2014
Vatofantsika Iray Miraikitra Mafy
Aprily 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Vatofantsika Iray Miraikitra Mafy

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Nanana fahafahana aho vao tsy ela akory izay nandeha sambo lehibe iray namakivaky ny morontsiraka mahafinaritr’i Alaska, États-Unis. Rehefa nanomana ny fijanonan’ilay sambo mandritra ny alina sy ny ampitso maraina teo amin’ny helo-dranomasina iray mitokana mbola tsy nokasihina ny kapiteny, dia nanao fizahana tsara ilay toerana sy ny toe-javatra hita teo amin’izany izy toy ny fisehon’ny fisondrotry ny ranomasina sy ny fisintonany, ny halalin’ny rano ary ny halavitr’ireo zavatra mampidi-doza. Rehefa afa-po izy dia nalatsany ny vatofantsika mba hahafahan’ilay sambo ho voaro sy miantsona mafy tsara ary navelany ireo mpandeha mba hanana fahafahana hankafy ny hatsaran’ireo zavatra noharian’Andriamanitra izay tena nampitolagaga.

Rehefa nijery ny moron-dranomasina aho dia nanomboka nahita fa zara raha tsikaritra ny fanisahan’ny rivotra faran’izay kely sy ny onja eo ambaniny an’ilay sambo. Na izany aza dia tafajanona mafy tsara foana tao anatin’ilay toerana voafehin’ny halavan’ilay vatofantsika sy ny tanjany ilay sambo.

Tsy notehirizin’ilay kapiteny tao anaty sambo fotsiny ilay vatofantsika ka hoe rehefa misy oram-baratra manatona vao hampidinina izany. Fa nampiantsoniny tamin’ny alalan’ny vatofantsika ilay sambo mba ho fisorohana ny toe-javatra mety hiseho sy hiarovana ny sambo mba tsy handeha any amin’ny rano tsy azo antoka na hikisaka moramora ka ho tafahitsoka ary ny mpandeha sy ny mpiara-miasa an-tsambo kosa amin’izay dia samy hahatsapa ho tsy misy zavatra hatahorana.

Rehefa nandinika io toe-javatra niseho io aho dia tsapako hoe raha toa ka tsy ahafahana manao fanoharana izany dia tsy ho namory fiaramanidina velively aho izany.

Nahoana no Ilaintsika ny Manana Vatofantsika

Ny tanjon’ny vatofantsika dia ny hiarovana ny sambo eo amin’ny toerana iray tiana hijanonana na hifehezana ny sambo mandritra ny andro ratsy. Tsy ampy anefa ny fananana vatofantsika fotsiny mba hanatanterahana ireo tanjona lehibe ireo. Tsy maintsy mafy tsara sy azo itokisana ary ampiasaina araka ny tokony ho izy amin’ny fotoana sy toerana ilàna izany ny vatofantsika.

Mila vatofantsika koa ny olona tsirairay sy ny fianakaviana.

Ny fahoriana dia mety tonga tahaka ny oram-baratra lehibe izay mifaoka antsika sy manambana ny hampidona antsika eny amin’ny vato. Saingy mety ho tra-doza koa isika rehefa toa milamina ny zavatra rehetra—malefaka ny rivotra ary tony ny rano. Raha ny marina dia mety ho tena tandindomin-doza lehibe isika rehefa mikisaka ary tena moramora ilay fihetsehana ka zara raha tsikaritsika izany.

Ny Filazantsara no Vatofantsika ho Antsika

Tsy maintsy mafy sy matanjaka tsara ary voakarakara tsara ny vatofantsika mba ho vonona rehefa ilaina. Ankoatra izany dia tsy maintsy araikitra amin’ny fototra iray afaka mahazaka tsara ny vesatr’ireo hery manohitra izany.

Vatofantsika toy izany mazava ho azy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nomanin’ilay Mpahary noho ny antony masina iray izany ary narafitra mba hanomezana fiarovana sy fitarihana ny zanany.

Fa inona no atao hoe filazantsara raha ny tena marina ankoatra ny drafitr’Andriamanitra mba hanavotana ny zanany sy hitondrana azy ireo miverina eo anatrehany?

