2014
Manamafy Orina ny Fianakaviantsika
Aprily 2014


Manamafy Orina ny Fianakaviantsika

Afaka manao sary lehibe ianao hanampiana ny fianakavianao ho lasa mafy orina kokoa!

  • Asaivo ampian’ny olon-dehibe ianao manapaka ireo sarin’ny kilalao miendrika biriky. Apetaho amin’ny lakôly eo amin’ny taratasy iray ireo izay maneho zavatra efa ataon’ny fianakavianao. Ireo kilalao miendrika biriky ireo dia haneho ny fototra iorenan’ny fianakavianao.

  • Misafidiana kilalao miendrika biriky iray hafa izay maneho zavatra iray izay tian’ny fianakavianao hatao na hatao tsaratsara kokoa. Rehefa tratranao izany tanjona izany, dia ampifanaingeno eo amin’ny tilikambonao. Apetaho amin’ny toerana mora hitan’ny rehetra ilay sary lehibe, ary tehirizo ireo kilalao miendrika biriky hafa mba hanaovana izay hampahamafy orina ny fianakavianao!

Fiaraha-mivavaky ny mpianakavy

Takarivan’ny mpianakavy

Fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina

Manoratra taratasy ho an’ny misiônera

Miara-misakafo hariva

Miara-milalao

Mamangy olona marary iray

Mianatra tantara momba ireo razambentsika

Soraty eo amin’ireo kilalao miendrika biriky izay tsisy soratra ny hevitrao manokana