2014
Mieritreritra an’i Jesoa
Aprily 2014


Ho an’ ny Ankizy Madinika

Mieritreritra an’i Jesoa

Tsy tokony ho sarotra ny mipetraka mangina tsara sy mieritreritra an’i Jesoa, ny hazo fijaliany teo amin’ny tendrombohitra,

Ary ny zavatra rehetra niaretany sy nataony ho ahy. Tsy tokony ho sarotra ny mipetraka mangina tsara.

Mieritreritra ireo kilaometatra nodiaviny tao anatin’ny vovoka aho,

sy ireo ankizy izay nampiany mba hitia sy hahatoky;

Tsy tokony ho sarotra ny mipetraka eo amin’ny sezako, mihaino amim-panajana, sy tsy manetsiketsika ny tongotro.

Tsy tokony ho sarotra, na dia mbola kely aza aho, ny mieritreritra an’i Jesoa, tsy sarotra mihitsy.