Noho ny fahafantarana fa efa toetran’ny zavatra rehetra ny mikisaka dia tsy maintsy mampiraikitra mafy tsara ireo vatofantsitsika eo amin’ny fototry ny fahamarinan’ny filazantsara isika. Tsy tokony hampidinina kely eo amin’ny fasiky ny fiavonavonana izany ary tsy tokony hoe zara raha hampikasihana ny tampon’ny finoantsika.

Hanana fahafahana hihaino ireo mpanompon’Andriamanitra isika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ity volana ity. Ny tenin’izy ireo miaraka amin’ny soratra masina sy ny bitsiky ny Fanahy dia manome fototra azo antoka sy mafy orina ahitana soatoavina sy fitsipika mandrakizay izay azontsika hamatorana ilay vatofantsitsika mba hahafahantsika tsy ho voahozongozona sy ho voaro ao anatin’ireo olana sy fitsapan’ny fiainana.

Nampianatra ny zanany lahy ny mpaminany Helamàna hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivomaheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny” (Helamàna 5:12).

Ny Lanjan’ny Vatofantsika Iray Miraikitra Mafy

Ny fiainana dia manana fomba hitsapana ny vatofantsitsika sy hakana fanahy antsika hikisaka. Na dia izany aza raha toa apetraka araka ny tokony ho izy eo amin’ny vatolampin’ilay Mpanavotra antsika ny vatofantsitsika dia hiraikitra tsara izy ireo—na manao ahoana na manao ahoana herin’ny rivotra na herin’ny fivadibadi-bohon-dranomasina na ny haavon’ny onja.

Mazava ho azy fa ny sambo dia tsy natao hiantsona foana eo amin’ny seranana fa kosa tokony hiainga ary hamakivaky ny ranomasin’ny fiainana. Saingy fanoharana ho an’ny andro manaraka indray izany.

Amin’izao fotoana izao aho dia mifaly amin’ny fahafantarana fa ny vatofantsiky ny filazantsara sy ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika dia hihazona antsika tsy ho voahozongozona sy mba ho voaro.

Ny vatofantsika toy izany dia hihazona antsika mba tsy ho tafavily any amin’ny loza sy ny fahoriana. Hanome fahafahana lehibe ho antsika mba hankafy ny hatsarana tsy manam-paharoa ananan’ireo endriky ny fiainana izay miovaova hatrany ary tena kanto izany.

Tsara ny fiainana ary mendrika ny hiainana. Mety haka fanahy antsika hivily any amin’ny loza hita maso na tsy hita ny rivotra sy ny oram-baratra ary ireo fironana izay mibahan-toerana, kanefa ny hafatry ny filazantsara sy ny heriny masina dia hihazona antsika eo amin’ilay lalana mitondra antsika hiverina any amin’ilay seranana azo antoka an’ny Raintsika any an-danitra.

Noho izany dia ndeha isika tsy hoe hihaino fotsiny ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana Aprily fa koa hampihatra ny hafatra omen’izy ireo ho toy ny vatofantsika ifikiran’ny fiainantsika isan’andro mafy.

Andriamanitra anie hitahy sy hitarika antsika ao anatin’ity asa lehibe sy tena ilaina ity!

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Ifanakalozy hevitra ny lanjan’ireo vatofantsika tao anatin’ny toe-javatra niainan’ny fianakavian’i Lehia rehefa nandeha sambo nankany amin’ny tany nampanantenaina (jereo ny 1 Nefia 18). Azonao asongadina ny ao amin’ny 1 Nefia 18:11–15, izay fotoana iray nahitana ny famatorana an’i Nefia sy ny fijanonan’ny Liahôna tsy niasa intsony ary ny fanopatopazan’ny tafio-drivotra mahery an’ilay sambo. Inona avy ireo voka-dratsy atrehantsika rehefa tsy mifikitra tsara amin’ny filazantsara isika? Azonao atao koa ny manasongadina ny ao amin’ny 1 Nefia 18:21–22 ary mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika mahazo fiarovana amin’ny alalan’ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy.