsika mba hanaraka ny dian’i Kristy ny soratra masina. Hoy i Kristy tamin’ireo Nefita hoe: “Fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa” (3 Nefia 27:21). Hoy i Jesoa tamin’i Tomasy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).

Mampahatsiahy antsika ankehitriny ireo mpitarika antsika mba hanao ny Mpamonjy ho ohatra arahantsika. Hoy i Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany hoe: “Rehefa voasorantsika tsirairay avy lalina ao am-pontsika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana dia hanomboka ho lasa tahaka ilay karazan’olona tian’ny Tompo hahatongavantsika isika.”1

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika no Ohatra alaintsika tahaka sy herintsika.”2

Ndeha isika hanapa-kevitra ny hanakaiky an’i Jesoa Kristy sy hankatò ny didiny ary hiezaka ny hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra.

Avy ao amin’ny Soratra Masina

2 Nefia 31:16; Almà 17:11; 3 Nefia 27:27; Môrônia 7:48

Avy amin’ny Tantarantsika

“Namaritra sy nitarika ny lalana Izy,” hoy ny nosoratan’i Eliza R. Snow, filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana, mikasika ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany.3 Nanompo manokana ny olona izy—ny olona tsirairay. Nampianatra Izy fa tokony handao ny sivy amby sivifolo isika ary handeha hamonjy ilay anankiray very (jereo ny Lioka 15:3–7). Nanasitrana sy nampianatra manokana ny olona izy ary nanokana fotoana ho an’ny olona tsirairay tao anatin’ny vahoaka miisa 2500 mihitsy aza (jereo ny 3 Nefia 11:13–15; 17:25).

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany hoe: “Ianareo ry anabavy mahafinaritra isany dia manao asa fanompoana feno fangorahana amin’ny hafa noho ny antony izay lehibe lavitra noho ny faniriana hahazo tombontsoa manokana. Manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianareo ao anatin’izany. … Ny sainy dia nirona foana tamin’ny fomba ahafahana manampy ny hafa.”4

Fanamarihana

  1. Linda K. Burton, “Moa ve Voasoratra ao Am-pontsika ny Finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 114.

  2. Thomas S. Monson, “Meeting Life’s Challenges,” Ensign, Nôv. 1993, 71.

  3. “Endrey fahendrena, fitia” Fihirana sy Hiran’ny ankizy, lah. 37.

  4. Dieter F. Uchtdorf, “Happiness, Your Heritage,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 120.

Inona no Azoko Atao?

  1. Nahoana i Jesoa Kristy no ohatra alain-tahaka ho ahy ary amin’ny fomba ahoana no mahatonga izany?

  2. Ahoana no ahafahan’ny fanompoako ireo rahavavy manampy ahy hanaraka ny Mpamonjy?