2014
Valin’ny Vavaka Izay Nataony
Martsa 2014


Ho an’ny Tanora

Valin’ny Vavaka Izay Nataony

Ny mpanoratra dia monina any Gauteng, Afrika Atsimo.

Indray alina dia nisy namana iray hafa finoana namangy ahy. Mazàna aho no mandalina soratra masina samirery, ary efa navoakako izany mba hanaovako fandalinana tamin’io alina io. Nahazo fitaomam-panahy aho ny hanasa azy hiara-handalina soratra masina miaraka amiko, saingy natahotra aho ka dia naleoko nanomboka nandalina samirery. Fantatro fa tsy niraharaha ny fitaomana iray avy amin’ny Fanahy Masina aho. Minitra vitsy taorian’izany dia nanontany tamim-pitandremana aho hoe: “Afaka mandalina soratra masina miaraka amiko ve ianao?” Tsy nisalasala ilay namako fa namaly hoe: “Eny.”

Avy eo izahay dia namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nametraka fanontaniana vitsivitsy tamiko izy, ary afaka nahatsapa ny Fanahy Masina nitarika ahy aho rehefa namaly ireo fanontaniany. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna aho. Taorian’ny nanaovako izany dia hoy izy tamiko hoe: “Nitomany sy natahotra foana aho nandritra ny tontolo andro androany. Vao avy nivavaka mba hahazo fanampiana avy amin’Andriamanitra aho tamin’ny fotoana nangatahanao ahy hiara-hamaky soratra masina aminao. Tsara lavitra kokoa ny fahatsapana ananako amin’izao. Misaotra.”

Ny Tompo dia nampiasa ahy ho fitaovana nentina namaly vavaka iray sy nanompo ny iray amin’ireo Zanany mila fanampiana. Fantatro fa ireo fitaom-panahy dia torolalana masina avy amin’ny Ray hendry sy feno voninahitra. Rehefa esorintsika ny tahotra ao amintsika dia mamela Azy haneho ny heriny amin’ny alalan’ny fankatoavantsika isika.