2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Fahazavan’Izao Tontolo Izao
Martsa 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Fahazavan’Izao Tontolo Izao

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Rehefa mahatakatra isika fa i Jesoa Kristy no Fahazavan’Izao Tontolo Izao, dia hampitombo ny finoantsika Azy sy ho tonga fahazavana ho an’ny hafa isika. I Kristy dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny anjara asany amin’ny maha “fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao” (F&F 93:2) Azy ary mangataka antsika mba “[hanainga] ambony ny fahazava[ny] mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao” (3 Nefia 18:24).

Ireo mpaminanintsika koa dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fahazavan’i Kristy. Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiany Voalohany dia nilaza hoe: “Isaky ny misafidy hiaina bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ianareo dia hohamafisina ny fijoroanareo ho vavolombelona. Ho avy ny fotoana hahafantaranareo manokana fa Izy no Fahazavan’Izao Tontolo Izao. … Hisy fiantraikany eo amin’ny hafa ny fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainanareo.”1

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny maha-fahazavan’izao tontolo izao antsika: “Mila miaro ireo fianakaviantsika isika ary mijoro eny aloha miaraka amin’ireo olona manana fikasana tsara mba hanao izay rehetra vitantsika hitandroana ny fahazavana sy ny fanantenana ary ny fahadiovam-pitondrantena ao amin’ny fiarahamonina misy antsika.”2

Avy ao min’ny Soratra Masina

Jaona 8:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 115:5

Avy amin’ny Tantarantsika

Manainga ambony hatrany ny fahazavan’izy ireo ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao.

Any amin’ny rihana faha-80 amin’ny trano mijoalajoala any Hong Kong any Chine, dia nanorina ny tokantrano izay ahitany filaminana ny rahavavy tokantena iray izay manana kilema ara-batana—izay hany Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny fianakaviany—mba hahafahany mahatsapa ny Fanahy Masina miaraka amin’ireo mpamangy azy. Nataony amin’ny toerana akaiky azy ny soratra masiny sy ireo boky torolalany ho an’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny fihirany. Nandeha nankany amin’ny tempoly izy mba hanatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ireo razambeny.3

Nanabe ireo zanany amin’ny fahazavan’ny filazantsara ny renim-pianakaviana marin-toetra iray any Brésil. Manenika ny tranony vita amin’ny biriky mena ny hiran’ny Kilonga, ary mandrakotra ny rindrina ny sarin’ny tempoly sy ny mpaminanin’Andriamanitra ary ny Mpamonjy nalaina tao amin’ny Liahona. Nanao fahafoizana izy sy ny vadiny mba ho voafehy any amin’ny tempoly ka ho afaka ny ho teraka ao amin’ny fanekempihavanana ireo zanany. Ny vavaka tsy tapaka izay nataony dia ny mba hanampian’ny Tompo azy hitaiza ireo zanany amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana ary ny herin’ny filazantsara.4

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Fijoroana ho Vavolombelona Mitombo,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 128.

  2. Quentin L. Cook, “Misia ny Mazava!” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 30.

  3. Jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 163–64.

  4. Jereo ny Filles dans mon royaume, 164.