2014
Asa Fanompoana sy Fiainana Mandrakizay
Martsa 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2014

Asa fanompoana sy Fiainana Mandrakizay

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Ny Mpamonjy no ohatry ny asa fanompoana feno fanoloran-tena ho antsika. Ny fiainany tonga lafatra dia natokany hanompoana ny Ray any an-danitra sy ireo zanaky ny Rainy rehetra. Ny tanjona iombonan’ny Ray sy ny Zanaka dia ny hanome ho antsika rehetra ny fanomezana ny tsy fahafatesana sy ny fitahian’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39).

Mba hahatonga antsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy ovaina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika—ateraka indray ary diovina ho afaka amin’ny fahotana. Ireo ankizy madinika latsaky ny valo taona kosa anefa dia tsy manam-pahotana ary avotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana (jereo ny Môsià 3:16, 21; Môrônia 8:10–12).

Ho antsika rehetra izay mahatratra ny taona maha-tompon’andraikitra, dia misy drafitra mahatalanjona izay mamela antsika ho voasasa amin’ny fahotana sy ho voaomana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany fiomanana izany dia manomboka amin’ny batisa atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny fandraisana ny Fanahy Masina. Avy eo isika dia tokony hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy sy mitandrina ireo didy izay efa nomeny antsika.

Ny Mpanjaka Benjamina dia nilaza tamin’ny vahoakany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny amin’ny fifaliana izay azo avy amin’ny fahatsapana ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Avy eo izy dia nampianatra azy ireo fa mba hihazonana ny famelana ny fahotan’izy ireo dia tokony hampianatra ireo zanany hifanompo izy ireo ary tokony halala-tanana araka izay tratrany mba hanampiany ny manodidina azy ireo amin’ny filàny ara-panahy sy ara-nofo (Jereo ny Môsià 4:11–16.)

Nampianatra koa izy hoe: “Ary indro, lazaiko aminareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo mianatra fahendrena, mba hahazoanareo mianatra fa rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17).

Nandehandeha nampianatra ny Filazantsarany sy nanao soa i Jesoa (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:38). Nanasitrana ny marary Izy. Nanangana ny maty Izy. Nanome sakafo ho an’ny olona an’arivony tamin’ny alalan’ny Heriny Izy raha noana sady tsy nanan-kohanina izy ireo (jereo ny Matio 14:14–21; Jaona 6:2–13). Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nanome sakafo ny sasany tamin’ireo Apôstôliny Izy raha nanamorona ny Ranomasin’i Galilia ireo (jereo ny Jaona 21:12–13). Tany Amerika dia nanasitrana ny marary sy nitsodrano ireo ankizy tsirairay Izy (jereo ny 3 Nefia 17:7–9, 21).

Ny Apôstôly Jakôba dia nampianatra antsika ny fomba hiavian’ny faniriana hanompo ny hafa avy amin’ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Tompo ho antsika:

“Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany. …

“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpetina avy amin’izao tontolo izao” (Jakôba [ao amin’ny Baiboly] 1:25, 27).

Ny faniriana tsy mitsaha-mitombo hanompo ny hafa ho an’ny Mpamonjy dia fanomezan-toky iray fa mihamadio ianao. Ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano dia hanjary ho fifaliana kokoa ary tsy ho adidy feno faneriterena intsony. Lasa manao asa an-tsitrapo bebe kokoa ianao ao amin’ny sekoly eo an-toerana na manampy amin’ny fikarakarana ireo mahantra ao amin’ny fiaraha-monina misy anao. Na dia tsy manana afa-tsy vola kely aza ianao homena ireo izay tsy dia manana, dia maniry ny hanana bebe kokoa ianao mba hahafahanao manome bebe kokoa (jereo ny Môsià 4:24). Lasa maniry mafy ny hanompo ireo zanakao sy hampiseho amin’izy ireo ny fomba hanompoana ny hafa ianao.

Rehefa miova ny toetranao dia hahatsapa faniriana hanompo bebe kokoa ianao kanefa tsy mila tambiny. Mahafantatra mpianatry ny Mpamonjy aho, izay nanome vola betsaka sy nanao asa fanompoana maro tamim-pahatokiana ary tsy hisy hahafantatra izany afa-tsy Andriamanitra sy ireo zanany ihany. Nankasitrahan’Andriamanitra ny asa fanompoan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fitahiany azy ireo teto amin’ity fiainana ity, ary mbola hitahy azy ireo Izy amin’ny fiainana mandrakizay izay ho avy (jereo ny Matio 6:1–4; 3 Nefia 13:1–4).

Rehefa nitandrina ny didy hanompo ny hafa ianao (jereo ny Matio 22:39), dia nahatsapa fa nisy fiovàna tamin’ny fiavonavonanao. Nanitsy ireo Apôstôliny ny Mpamonjy rehefa nifanditra izy ireo mikasika izay ho lehibe indrindra amin’izy ireo. Hoy Izy hoe:

“Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo: fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.

“Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo” (Matio 23:10–11).

Mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mianatra manompo ny hafa ny Mpamonjy. Nanao asa fanompoana tonga lafatra Izy, ary isika dia tokony hianatra hanompo tahaka ny nianarany—andalan-tsoratra niampy andalan-tsoratra (jereo ny F&F 93:12–13). Afaka ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa isika amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataontsika. Hivavaka amin’ny herin’ny fontsika manontolo isika mba ho tia ireo fahavalontsika tahaka ny hitiavany azy ireny (jereo ny Matio 5:43–44; Môrônia 7:48). Avy eo isika dia afaka ny ho mendrika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy sy ny Raintsika any an-danitra amin’ny farany.

Mampanantena aho fa ho lasa tanteraka kokoa ny fomba fanompoantsika rehefa manaraka ireo fampianarana sy ny ohatry ny Mpamonjy isika.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika antsika hivavaka mba hanana fahafahana hanompo: “[Mangataha] amin’ny Ray any an-danitra amin’ny vavaka ataonao isa-maraina isan’andro ny hitarika anao hamantatra fotoana iray hahafahanao hanompo ny iray amin’ireo zanany sarobidy. Ary avy eo dia mandehana … mandritra ny andro hitady olona azo ampiana” (“Mazoto Mirotsaka,” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 31). Asao ireo izay ampianarinao mba hametraka ny tanjona hivavaka isa-maraina hahazoany fahafahana manompo ary hitady izany mandritra ny andro.